Institiota
I Jesoa Kristy sy ny filazantsara maharitra mandrakizay (Fianarana ny filazantsara faha-250)


I Jesoa Kristy sy ny filazantsara maharitra mandrakizay (Fianarana ny filazantsara faha-250)

Jesoa Kristy

Fanontaniana

  1. Inona no azoko ianarana avy amin’ny Mpamonjy momba ny fankatoavana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra?

    Tokony hahitana ireto ny valinteninao:

    • Ireo fampianarana na ohatra avy amin’ny asa fanompoana mandrakizay nataon’ny Mpamonjy izay maneho ny fankatoavany ny Ray any An-danitra.

    • Ny fomba ifandraisan’ny fankatoavan’i Jesoa ny Ray any An-danitra sy ny maha-mpianatra anao manokana.

    • Ny antony maha-zava-dehibe aminao ny ohatry ny fankatoavana nasehon’ny Mpamonjy sy ny fomba anampiany anao hanao ireo dingana ilainao mba hampatanjaka bebe kokoa ny maha-mpianatra anao.

    • Ny fomba ahafahan’ny ohatry ny fankatoavana nasehon’ny Mpamonjy manampy anao mba hankatò ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.

  2. Nahoana aho no mila ny Mpamonjy?

    Tokony hahitana ireto ny valinteninao:

    • Ireo sakana lehibe indrindra izay tsy maintsy resentsika noho ny toetry ny fahalavoantsika.

    • Ny fomba hahafahan’ireo anjara asa isan-karazany nosahanin’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany mandrakizay manampy ireo zanaky ny Ray any An-danitra mba handresy ireo sakana ireo.

    • Ny zavatra tokony hataontsika mba hanekena sy hanasana ny fanampian’ny Mpamonjy.

    • Fomba iray farafahakeliny izay nahatsapanao ny fanampiana masin’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainanao tamin’ny fandresena ny olana sy ny sakana.

  3. Inona ny zavatra nianarako tato amin’ity fandaharam-pianarana ity momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsara maharitra mandrakizay ka nitahy ny fiainako?

    Afaka mifototra amin’ireo hevitra na mampifandray ireo hevitra avy amin’ireo valinteninao teo aloha ianao na manoratra lohahevitra vaovao.

    • Lazao ao anatin’ny fehezan-teny iray na roa ny fotopampianarana izay nianaranao.

    • Hazavao amin’ny fampiasana ohatra avy ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany io fotopampianarana io.

    • Zarao ny fomba nitahian’ny fampianarana, na ny ohatra, na ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny fiainanao.

    • Soraty ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny zavatra nianaranao mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsara maharitra mandrakizay.

Ireo hevi-baventy ao amin’ny fotopampianarana

Ireto fampahafantarana manaraka ireto dia nangonina avy tamin’ny fampiasana ireo hevi-baventy hita ao anatin’ireo lesona ao amin’ity fandaharam-pianarana ity. Ny tarehimarika ao anaty fononteny izay manaraka ireo teny nindramina dia manondro ny laharan’ny lesona ao amin’ny Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: I Jesoa Kristy sy ny Filazantsara maharitra Mandrakizay (2015) izay afaka ahitana ilay teny nambara. Ampitahao amin’izao fampahalalana eto ambany izao ny valinteninao. Raha toa ka misy hevi-baventy ao amin’ny fotopampianarana avy amin’ity famerenana ity izay tsy nampidirinao tao amin’ny valinteninao dia hatsarao aloha ny valinteninao mialoha ny hanaterana izany. Tsy voatery handika ara-bakiteny ity fampahalalana ity ao amin’ny valinteninao ianao fa ataovy fotsiny izay hahatakaranao ireto fotopampianarana ireto ka ampitao izany fahatakarana izany. Koa satria mitaky valiny mahakasika ny tena manokana ny fanontaniana faha-3 dia tsy misy hevi-baventy ho an’izany fanontaniana izany.

  1. Inona no azoko ianarana avy amin’ny Mpamonjy momba ny fankatoavana ny sitrapon’ny Ray?

    Ireo fampianarana na ohatra avy amin’ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy izay maneho ny fankatoavany ny Ray any An-danitra:

    • “Voafidy hatrany am-boalohany indrindra i Jehovah. Ny antony iray naha-voafidy an’i Jehovah dia noho Izy nikatsaka ny hanao ny sitrapon’ny Ray sy hanome ny voninahitra rehetra ho an’ny Ray” (2).

