Institiota
Diary fandalinana ny taranja


Diary fandalinana ny taranja

Sary
diary sy tablette

Mihazona diary fandalinana ny taranja izay iraketanao tsy tapaka ny zavatra izay ianaranao, sy ny fomba hampiharanao izany, ary ny fomba nanatanjahan’izany ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Hanampy anao hisaintsaina sy hamantatra ireo fitahiana marobe izay noraisinao avy tamin’ Andriamanitra izany. Afaka ny ho loharanom-pitaomam-panahy sy hery ihany koa ilay diary. Rehefa akaiky hifarana ilay taranja dia hanao tatitra amin’ny mpampianatrao ny amin’ny fampiasanao tsy tapaka ny diary fandalinana ny taranja sy ny fomba nitomboan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy noho ny traikefanao ianao.

Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Soraty ao amin’ny toerana azo antoka ireo zavatra manan-danja izay nianaranao avy amin’ny Fanahy. Ho hitanao fa rehefa manoratra ireo fahatsapana sarobidy ianao dia hisy maro kokoa izay ho tonga matetika. Ny fahalalana azonao ihany koa dia ho azonao ampiasaina mandritra ny androm-piainanao manontolo” (Richard G. Scott, “To Acquire Knowledge and the Strength to Use It Wisely,” Ensign, Jona 2002, 32).

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ihany koa dia nanambara ny maha-zava-dehibe ny firaketana an-tsoratra ireo hevitra nentanim-panahy:

Sary
Ny Filoha Henry B. Eyring

“Tara fodiana aho rehefa avy namita andraikitra tany am-piangonana. …

“… Raha vantany vao tonga teo am-baravana aho dia nanako tao an-tsaiko ny hoe … ‘tsy ho anao no nanomezako ireny traikefa ireny. Soraty izany.’

“… Ary rehefa nanao izany aho, dia nahatakatra ilay hafatra reko tao an-tsaiko. Tokony hanoratra aho mba hovakin’ireo zanako, indray andro any aoriana any, mikasika ny nahitako ny tanan’ Andriamanitra nitahy ny fianakaviako. …

“Nanoratra andalana vitsy aho isan’andro nandritra ny taona maro. … Alohan’ny hanoratako, dia misaintsaina izao fanontaniana izao aho: ‘Nahita ny tanan’ Andriamanitra nanampy anay na ny zanakay na ny fianakavianay ve aho androany?’ Rehefa nanao izany foana aho, dia nanomboka nisy zavatra nitranga. …

“Nihoatra noho ny fankasitrahana ny zavatra nitombo tao am-poko. Nitombo ny fijoroana ho vavolombelona. Nanomboka nahazo antoka mihoatra noho ny hatrizay aho fa ny Raintsika any An-danitra dia mihaino sy mamaly vavaka. Nahatsapa fankasitrahana bebe kokoa aho noho ny fanalefahana sy ny fanadiovana ny fon’ny olona avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Ary lasa nahazo toky kokoa aho fa ny Fanahy Masina dia afaka mampahatsiaro antsika ny zavatra rehetra—na dia ireo zavatra izay tsy tsikaritsika na tsy noraharahiantsika aza tamin’ny fotoana nisehoany” (Henry B. Eyring, “O Remember, Remember,” Ensign na Liahona, Nôv. 2007, 66–67).

Ho fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny 1 Nefia 1:1–3; 6:3–6; Almà 37:8–9; 3 Nefia 23:6–13; Mosesy 6:5, 45-46.

Hamoaka printy