Fanampiana amin’ny Ankizy sy Zatovo
Loharanom-pitaovana hoenti-manampy


“Loharanom-pitaovana hoenti-manampy,” Ankizy sy zatovo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany: Torolalana enti-mampiditra ho an’ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika (2019)

“Loharanom-pitaovana hoenti-manampy”

Loharanom-pitaovana hoenti-manampy

Misy ireo loharanom-pitaovana izay hita ao amin’ny finday sy ny tranonkala, ary vita printy. Azon’ny ray aman-dreny sy ny mpitarika ary ny zatovo jerena ireo fitaovana entina mametraka tanjona, ireo hevitra mikasika ireo tanjona, ireo hevitra mikasika ny asa fanompoana sy fiaraha-mientana any an-tokantrano sy any am-piangonana, ireo torolalana momba ny fiarovana, ary ireo toromarika arahina.

Loharanom-pitaovana

Sary
finday avo lenta (smartphone)

Application mobile: Gospel Living

Ny application mobile Gospel Living (iOS sy Android) dia narafitra mba hanentanana fanahy, hanintona, hahafinaritra ary hanan-danja eo amin’ny fiainana isan’andro. Manohana fiainana mifototra amin’i Kristy izany amin’ny alalan’ny:

  • Votoatiny izay manentana ny fanahy

  • Fampahatsiahivana

  • Hevitra momba ireo fiaraha-mientana

  • Fifandraisana

  • Fanoratana ao anaty diary

  • Tanjon’ny tena manokana

Zahao ao amin’ny Apple app store sy any amin’ny toerana fividianana application ho an’ny Android ny Gospel Living (Church of Jesus Christ).

Sary
zatovo mijery solosaina

Tranonkala: ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org

Ny Children and Youth development website (Tranonkala momba ny fampivoarana ny ankizy sy ny zatovo) dia manolotra loharano mba hanohanana ireo ray aman-dreny, ankizy, zatovo, ary mpitarika.

  • Loharanom-pitaovana ho an’ny ray aman-dreny sy fianakaviana

  • Loharanom-pitaovana sy ohatra momba ny fomba hanohanana sy hankaherezana ny ankizy sy ny zatovo

  • Loharanom-pitaovana momba ny fiaraha-mientan’ny Kilonga

  • Torolalana, ohatra ary hevitra mikasika ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana

  • Ohatra sy hevitra mikasika ny fivoaran’ny tena manokana (tanjona)

  • Loharanom-pitaovana ho an’ny fiofanana ataon’ny fiadidian’ny kilasy sy ny kôlejy

  • Fitaovana vita printy amin’ny endrika azo sintonina

Hisintona: Fampivoarana ny ankizy sy ny zatovo

Raha ilaina dia misy ireo kiboky vita printy mba hanohanana ireo fitsipika ao amin’ny Fampivoarana ny ankizy sy ny zatovo sy hanampiana ny ankizy sy ny zatovo hanao drafitra ho an’ny fivoaran’ny tena manokana.

Mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

Sary
Tempolin’i Rome Italie

Rehefa mandroso eo amin’ny dingana manaraka eo amin’ny fiainany ireo zatovo dia hanolotra fahafahana bebe kokoa hahita fifaliana sy fivoarana ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny Loholona sy ny eo am-piarahan’izy ireo miasa mba hanatanterahana ny asa famonjena.

Sary
zatovolahy mitsiky

Kôlejin’ny Loholona

Sary
zatovovavy mifamihina

Fikambanana Ifanampiana

Hamoaka printy