Seminera
1 Jaona 1–5


1 Jaona 1–5

“Andriamanitra dia fitiavana”

Sary
A Hispanic man gives the Savior, Jesus Christ, a hug. Christ is wearing a white robe.

Ahoana no fiantraikan’ny fitiavana teo amin’ny fiainanao? Nahoana isika rehetra no mila mahatsapa fitiavana, indrindra fa ny fitiavan’ Andriamanitra? Nanoratra epistily ho an’ireo Olomasina izay voafitak’ireo fampianaran-diso ny Apôstôly Jaona. Nifantoka tamin’ny fitiavan’ Andriamanitra ny Olomasina sy ny fomba nanehoana izany fitiavana izany tamin’ny alalan’ny asa famonjena izay nataon’i Jesoa Kristy izy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra anao.

Andriamanitra dia …

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny andian-teny hoe “Andriamanitra dia …” Soraty ao ireo fomba maro araka izay azon’ny sainao eritreretina hamenoana araka ny tokony ho izy io fanambarana io. Ohatra, azonao atao ny manoratra hoe “Andriamanitra dia mahalala ny zava-drehetra” na hoe “Andriamanitra dia mahery indrindra.”

Vakio ny 1 Jaona 4:8, 16 , ary tadiavo ireo fomba nimariparitan’i Jaona an’ Andriamanitra.

  • Inona no hitanao?

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no azo lazaina ho fitiavana Andriamanitra?

Iray amin’ireo toetra mampiavaka an’ Andriamanitra dia ny fitiavany antsika. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Tsapanao ve fa tia anao manokana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Nahoana na nahoana no tsia?

  • Mino ve ianao fa fantatr’izy ireo ny fisinao sy ny fahombiazanao ary ireo olana izay atrehanao manokana? Nahoana na nahoana no tsia?

  • Inona avy ireo fomba nanehoan’Izy Ireo na mety hanehoan’Izy Ireo ny fitiavany anao?

Rehefa mandalina ny epistilin’i Jaona ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana izay mety hanampy anao hamaly ireo fanontaniana ireo. Saintsaino ihany koa hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatakarana sy ny fahatsapanao ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao hitondra fiovana eo amin’ny fiainanao.

Ireo fampianaran’i Jaona momba ny fitiavan’ Andriamanitra

Azo inoana fa teo anelanelan’ny taona 80 sy 100 taorian’i JK tany Efesosy, no nanoratan’i Jaona ny epistiliny. Ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana sasany dia nandray finoana avy amin’ny vondrona iray izay antsoina hoe Gnostika. Io vondrona io dia nampianatra fa tsy nanana vatana i Jesoa ary tonga tamin’ny alalan’ny fahalalana manokana fa tsy tamin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy ny famonjena. Nolavin’i Jaona ireo fotopampianarana diso ireo tamin’ny fampianarana lohahevitra manan-danja maromaro, ka anisan’izany ny fomba nanehoan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fitiavany tonga lafatra tamin’ny alalan’ny fiainana izay niainan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny 1 Jaona 1:1–3 ; 3:16 ; 4:9–10).

1. Ataovy izao manaraka izao:

Vakio ny 1 Jaona 4:19 , ary hevero ny hanisy marika ny antony itiavantsika an’ Andriamanitra, araka ny voalazan’i Jaona.

Manaova sarina fo lehibe ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Soraty eo afovoan’ilay fo ny hoe “Fantatro fa tia ahy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy satria …” Asio toerana ampy hanoratana andinin-tsoratra masina sy andian-teny. Saintsaino ny fomba “nitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika tany am-boalohany.”

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Tadiavo ary asio marika ireo andian-teny izay maneho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao. Soraty ao anatin’ilay fo ireo andian-teny ireo miaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina mifandray aminy.

1 Jaona 2:1–2 (Fanamarihana: Ny mpisolovava dia olona iray izay miady ho antsika, mampionona ary manohana antsika. Ny hoe Fampihavanana dia midika hoe sorona fanavotana izay manome fahafaham-po ny fahamarinan’ Andriamanitra.)

1 Jaona 3:5, 16, 22

1 Jaona 4:9–10, 13–19

1 Jaona 5:12–15, 20

Avereno jerena ireo andian-teny sy andinin-tsoratra masina izay nasinao marika sy nosoratanao. Safidio izay andian-teny manan-danja indrindra aminao, ary ataovy ny roa na telo amin’ireto manaraka ireto:

  1. Hazavao ny maha-zava-dehibe ny dikan’io andian-teny nofidinao io.

  2. Raha azo atao, dia milazà zavatra iray izay niainanao ka nahatsapanao ny fitiavan’ny Ray any An-danitra na ny fitiavan’i Jesoa Kristy tamin’izany fomba izany. Azonao atao ihany koa ny mizara ohatra iray avy amin’ny soratra masina, na avy amin’ny horonan-tsarin’ny Fiangonana, na lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. (Mba hahitana ohatra iray, dia jereo ny lahatenin’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe “Mba hahazoako misintona ny olon-drehetra atỳ Amiko” manomboka eo amin’ny 7:32 ka hatramin’ny 9:14.)

