Fanampiana amin’ny Ankizy sy Zatovo
Teny fanolorana


“Teny fanolorana,” Ankizy sy zatovo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany: Torolalana enti-mampiditra ho an’ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika (2019)

“Teny Fanolorana”

Teny fanolorana

Ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika izay miara-miasa dia manampy ny ankizy sy ny zatovo mba hanana fiovam-po lalina, sy mba ho tonga mpanara-dia mendrika an’i Jesoa Kristy Tompo, ary mba ho tonga lehilahy sy vehivavy marin-toetra amin’ny alalan’ny:

  • Fianarana ny filazantsara izay mandrisika ny hanaovana fanolorantena manokana.

  • Asa fanompoana sy fiaraha-mientana izay manasoa ny vatana sy ny fanahy.

  • Fivoaran’ny tena manokana izay miteraka fivoarana mahafa-po.

Ireo fitsipi-pitarihana sy andraikitra ankapobeny izay voasoritra ao anatin’ity kiboky ity dia azo amboarina hifanaraka amin’ny zava-misy. Tsy misy hoe fomba iray ihany no ahafahana mampihatra azy ireo. Misy hevitra sy ohatra azo alaina ao amin’ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org. Mikatsaha fitaomam-panahy mba hahafantarana izay tsara indrindra ho an’ny tsirairay (jereo ny “Amboary sy ampifanaraho”).

Ilay taranaka vao misondrotra

Sary
zatovo mitsiky

Ireo mpaminany dia nilaza fa ity taranaka ahitana ankizy sy zatovo ity dia anisan’ireo tsara indrindra izay nalefan’ny Tompo tety ambonin’ny tany (jereo ny Russell M. Nelson, “Fanantenan’i Isiraely,” fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018, 16). Manana fahafahana ny ho lasa hery mitarika lehibe eo amin’izao tontolo izy ireo. Nasaina izy ireo mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafy roan’ny voaly. Ilaina ny fomba ambony sy masina kokoa entina mikarakara sy manompo azy ireo. Ity fomba ity dia hanampy ny ankizy sy ny zatovo:

  • Hahafantatra ny maha-izy azy ireo izay maharitra mandrakizay sy ny tanjon’izy ireo mandrakizay.

  • Hanana fiovam-po lalina amin’i Jesoa Kristy, hitondra ny filazantsara ho ao am-pon’izy ireo ary hanentana azy ireo mba hisafidy ny hanaraka Azy.

  • Hiara-handray anjara ao anatin’ny asa famonjena.

  • Hivoatra manokana miaraka amin’ny fanohanan’ny ray aman-dreny sy mpitarika izay manampy araka izay ilaina.

  • Ho mendrika ny hiditra ny tempoly sy hanana fifaliana maharitra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Rehefa mahazo fanambarana ho an’ny fiainan’izy ireo ny ankizy sy ny zatovo, sy manorina fifandraisana mifantoka amin’ny filazantsara, ary mampiasa ny fahafahana misafidy eo am-pitomboan’izy ireo, dia hahomby izy ireo eo amin’ny fanatanterahana ireo tanjona ireo.

Miezaka manaraka ny Mpamonjy

Fony izy zatovo, i Jesoa Kristy dia nila namantatra ny maha-andriamanitra Azy sy ny asa nanirahana Azy, tahaka ny tsy maintsy ataon’ny zanak’ Andriamanitra tsirairay. “Nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona” Izy (Lioka 2:52). Nitombo tao anatin’ny fitaizana voalanjalanja Izy, ary afaka ny ho toy izany koa ny ankizy rehetra.

Ampio ireo ankizy sy zatovo mba hitondra ny Mpamonjy ho eo amin’ny lafim-piainany rehetra, fa tsy amin’ny andro Sabata fotsiny ihany. Rehefa miezaka ny hametraka an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainan’izy ireo izy ireo dia mampanantena Izy ny handefa ny Fanahy Masina mba ho mpampionona sy mpitarika azy ireo.

