Fanampiana amin’ny Ankizy sy Zatovo
Anjara asa


“Anjara asa,” Ankizy sy zatovo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany: Torolalana enti-mampiditra ho an’ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika (2019)

“Anjara asa”

Anjara asa

Tokantrano sy ray aman-dreny

Sary
fianakaviana miara-mandeha an-tongotra

Inona no anjara asako?

Aoka ianao ho ohatra tsara ho an’ireo zanakao. Ampianaro azy ireo ny fomba hivoarana eo amin’ireo lafiny rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mitadiava fomba hanampiana azy ireo hianatra ny fifaliana avy amin’ny fitandremana fanekempihavanana, fahafantarana talenta vaovao, ary fanaovana zavatra sarotra. Ampio ny fianakavianao mba hanatona bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hiaina ny filazantsara eo amin’ny fiainana andavanandro.

Inona no ataoko?

Avelao ho fantatry ny zanakao fa tena tia azy ireo ianao. Mandraisa anjara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Fantaro ombam-bavaka ny zavatra ilain’izy ireo ary manaova drafitra ahitana fandalinana ny filazantsara sy fiaraha-mientana mba hanomezana ireo zavatra ilaina ireo. Zarao tsy tapaka amin’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Resaho amin’ireo mpitarika ny fomba ahafahan’izy ireo manampy amin’ny fanohanana ny zanakao.

Aiza aho no manomboka?

Tohizo ny fifampiresahana sy ny fihainoana ny zanakao. Mivavaha mba hahafantarana ny fomba ahafahanao manohana azy ireo. Ampio izy ireo hahita sy hanomboka hanao asa eo anatrehan’ireo lafin-javatra ao anatin’ny fianarana izay mahaliana azy ireo. Atombohy na tohizo ny vavaky ny mpianakavy, ny fandalinan’ny ny filazantsara, ny fahafahana manao asa fanompoana, ary ireo fiaraha-mientana mba hanampiana ny zanakao hivoatra.

Ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Kilonga

Sary
fianakaviana miara-milalao

Inona no anjara asako?

Tiavo sy ampatanjaho ireo ankizy. Ampio ny ray aman-dreny amin’ny fanampiana ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo, hahatakatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, hahatsapa sy hamantatra ny fitaoman’ny Fanahy Masina, ary hiomana ny hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina.

Inona no ataoko?

Alaivo antoka fa ny kilasin’ny Kilonga sy ny fotoana fihirana hira dia manampy ny ankizy hahatsapa ny Fanahy, hitombo finoana, ary hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Amin’ny alalan’ireo lafin-javatra hivoarana naroso tao amin’ny Lioka 2:52 izay atao tari-dalana, dia manaova drafitra ahitana asa fanompoana sy fiaraha-mientana mahafinaritra sy mahaliana izay hampiorina ny fijoroana ho vavolombelona, hanamafy orina ireo fianakaviana, ary hanome vahana ny firaisan-kina sy ny fivoaran’ny tena manokana.

Aiza aho no manomboka?

Fantaro ireo ankizy sy ny fianakavian’izy ireo, ary manompoa araka izay zavatra ilain’izy ireo. Amin’ny maha-ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga anao dia anontanio am-bavaka ny fomba ahafahanao manampy ireo mpampianatra, mpitarika hira, ary mpitarika ny fiaraha-mientana ao aminao mba hanampy ny ankizy hanaraka ny Mpamonjy.

Ireo mpitarika ny Zatovovavy

Sary
zatovovavy manoratra

Inona no anjara asako?

Ampio ny ray aman-dreny sy ny episkôpà amin’ny fitarihana sy fitaomana ny zatovovavy mba hahatakatra ny maha-izy azy ireo amin’ny maha-zanakavavin’Andriamanitra azy ireo, sy hiomana amin’ireo fanekempihavanana any amin’ny tempoly, ary hanatontosa ireo tanjona masin’izy ireo. Omeo torolalana ireo fiadidian’ny kilasy rehefa mitarika, manompo, ary manao asa fanompoana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasiny izy ireo.

Inona no ataoko?

Aoka ianao ho ohatra amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy. Omeo torolalana ireo fiadidian’ny kilasy eo am-pandrafetan’izy ireo ombam-bavaka ireo lesona avy ao amin’ny Avia, Hanaraka Ahy—Ho an’ny zatovovavy sy eo am-pitondran’izy ireo fanampiana mba hampianatra izany. Amporisiho izy ireo mba hitarika amin’ny fanaovana drafitra sy fanatanterahana asa fanompoana sy fiaraha-mientana izay hanampy ny zatovovavy hivoatra eo amin’ireo lafiny rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Manolora fanohanana fanampiny ho an’ireo zatovovavy izay mila izany.

Aiza aho no manomboka?

Fantaro tsirairay ireo zatovovavy. Miresaha amin’ireo zatovovavy, sy amin’ny ray aman-drenin’izy ireo, ary amin’ny episkôpà momba ny fomba ahafahanao manohana ny fivoaran’ireo zatovovavy. Mivavaha mba hahafantarana ny fomba ahafahanao manampy ireo fiadidian’ny kilasy ao aminao mba hahomby eo amin’ny antson’izy ireo.

