Fanampiana amin’ny Ankizy sy Zatovo
Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany


“Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” Ankizy sy zatovo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany: Torolalana enti-mampiditra ho an’ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika (2019)

“Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany”

Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ry rahalahy sy anabavy malalanay,

Zanakalahy sy zanakavavy malalan’Andriamanitra ireo ankizy sy zatovon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Manana fahafahana ny ho lasa hery mitarika lehibe eo amin’izao tontolo izy ireo.

Ireo fitsipika ampianarina ato anatin’ity ezaka atao ho an’ny ankizy sy ny zatovo ity dia maneho fomba ambony sy masina kokoa entina mamporisika ny taranaka vao misondrotra mba hanaraka an’i Jesoa Kristy sy hampihatra ny filazantsarany eo amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Io ezaka lehibe io dia hahitana fianarana ny filazantsara, ny fahafahana manao asa fanompoana, ny fampivoarana ny tena manokana, ary fiaraha-mientana mahafinaritra. Manomboka ao an-tokantrano io ezaka atao io. Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny mba hampianatra ireo zanany ao anatin’ny fahazavana sy fahamarinana. Manolotra fanohanana sy fitarihana sarobidy ho an’ny ankizy sy ny zatovo ary ny fianakavian’izy ireo ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Tianay ianareo. Matoky anareo izahay. Mampanantena anareo izahay fa hanohy hitahy sy hanohana anareo ny Ray any An-danitra rehefa mitarika sy manoro lalana ny zanany amim-pinoana ianareo.

Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Sary
ny Mpamonjy

Hamoaka printy