Ny tsara indrindra dia hoe manomboka ao an-tokantrano ny fanarahana ny Mpamonjy. Afaka manolotra fanohanana manan-danja ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano

Sary
fianakaviana iray mipetraka eo amin’ny sezalava

Manao drafitra ahitana zavatra iarahan’ny mpianakavy miaina sy fifampiresahana hoentina mampianatra ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy sy manome izay zavatra manokana ilain’ny ankizy tsirairay ny ray aman-dreny. Mitranga izany rehefa miara-miasa sy miara-milalao amin’ny fomba izay mampianatra fahaiza-manao manan-danja, sy manamafy orina ny maha-izy azy, ary manolotra fahafahana hivoatra ny fianakaviana.

Manolora famporisihana hivoatra

  • Mivavaha mba hahazo fitarihana. Fantatry ny Ray any An-danitra ny zanakareo ary hanampy anareo hampianatra azy ireo Izy.

  • Ampio ny zanakareo hikatsaka sy hamantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

  • Manehoa fitiavana ary dokafy matetika ny zanakareo amin’ny ezaka ataony mba hanao zavatra tsara kokoa sy amin’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay hitanareo ao amin’izy ireo.

  • Mitadiava fahafahana manompo ny hafa izay iarahan’ny fianakaviana manao.

Manolora fitarihana

  • Ampio ny zanakao mba hahita ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ny filazantsara eo amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Tariho ny zanakareo ary amporisiho izy ireo mba hametraka tanjona sy drafitra azy ireo manokana.

  • Ampio izy ireo hahita vahaolana avy amin’izy ireo manokana rehefa misy olana.

  • Manolora fanohanana, fanampiana, ary fankaherezana mandritra izany fotoana izany.

Mifampiresaha amin’ireo mpitarika

Mifampiresaha amin’ireo mpampianatra sy mpitarika mba hahafantarana ny fomba ahafahan’izy ireo manohana amin’ny fomba tena tsara ireo zanakareo. Mitandrema mba tsy hamboraka izay mety ho tsiambaratelo amin’ny zanakareo na hanao izay hahamenatra azy ireo.

Tohanan’ny Fiangonana

Manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano (Fianakaviana)

Sary
sary famantarana ny fianarana ny filazantsara
Sary
sary famantarana ny asa fanompoana sy fiaraha-mientana
Sary
sary famantarana ny fivoaran’ny tena manokana

Tohanan’ny Fiangonana (Mpitarika)

Ny anjara asan’ny Fiangonana dia ahitana ny fampianarana ny Filazantsaran’ i Jesoa Kristy sy ny fanohanana ny tokantrano. Manohana ireo ray aman-dreny ireo mpitarika sy ireo mpampianatra amin’ny alalan’ny fanorenana fifandraisana mafy orina sy mifono fikarakarana miaraka amin’ny ankizy sy ny zatovo tompoin’izy ireo.

Miresaha amin’ny ray aman-dreny

  • Mifampiresaha amin’ny fomba tsotra amin’ny ray aman-dreny mba hahafantarana ny fomba hanohanana ny zanak’izy ireo. Zarao ireo toetra tsara tsikaritrareo.

  • Anontanio izay zavatra antenain’izy ireo mba hiainan’ny zanany sy hianaran’ny zanany ao an-dakilasy sy any amin’ireo fiaraha-mientana.

Rehefa mpikambana malaindaina ao amin’ny Fiangonana ny ray aman-dreny dia:

  • Hazavao amin’ny ray aman-dreny ity ezaka atao mba hanohanana ny ankizy sy ny zatovo ity, ary anontanio raha toa ka tian’izy ireo hampidirina ao anatin’izany ny zanak’izy ireo.

  • Anontanio ny ankizy na ny zatovo ny karazana fanohanana tadiavin’izy ireo.

