Institiota
Fikarakarana ireo mpianatra manana fahasembanana


Fikarakarana ireo mpianatra manana fahasembanana

Sary
mpianatra ao an-dakilasy

Ny tanjon’ny fanaovana fikarakarana manokana amin’ny Asondroty ny Traikefan’ny Fianarana (ATF) dia ny hanomezana fahafahana an’ireo mpianatra manana filàna manokana, na manana fahasembanana na manana olana ara-pahasalamana, handray anjara amin’ireo fitsapam-pahaizana ATF mitovy amin’ny ataon’ireo mpianatra hafa. Ny mpampianatra dia tokony hanao fikarakarana mifanaraka amin’ireo zavatra manokana ilain’ny mpianany, na fahasembanana na olana ara-pahasalamana izay manjo ny mpianany. Ireto misy torolalana izay tsara arahina rehefa mikarakara ny mpianatrao ianao:

  • Jereo ny mpianatra izay mety mila zavatra manokana na manana fahasembanana. Miresaha mitokana miaraka amin’ny mpianatra tsirairay mba hahafantarana ny zavatra ilainy manokana. Mihainoa tsara ary jereo ny lafy tsarany.

  • Miaraha miasa amin’ireo ray aman-dreny sy mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny famolavolana drafitra izay mifanaraka tsara amin’ny zavatra manokana ilain’ilay mpianatra. Na dia azo atao aza ny mandefa ny ATF any an-tranon’ny mpianatra, dia fantaro izay mety ho vesatra aterak’izany ho an’ny ray aman-dreny. Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahitana ny fomba mahomby indrindra hanampiana ireo mpianatra sy ireo ray aman-dreny.

  • Ataovy ny fikarakarana. Tokony hijanona ho tsiambaratelo ny fikarakarana atao amin’ny isam-batan’olona. Tsy ary ho voatanisa avokoa ireo fikarakarana rehetra izay azo atao kanefa ireto kosa misy ohatra amin’izany:

    • Fomba fanazavana: Omeo ny horonampeo mirakitra ilay fitsapam-pahaizana ny mpianatra ATF, ataovy am-bava ny fanazavana ny torolalana sy ny fitsapam-pahaizana ATF, na omeo ilay bokikely misy ny fitsapam-pahaizana ATF amin’ny tarehintsoratra vaventy ny mpianatra.

    • Valiny: Avelao ny mpianatra hilaza am-bava ny valim-panontaniany amin’ny ATF, na avelao hotononina amin’ny mpitantsoratra iray na raketina amin’ny fandraisam-peo iray ny valim-panontaniana.

  • Sorohy ny fikarakarana izay manova na mampihena ny zavatra antenaina amin’ny fianaran’ny mpianatra.

  • Manàna fitiavana tahaka ny an’i Kristy ho an’ny mpianatra tsirairay avy, ary araho ny bitsiky ny Fanahy eo am-panaovanao ny fikarakarana mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra.

  • Tsidiho ny lds.org/topics/disability mba hahitana ireo fampahafantarana ankapobeny fanampiny momba ny fanampiana ireo olona manana fahasembanana.

Hamoaka printy