Boky torolalana sy antso
32. Fibebahana sy ireo filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana


“32. Fibebahana sy ireo filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana,” Fantina avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“32. Fibebahana sy ireo filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana,” Fantina avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

lehilahy miresaka

32.

Fibebahana sy ireo filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana

32.0

Teny fanolorana

Ny ankamaroan’ny fibebahana dia miseho eo amin’ny olona iray sy Andriamanitra ary ireo izay niharan’ny fahotan’ny olona iray. Indraindray anefa dia mila manampy ireo mpikamban’ny Fiangonana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka amin’ny ezaka ataon’izy ireo hibebaka.

Rehefa manampy ny mpikambana amin’ny fibebahana ireo eveka sy filohan’ny tsatòka dia maneho fitiavana sy fiahiana. Manaraka ny ohatry ny Mpamonjy izy ireo, izay nanampy ny isam-batan’olona hihatsara kokoa sy nanampy azy ireo hiala amin’ny fahotana ka hitodika amin’ Andriamanitra (jereo ny Matio 9:10–13; Jaona 8:3–11).

32.1

Fibebahana sy famelan-keloka

Mba hahatanteraka ny drafitry ny famindram-pony dia naniraka an’i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana ny Ray any An-danitra mba hanonitra ny fahotantsika (jereo ny Almà 42:15). Niaritra ny sazy izay takin’ny fahamarinana noho ny otantsika i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–19; jereo ihany koa ny Almà 42:24–25). Tamin’ny alalan’io sorona io no nanehoan’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany ny fitiavany antsika izay tsy manam-petra (jereo ny Jaona 3:16).

Rehefa mampihatra “finoana ho amin’ny fibebahana” isika dia mamela antsika ny Ray any An-danitra, manome famindram-po amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (Almà 34:15; jereo koa ny Alma 42:13). Rehefa voadio sy nahazo famelan-keloka isika dia afaka mandova ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny farany (jereo ny Isaia 1:18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42).

Ny fibebahana dia tsy vitan’ny hoe fanovana toetra fotsiny. Fialana amin’ny fahotana izany ary fitodihana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mitarika ho amin’ny fiovan’ny fo sy saina izany (jereo ny Môzià 5:2; Almà 5:12–14; Helamàna 15:7). Lasa olom-baovao mihavana amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fibebahana (jereo ny 2 Korintiana 5:17–18; Môzià 27:25–26).

Ny fahafahana mibebaka dia isan’ireo fitahiana lehibe indrindra nomen’ny Ray any An-danitra antsika tamin’ny alalan’ny fanomezana ny Zanany.

32.2

Ireo tanjon’ny famerana ny zo maha-mpikambana na ny fialana tsy ho mpikambana intsony

Rehefa manao fahotana goavana ny mpikambana iray dia manampy azy hibebaka ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Ao anatin’io dingana io dia mety ho mila mametra ny tombontsoa manokana sasany ananan’ny olona iray amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy izy mandritra ny fotoana voafetra. Amin’ny toe-javatra sasany dia mety ho mila manala ny olona iray tsy ho mpikambana izy amin’ny fotoana voafetra.

Ny famerana ireo zo na ny fanesorana tsy ho mpikambana ny olona iray dia tsy natao hanasaziana. Fa ilaina kosa ny fandraisana ireo fepetra ireo indraindray mba hanampiana ny olona iray hibebaka sy hiaina fiovam-po. Manome fotoana ny olona iray hiomana ara-panahy ihany koa izany mba hanavaozany sy hitandremany indray ireo fanekempihavanana nataony.

Ireto manaraka ireto ireo tanjona telo amin’ny famerana ireo zo na ny fanesorana tsy ho mpikambana.

32.2.1

Manampy amin’ny fiarovana ny hafa

Ny tanjona voalohany dia ny manampy amin’ny fiarovana ny hafa. Indraindray ny olona iray dia manao zavatra miteraka loza mitatao ara-batana na ara-panahy. Ny fihetsika feno fanararaotana, ny fandratrana ara-batana, ny herisetra ara-nofo, ny fidorohana zava-mahadomelona, ny fisolokiana, ary ny apôstazia dia anisan’ny fomba mety hitrangan’izany. Rehefa entanim-panahy ny eveka na ny filohan’ny tsatòka dia mandray andraikitra mba hiarovana ny hafa rehefa misy olona miteraka loza amin’ireo fomba ireo na fomba hafa mampidi-doza (jereo ny Almà 5:59–60).