Mpitarika ny zatovolahy

Inona no anjara asako?

Ampio ny ray aman-dreny sy ny episkôpà amin’ny fanomanana ny zatovolahy amin’ny fanendrena ho amin’ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana, amin’ny fanekempihavanana any amin’ny tempoly, sy amin’ny asa fitoriana, ary amin’ireo anjara asa masina. Taomy izy ireo mba hahatakatra ny tanjon’izy ireo sy ny maha-izy azy ireo amin’ny maha-zanakalahin’Andriamanitra azy ireo. Omeo torolalana ireo fiadidian’ny kôlejy rehefa mitarika, manompo, ary manao asa fanompoana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy misy azy izy ireo.

Inona no ataoko?

Aoka ianao ho ohatra amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy. Omeo torolalana ireo fiadidian’ny kôlejy eo am-pandrafetan’izy ireo ombam-bavaka ireo lesona avy ao amin’ny Avia, Hanaraka Ahy—Ho an’ny zatovolahy sy eo am-pitondran’izy ireo fanampiana mba hampianatra izany. Ampio izy ireo hanao drafitra sy hanatanteraka asa fanompoana sy fiaraha-mientana izay hanampy ny zatovolahy hivoatra eo amin’ireo lafiny rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Avelao hitarika izy ireo. Manolora fanohanana fanampiny ho an’ireo zatovolahy izay mila izany.

Aiza aho no manomboka?

Manokàna fotoana hiarahana amin’ireo zatovolahy. Fantaro tsirairay izy ireo ary tiavo. Miresaha amin’ny episkôpà, sy amin’ireo zatovolahy, ary amin’ny ray aman-drenin’izy ireo mba hahafantarana ny fomba ahafahanao manohana azy ireo eo am-pivoaran’izy ireo mba hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy. Mivavaha mba hahafantarana ny fomba ahafahanao manampy ireo fiadidian’ny kôlejy ao aminao mba hahomby eo amin’ny antson’izy ireo.

Ireo mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady

Sary
zatovo mamaky soratra masina

Inona no anjara asako?

Miezaha mba hanampy ny zatovo hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fianarana sy ny fanarahana ny fotopampianarany. Ampianaro ny zatovo mba hahatakatra sy hizara, ary hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Inona no ataoko?

Aoka ianao ho ohatra amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy, ary ampio ny zatovo hanorina ny finoan’izy ireo. Amporisiho izy ireo hamaky ny soratra masina any an-tokantranony: samirery sy miaraka amin’ny fianakaviany . Ampio izy ireo hiomana sy hampianatra ireo fitsipika ara-potopampianarana. Asao izy ireo hampihatra izay nianaran’izy ireo amin’ny fivoaran’ny tenany manokana.

Aiza aho no manomboka?

Miezaha mampianatra tahaka ny nataon’ny Mpamonjy. Fantaro tsirairay ireo zatovo. Mivavaha mba hahafantarana ny fomba ahafahanao manampy azy ireo hivoatra mba hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy. Ampaherezo ireo olona ao amin’ny kilasy sy ny ray aman-drenin’izy ireo eo anatrehan’ny ezaka atao mba hianatra sy hampianatra ny filazantsara any am-piangonana sy any an-tokantranon’izy ireo.

Ny episkôpà sy ireo fiadidian’ny kilasy sy kôlejy

Sary
lehilahy mifandray tanana amin’ny zatovolahy iray

Inona no anjara asan’izy ireo?

Ny episkôpà no fiadidian’ny Fisoronana Aharôna ao amin’ny paroasy ary tompon’andraikitra amin’ny zatovovavy sy zatovolahy. Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia miasa miaraka amin’ny fanalahidy izay omena rehefa atokana ireo filohan’ny kôlejy. Ireo fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy dia miasa eo ambany fahefan’ny fisoronana rehefa voatokan’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà izy ireo.

Inona no ataon’izy ireo?

Ireo fiadidiana dia tokony hiezaka ny ho mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy rehefa manampy ny olona tsirairay ao amin’ny kilasy na kôlejy izy ireo mba hahatsapa ho tiana sy hahita ny fifaliana avy amin’ny fiainana ny filazantsara. Eo ambany fitarihan’ny episkôpà, izy ireo dia mitarika ny kilasy sy ny kôlejy amin’ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafy roa’ny voaly sy mikarakara ireo mila fanampiana.

Aiza izy ireo no manomboka?

Ny fiadidiana dia mianatra ny adidin’izy ireo avy amin’ny Tompo sy avy amin’ireo mpitarika azy ireo. Mivavaka ho an’ny olona ao amin’ny kilasy sy ny kôlejy izy ireo ary mamantatra azy ireo tsirairay. Manohana azy ireo izy ireo eo amin’ny fahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy. Miaraka mifanakalo hevitra izy ireo mikasika ireo lesona, fiaraha-mientana, ary asa fanompoana izay hitahy sy hampatanjaka ny zatovo ary hitondra firaisan-kina ao amin’ny kilasy sy ny kôlejy misy azy ireo.

Hamoaka printy