  • Resaho amin’ny filankevitry ny paroasy ny ny fomba hampandraisana anjara araka izay tratra ny ray aman-dreny.

Tohano ny ankizy sy ny zatovo

  • Ampio ny ankizy sy ny zatovo mba hamantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

  • Anontanio azy ireo izay tiany hianarana sy hiainana ao an-dakilasy sy any amin’ireo fiaraha-mientana.

  • Amporisiho izy ireo mba handray anjara amin’ny fanaovana drafitra sy fitarihana ireo fiaraha-mientana.

Fianarana ny filazantsara

Sary
fianakaviana miara-mandalina

Ao an-tokantrano

Ny fandalinana ny soratra masina sy ny vavaka izay ataon’ny tena manokana sy iarahana amin’ny fianakaviana dia hanampy ny ankizy sy ny zatovo hahatsapa sy hamantatra ny fitaoman’ny Fanahy Masina ary hianatra hitia ny Mpamonjy. Amporisihina ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ny tenin’ireo mpaminany velona mba handalinana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Any am-piangonana

Miara-mivory ny ankizy sy ny zatovo mba hianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mianatra ny filazantsara ny ankizy amin’ny alalan’ny fampianarana ao an-dakilasy sy ny fotoana fihirana ho an’ny Kilonga. Mianatra fotopampianarana ny zatovo ao an-dakilasy sy ao amin’ireo kôlejy. Asaina ny ankizy sy ny zatovo mba hizara izay nianaran’izy ireo tany an-tokantrano sy hampihatra ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fanompoana sy ireo fiaraha-mientana

Sary
Mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny Môrmôna Manone Tanana

Ao an-tokantrano

Ny asa fanompoana sy fiaraha-mientana dia manorina fahazarana tsara isan’andro, manamafy orina ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana, mampianatra fahaiza-manao ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro, mamboly toetra tahaka ny an’i Kristy, ary manampy ny ankizy sy ny zatovo hivoatra. Ny asa fanompoana sy fiaraha-mientana ataon’ny fianakaviana dia afaka mifantoka amin’ny zavatra ilain’ny olona tsirairay sy ny fianakaviana ary manolotra fahafahana mba hampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ireo zavatra iainana isan’andro.

Any am-piangonana

Ny asa fanompoana sy fiaraha-mientana atao tsy tapaka dia manolotra fahafahana mba hivondrona, hianatra fahaiza-manao vaovao, hanatanteraka asa sarotra, ary hanorina fifandraisana mifototra amin’ny filazantsara amin’ireo namana sy mpitarika. Ireo fiaraha-mientana ireo dia tokony hanampy ny ankizy sy ny zatovo mba hivoatra ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana, ary ara-pahaizana ary hananao asa fanompoana manan-danja ho an’ny hafa. Ny JustServe (JustServe.org) dia loharano sarobidy momba ireo fahafahana manompo ao amin’ny fiarahamonina.

Ireo fiaraha-mientana mandritra ny andro maromaro ho an’ny zatovo dia ahitana ireo fihaonamben’ny Ry Tanora Mahereza (RTM), ireo fihaonamben’ ny Zatovo, ireo lasy, ary ireo fihaonana hafa. Ireo fiaraha-mientana ireo dia afaka manampy ny zatovo hampiorim-paka ny fanirian’izy ireo hanaraka ny Mpamonjy, hisintona azy ireo hiala amin’ny fahazarana, ary hanampy azy ireo hahita fa izy ireo dia ao anatin’ny vondrona zatovo lehibe kokoa izay manana tanjona tsara itoviana.