32.2.2

Manampy olona iray handray ny hery manavotr’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fibebahana

Ny tanjona faharoa dia ny hanampy olona iray handray ny hery manavotr’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fibebahana. Amin’ny alalan’io dingana io dia mety ho lasa madio sy mendrika ny handray ireo fitahian’ Andriamanitra rehetra indray izy.

32.2.3

Miaro ny hasin’ny Fiangonana

Ny tanjona fahatelo dia ny hiaro ny hasin’ny Fiangonana. Ny famerana ireo zo na ny fanesorana tsy ho mpikamban’ny Fiangonana ny olona iray dia mety hilaina rehefa tena manimba ny Fiangonana ny fitondrantenany (jereo ny Almà 39:11). Tsy amin’ny alalan’ny fanafenana na fanamaivanana ny fahotana no hiarovana ny hasin’ny Fiangonana, fa amin’ny fandraisana andraikitra ny amin’izany.

32.3

Ny andraikitry ny mpitsara ao Isiraely

Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia nantsoina sy natokana mba ho mpitsara ao Isiraely (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:72–74). Mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana izy ireo mba hisoloana tena ny Tompo amin’ny fanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana hibebaka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 107:16–18).

Matetika ny eveka na ny filohan’ny tsatòka no manampy amin’ny fibebahana amin’ny alalan’ny fanomezana torohevitra manokana. Izany fanampiana izany dia mety ahitana ny famerana tsotsotra ireo tombontsoa manokana sasany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana mandritra ny fotoana voafetra.

Ho an’ireo fahotana goavana sasany, dia manampy amin’ny fibebahana ireo mpitarika amin’ny alalan’ny fanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana (jereo ny 32.6). Izany fanampiana izany dia mety ahitana ny famerana amin’ny fomba ôfisialy ireo tombontsoa manokana sasany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana na fanesorana ny olona iray tsy ho mpikambana mandritra ny fotoana voafetra.

Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia maneho fitiavana sy firaharahiana rehefa manampy ny mpikambana hibebaka. Tari-dalana tsara harahina amin’izany ny fifampiresahan’ny Mpamonjy tamin’ilay vehivavy tratra nijangajanga (jereo ny Jaona 8:3–11). Na dia tsy niteny aza Izy hoe voavela ny fahotan’ilay vehivavy, dia tsy nanameloka azy Izy. Fa nilaza taminy kosa Izy hoe “aza manota intsony”, mba hibebahany sy hanovany ny fiainany.

Mampianatra ireo mpitarika fa misy “fifaliana … any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka” (Lioka 15:7). Manana faharetana izy ireo ary manohana sy manantena zavatra tsara. Mampisy fanantenana izy ireo. Mampianatra sy mijoro ho vavolombelona izy ireo fa noho ny sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy, dia afaka mibebaka ny rehetra ary lasa madio.

Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka dia mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy mba hahafantatra ny fomba hanampiana ny tsirairay hibebaka. Amin’ireo fahotana goavana ihany ny Fiangonana no manana fenitra natsangana momba ny fepetra tokony horaisin’ireo mpitarika ao (jereo ny 32.6). Samy manana ny fisehony ny toe-javatra tsirairay. Ny torohevitra izay omen’ny mpitarika sy ny dingan’ny fibebahana izay hamorain’izy ireo dia tsy maintsy nentanim-panahy ary mety ho samy hafa ho an’ny olona tsirairay.

6:18

32.4

Fibabohana, fihazonana ny tsiambaratelo, ary fanaovana tatitra amin’ny manampahefana ara-panjakana

32.4.1

Fibabohana

Ny fibebahana dia mitaky ny famborahana ireo fahotana amin’ny Ray any An-danitra. Hoy i Jesoa Kristy: “Izao no ahafantaranareo raha mibebaka amin’ny fahotany ny olona—indro, hibaboka izany izy ary hahafoy izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:43; jereo koa ny Môzià 26:29).