    • “Na dia tsy nanam-pahotana aza [i Jesoa Kristy] dia natao batisa mba hanatanterahana ny fahamarinana rehetra” (8; “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Ensign na Liahona, Apr. 2000, 2).

    • “Ny drafitry ny famonjena dia nitaky an’i Jesoa mba ho mpankatò tanteraka mba hahafahany manatanteraka ny Sorompanavotana” (9).

    • “Tsy manao na inona na inona ho ahy Aho; fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy … ; satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva” (Jaona 8:28–29).

    Ny fomba ifandraisan’ny fankatoavan’i Jesoa ny Ray amin’ny maha-mpianatra anao manokana:

    • “Tahaka ny Mpamonjy, isika ihany koa dia manatanteraka fahamarinana rehefa manaiky ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ilay filazantsara mandrakizay” (8).

    • “Ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy dia mitaky fankatoavana sy fahafoizan-tena. … Ny maha mpianatra dia mitaky ny fahavononantsika tsy tapaka ny hahafoy ny zava-drehetra ka hanaraka an’i Jesoa Kristy” (10).

    • “Afaka mahazo hery isika handresena ny fakampanahy sy ho mpankatò rehefa manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy amin’ny fikatsahana ny hanao ny sitrapon’ny Ray fa tsy ny sitrapontsika manokana” (9).

  2. Nahoana aho no mila ny Mpamonjy?

    Ireo sakana lehibe indrindra izay tsy maintsy resentsika noho ny toetry ny fahalavoantsika:

    • “Samy miaina ny fahafatesana ara-panahy daholo isika, satria tsy eo anatrehan’ Andriamanitra, ary samy mandalo ny fahafatesana ara-batana isika, izay fahafatesan’ny vatantsika (jereo ny Alma 42:6–9; F&F 29:41–42)” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 15).

    • “Ao anatin’ny toetry ny fahalavoantsika dia miatrika fanoherana sy fakam-panahy isika. Rehefa manaiky ho azon’ny fakam-panahy isika dia manalavitra ny tenantsika amin’ Andriamanitra (jereo ny Romana 3:23)” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara, 15).

    Ny fomba hahafahan’ireo anjara asa isan-karazany nosahanin’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany mandrakizay manampy ireo zanaky ny Ray any An-danitra mba handresy ireo sakana ireo:

    • “Nahary ny tany i Jehovah mba hanomanana toerana hahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra miaina sy mivoatra mankamin’ny fiainana mandrakizay” (4).

    • “Amin’ny maha Zanaka Lahitokan’ny Ray ao amin’ny nofo an’i Jesoa Kristy dia afaka nanatanteraka ny Sorompanavotana Izy, izay nitaky Azy mba hiaritra mihoatra noho izay azon’ny olombelona mety maty zakaina, ary amin’izany no nanatontosany ny anjara asany tao amin’ny drafitry ny Ray” (7).

    • “Afaka mahazo fampiononana sy hery amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika mba hiaritra ‘fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany’ noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (Alma 7:11)” (16).

    • “Noho ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty ny olona rehetra izay teraka teto an-tany” ka hoentina miverina eo anatrehan’ Andriamanitra mba hotsaraina (19).

    • “Nandamina ny asa famonjena ho an’ny maty i Jesoa raha mbola tao amin’ny tontolon’ny fanahy” (18).

    • “I Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray” (24).

    • “Hitsara antsika araka ny teny sy ny eritreritra sy ny asa ary ny fanirin’ ny fontsika ny Mpamonjy” (26).

    Ny zavatra tokony hataontsika mba hanekena sy hanasana ny fanampian’ny Mpamponjy:

    • “Afaka mandresy an’i Satana isika amin’ny fianteherana amin’i Jesoa Kristy izay nanatanteraka ny Sorompanavotana sy amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona ary ny fijanonana ho marina amin’izany tenivavolombelontsika izany” (3).

    • “Hahazo fitahiana lehibe kokoa isika any amin’ny mandrakizay rehefa misafidy ny hametraka ny Mpamonjy ho ivon’ny fiainantsika mandritra ity fiainana an-tany ity” (2).

    • “Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ombam-bavaka sy amin’ny fanahy mibebaka isika dia afaka mahazo famelan-keloka, tahaka ny tamin’ny fotoana nanaovana batisa antsika” (15).

    • “Rehefa manaiky an’i Jesoa Kristy ka manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana mba hankatò ireo didin’ Andriamanitra isika dia lasa ateraka ho zanakalahy sy zanakavavin’i Kristy” (24).