Sary
RTM Brésil 2016

Fivoaran’ny tena manokana

Ao an-tokantrano

Ny ankizy sy ny zatovo dia misafidy izay azon’izy ireo atao mba hivoarana sy hianarana mba hanarahana ny Mpamonjy. Afaka manampy azy ireo ny ray aman-dreny mba hamantatra ireo sehatra efa nahitana fivoarana teo amin’izy ireo sy ireo sehatra izay mety mbola ilana fivoarana avy amin’izy reo. Ny zavatra atao rehetra, tafiditra ao anatin’izany ny any am-piangonana, ny fianarana any an-tsekoly, ny finamanana, ny fanatanjahan-tena, ny fanaovana zava-kanto, ny fanaovana asa ary ireo zava-mahaliana hafa an’ny tsirairay dia afaka manampy ny ankizy sy ny zatovo mba hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Any am-piangonana

Mitia sy manompo ny ankizy sy ny zatovo tsirairay ireo mpitarika ary lasa mahafantatra ny zavatra ilainy sy ny zava-mahaliana azy ireo. Amin’ny alalan’ny fifandraisana feno fitiavana, ireo mpitarika dia afaka manolotra fitarihana miavaka sy mahery vaika mba hanohanana sy hamporisihana ny ankizy sy ny zatovo eo amin’ny fivoaran’izy ireo tsirairay.

Ampifanaraho sy amboary

Sary
zatovovavy roa mitsiky

Miavaka ny olona, sy ny fianakaviana, ary ny mpiara-miangona tsirairay. Izay mety amin’ny iray, mety tsy ho mety amin’ny iray hafa. Ataovy izay mandaitra amin’ny fianakavianareo, na ny kilasinareo, na ny kôlejinareo, na ny paroasinareo. Resaho ny momba ireo tombontsoa efa azonao sy ireo olanao, ary mikatsaha fanambarana momba ny fomba hanamboarana ity ezaka atao ity mba hanampiana ny ankizy sy ny zatovo ho tonga amin’ilay fananana hery masina ao anatin’izy ireo.

Ohatra, hiovaova ny fomba hiatrehan’ny ankizy sy ny zatovo ny fivoarany manokana: tokony ho fantarina isaky ny tsirairay ny karazan’ireo tanjona sy ny isany ary ny hatetiny, ary koa ny habetsaky ny fanohanana ilainy. Amboarina mba hanolorana ireo zavatra ilaina ihany koa ireo kilasy sy kôlejy. Ankoatra izany dia mety hiovaova araka ny toe-javatra miseho eo an-toerana ny karazan’ireo fiaraha-mientana sy ny hatetiny.

Hazony ho tsotra izany. Ataovy izay mandaitra.

Fandrisihana sy fankasitrahana

Sary
zazalahy mijoro ao an-dakilasy

Fandrisihana

Lasa marisika ho azy ny ankizy sy ny zatovo rehefa mahatsapa ho tiana izy ireo, sy rehefa mivoatra ary rehefa mahatsapa ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’izy ireo. Rehefa lasa sarotra ho azy ireo ny fiovana sy ny fivoarana, dia amporisiho izy ireo hitady ireo fomba handresena ireo olana ary hanitsy ny drafitra nataon’izy ireo. Ny fifandraisana mafy orina sy feno fahatokiana amin’ny ray aman-dreny sy ireo mpitarika ary ireo namana dia afaka manome tanjaka ho azy ireo mba hanohy hiezaka.

Fankasitrahana

Rehefa mivoatra ny ankizy sy ny zatovo dia derao ny ezaka nataon’izy ireo ary amporisiho izy ireo. Omeo fahafahana hizara ny zavatra nianarany izy ireo, ary ankalazao ny fivoarany. Ankoatra izany, ny ankizy sy ny zatovo dia afaka mahazo zavatra toy ny peratra na meday mba hampahatsiahy azy ireo fa ao anatin’ny vondrona iray maneran-tany izay miezaka ny hanaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo. Rehefa mahatontosa tanjona ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana, ary ara-pahaizana ny ankizy sy ny zatovo, dia afaka mahazo mari-pamantarana hafa izy ireo.

Hamoaka printy