Rehefa manao fahotana goavana ny mpikamban’ny Fiangonana dia tafiditra ao amin’ny fibebahan’izy ireo koa ny fibabohana amin’ny evekany na ny filohan’ny tsatòkany. Amin’izay dia afaka mampiasa ireo fanalahidin’ny filazantsaran’ny fibebahana ho an’izy ireo izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 84:26–27; 107:18, 20). Manampy azy ireo ho sitrana sy hiverina amin’ny lalan’ny filazantsara izany amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Ny tanjon’ny fibabohana dia ny hamporisika ireo mpikambana hanamaivana ny enta-mavesany ka ho afaka hikatsaka tanteraka ny fanampian’ny Tompo hampiova sy hanasitrana azy ireo. Ny fibabohana no manampy tosika amin’ny fiezahana hanana “fo torotoro sy fanahy manenina” (2 Nefia 2:7). Ny fibabohana an-tsitrapo dia maneho fa maniry ny hibebaka ny olona iray.

Rehefa mibaboka fahotana ny mpikambana iray dia manaraka ireo torolalana momba ny fanomezana torohevitra ao amin’ny 32.8 ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Mikatsaka fitarihana ombam-bavaka momba ny karazana filankevitra tsara hanampiana ilay mpikambana hibebaka izy. Dinihiny raha toa ka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana no hanampy. Raha toa ka takin’ny fitsipiky ny Fiangonana ny hanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana, dia hazavainy izany (jereo ny 32.6).

Indraindray dia misy mpikambana nahavita hadisoana tamin’ny vadiny na olon-dehibe hafa. Ao anatin’ny fibebahana, raha ny mahazatra, dia tokony hibaboka amin’izany olona izany izy ary hikatsaka famelan-keloka. Ny tanora izay manao fahotana goavana dia mazàna no amporisihana haka torohevitra amin’ny ray aman-dreniny.

32.4.4

Ny fihazonana ny tsiambaratelo

Ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ary ireo mpanolotsainy dia manana adidy masina ny hiaro ny fampahalalana tsiambaratelo rehetra zaraina amin’izy ireo. Mety ho avy amin’ny dinidinika, fanoroana hevitra, ary fibabohana izany fampahalalana izany. Mihatra amin’ireo rehetra izay tafiditra ao amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ihany koa izany adidy amin’ny fihazonana ny tsiambaratelo izany. Zava-dehibe ny fihazonana ny tsiambaratelo satria mety tsy hibaboka fahotana na hikatsaka tari-dalana ireo mpikambana raha toa ka tsy hazonina ho tsiambaratelo ny zavatra zarain’izy ireo. Ny fivadiham-pitokisana dia manimba ny fatokian’ny mpikambana ka mahatonga azy ireo tsy hanana fatokisana mpitarika intsony.

Araka ny andraikiny amin’ny fihazonana tsiambaratelo dia araka ireto manaraka ireto ihany no ahafahan’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ary ireo mpanolotsainy mizara ny fampahalalana toy izany:

  • Mila mifampiresaka amin’ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna na ny evekan’ilay mpikambana izy momba ny fanaovana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana na zavatra mifandraika amin’izany.

  • Mifindra any amin’ny paroasy vaovao ilay olona (na isaorana amin’ny antsony ilay mpitarika ao amin’ny fisoronana) kanefa misy fandraisana fepetra amin’ny maha-mpikambana na olana goavana eo an-dalam-pamahana.

  • Maheno ny eveka na ny filohan’ny tsatòka fa misy mpikambana mipetraka ivelan’ilay paroasy na tsatòka mety nandray anjara tamin’ilay fahotana goavana.

  • Ilaina ny mampahafantatra ny mombamomba ilay toe-javatra mandritra ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana.

  • Misafidy ny hanome lalana ny mpitarika ny mpikambana iray mba hizara fampahalalana amin’ny olona iray manokana.

  • Mety hilaina ny mizara fampahalalana voafetra momba ny fanapahan-kevitra noraisina tao amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana.

