Institiota
Ireo fanontaniana ao amin’ny taranja Vatofehizoro


Ireo fanontaniana ao amin’ny taranja Vatofehizoro

Sary
mpianatra manao fandalinana

Toromarika ho an’ny mpampianatra

Ity Asondroty ny Traikefa amin’ny Fianarana ity dia ho an’ireo mpianatra institiota izay manaraka ny taranja Vatofehizoro. Ity traikefa amin’ny fianarana ity dia ahitana andiam-panontaniana izay fameno manan-danja ho an’ireo vakiteny nampanaovina sy ny fandraisana anjara ao an-dakilasy. Tsy voatery ho lava ny valintenin’ny mpianatra, saingy tokony haneho ny ezaka tsara indrindra avy amin’izy ireo izany. Asaina ireo mpianatra mba hanoratra, hamerina hijery, hanatsara ary hanatitra ny valin’ireo fanontaniana ireo mandritra ny fandaharam-pianarana, ka manampy azy ireo ianao amin’izany. Na dia amporisihina hanoratra ny valinteniny amin’ny fotoana ivelan’ny fampianarana aza ny mpianatra dia azonao atao ny manokana fotoam-pianarana vitsivitsy hanaovana ireo zavatra ireo.

Na dia mila amboarina mba hifanaraka amin’ny fandaharam-potoan’ny tsirairay aza ny maro amin’ireo antsipirian-javatra amin’ny fanatanterahana sy ny fanaraha-maso dia hanampy anao sy ny mpianatrao mba hanana traikefa mahomby ireto dingana manaraka ireto.

  1. Miomana: Mialoha ny hanombohan’ny fandaharam-pianarana dia mametraha daty hanaovana famerenana sy fe-potoana hanateran’ny mpianatra ny valintenin’izy ireo ho an’ny fanontaniana tsirairay. Mety misy mpampianatra sasany maniry ny hanaovana ny famerenana na ny fanaterana ny valinteny rehetra amin’ny andro iray manakaiky ny fiafaran’ny tapa-taona; ny hafa mety hanapa-kevitra ny hanaovana ny famerenana na fanaterana tsirairay ny valinteny amin’ny fotoana samy hafa mandritra ny fandaharam-pianarana. Ataovy izay hahavitanao mampianatra ny lesona ilaina mialoha ny hangatahanao ny mpianatra mba hamaly ireo fanontaniana izay mifandraika amin’izany lesona izany.

  2. Mametraka mazava tsara ny zavatra andrasana: Omeo tahadikan’ny Asondroty ny Traikefa amin’ny Fianarana ireo mpianatra any amin’ny fiandohan’ny fandaharam-pianarana. Makà minitra vitsivitsy hanazavana mazava tsara ny tanjona sy ny zavatra andrasana amin’ity traikefa ity, anisan’izany ireo daty izay hanaovana famerenana ireo lesona sy hanaterana ireo valinteny.

  3. Manara-maso: Ampaherezo sy ampio tsy tapaka ny mpianatra rehetra mandritra ny fandaharam-pianarana rehefa miezaka mba hamita ny Asondroty ny traikefa amin’ny fianarana amin’ireo fotoana voatondro izy ireo.

  4. Manao famerenana: Amin’ireo andro natokanao hanaovana ny famerenana dia asao sy ampahatsiahivo ny mpianatra mba hitondra ny valintenin’izy ireo any am-pianarana. Ny tanjon’ny famerenana dia ny hanampy ny mpianatra hanao tomban’ezaka ny valintenin’izy ireo sy hizara ny zavatra nianarany. Mety hahazo tombontsoa ny mpianatra rehefa miara-mamerina mijery tsiroaroa na ao anatin’ny vondrona kely ny asan’ny tsirairay. Azonao atao manan-danja kokoa ilay famerenana rehefa manasa ireo mpianatra mba hanazava sy hizara ary hijoro ho vavolombelona momba ny zavatra izay nianarany ianao (jereo ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara [2012], 10). Tokony handany 10 ka hatramin’ny 15 minitra isaky ny fanontaniana ianao mandritra ny famerenana. Amporisihina ireo mpianatra mba hanatsara ny valintenin’izy ireo raha ilaina izany mialoha ny hanaterana ny valinteniny farany.

  5. Manatitra ny valinteny: Manatitra ny valintenin’izy ireo any aminao ireo mpianatra amin’ny fiafaran’ny fandaharam-pianarana. Nahavita ny Asondroty ny traikefa amin’ny fianarana ny mpianatra rehefa nanao ezaka araka ny tokony ho izy, arakaraka ny fahitan’ny mpampianatra azy, mba hanoratra sy hanatsara ary hanatitra ny valintenin’izy ireo ho an’ireo fanontaniana rehetra amin’ilay taranja. Raketo ao amin’ny firaketana naoty ao amin’ny WISE ireo izay manatitra ny valinteniny.

Fanamarihana: Ataovy izay hananan’ireo mpianatra manana filàna manokana, na fahasembanana, na olana ara-pahasalamana ny zavatra ilain’izy ireo mba handraisany anjara amin’ity fitsapam-pahaizana ity mitovy amin’izay ataon’ireo mpianatra namany. Mety ho fanaovana printy zavatra nohalehibeazina na fitaovana navadika ho horonampeo ny fanovàna sasany atao mba hahafahan’ny mpianatra mamita ny valinteny miaraka amin’ny fanampian’ny hafa, mba hahafahan’izy ireo manatitra valinteny am-bava fa tsy an-tsoratra, na manonona ny valintenin’izy ireo amin’ny mpitantsoratra na fitaovana fakàna feo iray. Tsidiho ny lds.org/topics/disability mba hahitana ireo fampahafantarana ankapobeny momba ny fanampiana ireo olona manana fahasembanana.

Toromarika ho an’ny mpianatra

Ity Asondroty ny Traikefa amin’ny Fianarana ity dia ahitana fanontaniana maromaro izay fameno manan-danja amin’ny fandraisanao anjara ao am-pianarana sy amin’ny fandalinanao ireo zavatra asaina vakina. Hanampy anao hampitombo bebe kokoa ny fahatakaranao sy ny fampiharanao ny filazantsara ny manao zavatra araka ny valin’ireo fanontaniana ireo mandritra ny fandaharam-pianarana rehefa saintsaininao sy zarainao ny zavatra nianaranao. Vitao ireto dingana manaraka ireto ho an’ny fanontaniana tsirairay:

  1. Manorata valiny mirindra ho an’ny fanontaniana tsirairay ka ampiasao ny teninao manokana. Tohano amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ireo valinteninao. Alaivo antoka fa mendrika ny ho zaraina ny valinteninao.

  2. Avereno jerena ny valinteninao ka ento any am-pianarana izany amin’ny daty (na ireo daty) izay nomen’ny mpampianatra anao.

  3. Hatsarao ny valinteninao araka ilay famerenana natao, raha ilaina izany.

  4. Atero ny valinteninao farany ho an’ny fanontaniana rehetra amin’ny daty (na ireo daty) izay nomen’ny mpampianatra anao.

Tokony hovitaina amin’ny fotoana ivelan’ny fianarana ny valinteninao raha tsy hoe asaina manao ankoatra izany ianao. Raha manana filàna manokana, fahasembanana, na olana ara-pahasalamana ianao dia miresaha amin’ny mpampianatra anao mba hahafahany manisy fanovàna hanampiana anao hahavita ity traikefa ity. Tian’ny mpampianatra anao ianao mba hahomby amin’ity traikefa ity ary vonona izy ny hanampy anao mba ho feno fahombiazana.

Hamoaka printy