Mba hanampiana ireo mpitarika hiaro ny hafa sy hanaraka ny lalàna dia manolotra fanampiana avy amin’ny matihanina nanaraka fiofanana ny Fiangonana. Raha te hahazo izany tari-dalana izany dia miantso haingana ny laharan-tariby an’ny Fiangonana hanomezana fanampiana momba ny herisetra ny mpitarika any amin’ireo firenena ahafahana miantso izany (jereo ny 38.6.2.1). Raha tsy misy izany dia miresaka amin’ny mpanoro hevitra momba ny lalàna ao amin’ny biraon’ny vondromparitra ny filohan’ny tsatòka.

Amin’ny toe-javatra tokana ihany ny eveka na ny filohan’ny tsatòka no mamoaka tsiambaratelo kanefa tsy maka izany tari-dalana izany mialoha. Izany dia atao rehefa ilaina ny famoahana tsiambaratelo mba hisorohana ny fahavoazana mihatra aman’aina na ratra lehibe ary tsy misy fotoana hikatsahana fitarihana. Amin’ny toe-javatra toy izany dia ny adidy hiaro ny hafa no manan-danja kokoa noho ny adidy amin’ny fihazonana tsiambaratelo. Tokony hifandray avy hatrany amin’ny manampahefana sivily ny mpitarika.

32.6

Halehiben’ny fahotana sy ny lalàn’ny Fiangonana

Ny halehiben’ny fahotana iray dia zava-dehibe tokony hodinihana rehefa hamaritra ny filankevitra izay (1) hanampy hiarovana ny hafa sy (2) hanampiana ny olona iray hibebaka. Nilaza ny Tompo fa Izy dia “tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:31; jereo ihany koa ny Môzià 26:29). Tsy tokony hodian’ireo mpanompony tsy fantatra ny porofon’ny fahotana goavana.

Ny fahotana goavana dia fanitsakitsahana mafy tsotra izao ny lalàn’ Andriamanitra. Voatanisa eto ambany ny sokajin’ireo fahotana goavana.

  • Herisetra sy fanararaotana

  • Fitondrantena maloto

  • Fisolokiana

  • Fivadiham-pitokisana

  • Fihetsika vitsivitsy hafa

Rahoviana no takina na mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

Karazana fahotana

Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

Rahoviana no mety hilana ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

Karazana fahotana

Herisetra sy fanararaotana

Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

  • Vono olona

  • Fanolanana

  • Fanamelohana noho ny fanararaotana ara-nofo

  • Herisetra atao amin’ny zaza na zatovo

  • Fihetsika feno fanararaotana miharo herisetra

Rahoviana no mety hilana ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

  • Fikasana hamono olona

  • Herisetra ara-nofo, tafiditra ao anatin’izany ny fandrahonana sy ny fitakiana firaisana ara-nofo (jereo ny 38.6.18 mikasika ny fotoana itakiana ny hanatanterahana filankevitra)

  • Fanararaotana atao amin’ny vady na olon-dehibe hafa (jereo ny 38.6.2.4 mikasika ny fotoana itakiana ny hanatanterahana filankevitra)

Karazana fahotana

Fitondrantena maloto

Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

  • Firaisana ara-nofo eo amin’ny mpianaka na mpiray tampo

  • Pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy

  • Fampakarana vady maro

  • Fihetsika feno fanaraoraotana ara-nofo

Rahoviana no mety hilana ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

  • Fanitsakitsaham-bady, fijangajangana, fiarahan’ny olon-droa mitovy fananahana, ary izay firaisana ara-nofo hafa rehetra ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, anisan’izany ireo fifaneraserana mifandray amin’ny firaisana ara-nofo amin’ny Internet na an-telefaona

  • Fanaovana tokantranomaso, karazan-jo neken’ny lalàna sy fahazoa-miaraka ho an’ny olon-droa mitovy fananahana, ary fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy

  • Fikirakirana mihoa-pampana na fiankinan-doha amin’ny pôrnôgrafia izay mitondra takaitra goavana amin’ny fanambadiana na ny fianakavian’ny mpikambana iray

Karazana fahotana

Fisolokiana

Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

  • Fihetsika feno fanararaotana amin’ny ara-bola, toy ny fisolokiana na zavatra atao mitovitovy amin’izany (jereo ny 32.6.3.3 raha toa nisy mpikambana voarohirohy tamina fanodinkodinana ny volan’ny Fiangonana na ny fananan’ny Fiangonana)

Rahoviana no mety hilana ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

  • Fanendahana, na famakiana trano, na fangalarana, na fanodinkodinam-bola (jereo ny 32.6.3.3 raha toa nisy mpikambana voarohirohy tamina fanodinkodinana ny volan’ny Fiangonana na ny fananan’ny Fiangonana)

  • Vavolombelona mandainga

Karazana fahotana

Fivadiham-pitokisana

Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

  • Fahotana goavana nandritra ny fihazonana toerana lehibe sy fanta-daza tato amin’ny Fiangonana

Rahoviana no mety hilana ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

  • Fahotana goavana nandritra ny fihazonana toerana manampahefana na hametrahana fitokisana ao amin’ny Fiangonana na eo amin’ny fiarahamonina (jereo ny 32.6.3.3 raha toa nisy mpikambana voarohirohy tamina fanodinkodinana ny volan’ny Fiangonana na ny fananan’ny Fiangonana)

  • Fahotana goavana izay fantatry ny besinimaro

Karazana fahotana

Fihetsika vitsivitsy hafa

Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

  • Ny ankamaroan’ireo heloka bevava

Rahoviana no mety hilana ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

  • Fanalan-jaza (raha tsy hoe mihatra ilay tranga maningana ao amin’ny 38.6.1)

  • Fiverimberenan’ny fanaovana fahotana goavana

  • Fialana an-kitsirano amin’ireo andraikitra ao amin’ny fianakaviana, tafiditra amin’izany ny tsy fandoavana ny vola tokony hikarakarana zanaka sy ny vola tsy maintsy haloa ho an’ny vady taloha

  • Fivarotana zava-mahadomelina tsy ara-dalàna

  • Heloka bevava hafa

32.6.3

Ny fotoana iarahan’ny filohan’ny tsatòka midinika amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra momba ny hoe filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sa fepetra hafa no ilaina raisina

Misy ireo tranga sasany izay ilana fitandremana fanampiny sy fitarihana bebe kokoa. Mba hahafantarana ny fomba tena tsara hanampiana dia tsy maintsy mifandinika amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny filohan’ny tsatòka momba ireo toe-javatra ato amin’ity fizarana ity.

32.6.3.2

Apôstazia

Matetika ny olana avy amin’ny apôstazia dia mipaka any ivelan’ny faritry ny paroasy na tsatòka iray. Mila handraisana fepetra haingana izany mba hiarovana ny hafa.

Mifandinika amin’ny filohan’ny tsatòka ny eveka raha toa ka tsapany fa mety hiteraka apôstazia ny zavatra ataon’ny mpikambana iray.

Araka ny ampiasana azy eto, ny hoe apôstazia dia ilazana ny mpikambana iray izay manao ireto manaraka ireto:

  • Minia mamerimberina manohitra ampahibemaso amin’ny fomba mazava ny Fiangonana, na ny fotopampiarany, na ireo fitsipiny, na ireo mpitarika ao aminy

  • Mikiry mampianatra ho fotopampianarana ny fotopampianarana izay tsy an’ny Fiangonana kanefa efa nahitsin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka

  • Maneho karazana fihetsika fanahy iniana mba hampalemy ny finoana sy ny zavatra ataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana

  • Manohy manaraka ny fampianaran’ireo sekta izay tsy manaiky ny fampianaran’ny Fiangonana kanefa efa nahitsin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka

  • Fidirana ho mpikambana ao amin’ny fiangonana iray hafa amin’ny fomba ôfisialy ary manao fanentanana mikasika ny fampianarany

32.6.3.3

Fanodinkodinana ny volan’ny Fiangonana

Raha toa ka manodinkodina ny volan’ny Fiangonana na mangalatra fananana lafo vidin’ny Fiangonana ny mpikambana iray dia mifampidinika amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny filohan’ny tsatòka momba ny hoe filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sa fepetra hafa no ilaina raisina.