    //media.ldscdn.org/webvtt/general-conference/april-2016-general-conference/2016-04-1070-dale-g-renlund-eng.vtt

Fariparito hoe ahoana no nitondrany, na itondrany, na hitondran’ny fahafantarana ny fahamarinan’io andian-teny io fiovana teo na eo amin’ny fiainanao. Hevero ny hanampy fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny fitiavan’ Andriamanitra.

Hevero ny hizara io asa soratra io amin’ireo namana sy ny fianakaviana na amin’ny tamb-jotran-tserasera ihany koa aza.

Saintsaino ny zavatra nianaranao rehefa mamaky ity fanambarana nataon’ny Loholona Robert C. Gay ao amin’ny Fitopololahy momba ny herin’ny fitiavan’ Andriamanitra manaraka ity ianao:

Sary
Former Official Portrait of Elder Robert C. Gay. Photographed in March 2017. Replaced February 2021.

Lehibe noho ny tahotsika, ny ratrantsika, ny fiankinan-dohantsika, ny ahiahintsika, ny fakam-panahy mahazo antsika, ny fahotantsika, ny fianakaviantsika rava, ny harerahan-tsaina sy ny tebitebintsika, ny aretina mitaiza antsika, ny fahantrantsika, ny fanararaotana mahazo antsika, ny fahakiviantsika, ary ny fanirerintsika. Tiany ho fantatry ny rehetra fa tsy misy na inona na inona ary koa na iza na iza tsy azony sitranina sy homena fifaliana maharitra.

(Robert C. Gay, “Mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2018, 99)

  • Inona no manan-danja indrindra aminao ao anatin’ity fanambarana ity? Nahoana?

Mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra

Alaivo sary an-tsaina hoe misy olona izay fantatrao mihevitra fa tsy mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra na tsy nahatsikaritra izany matetika. Eritrereto ny zavatra nianaranao androany sy ireo zavatra niainanao manokana.

  • Inona no azonao zaraina amin’izy ireo izay mety hanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra?

Ao amin’ireo lesona manaraka, dia handalina ny fampianarana fanampiny nataon’i Jaona momba ny fomba hanehoantsika ny fitiavantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao, ka ao anatin’izany ny fitandremana ny didiny sy ny fifankatiavan’ny tsirairay avy.

Katsaho ny fanampian’ny Ray any An-danitra ary henoy sy iaino ireo bitsika avy Aminy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Eritrereto ireo fomba ahafahanao mahazo na mandray ny fitiavan’ Andriamanitra sy ireo fomba ahafahanao mahita ny fitiavany matetika kokoa eo amin’ny fiainanao. Saintsaino hoe mety hitombo ohatra ny ahoana ny fifaliana tsapanao eo amin’ny fiainanao raha manao izany tsy tapaka ianao.

Aiza no hahafahako mianatra bebe kokoa momba ny fitiavan’ Andriamanitra?

Hevero ny handalina ny lahatsoratry ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny Febroary 2003 ao amin’ny Ensign izay mitondra ny lohateny hoe “L’amour divin” (pejy 20–25) mba hahitana hevi-baovao momba ny fitiavan’ Andriamanitra.

Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana sy fahatsapana ny fitiavan’ Andriamanitra mitaona ny fiainantsika?

Fony izy mbola nanompo tao amin’ny Fitopololahy, ny Loholona John H. Groberg dia nanazava hoe:

Sary
Former official portrait of Elder John H. Groberg of the Presidency of the Seventy, 1994. Released from the presidency effective August 15, 2005. Called as Idaho Falls Idaho Temple president effective November 1, 2005. Status changed to emeritus at October 2005 general conference.

Rehefa heniky ny fitiavan’ Andriamanitra isika dia afaka manao sy mahita ary mahatakatra zavatra izay tsy vita na hita na takatsika. Rehefa heniky ny fitiavany dia afaka miaritra fanaintainana isika, afaka mampitony ny tahotra, mamela heloka malalaka, misoroka ny fifandirana, manavao hery, ary mitahy sy manampy ny hafa amin’ny fomba mahagaga eny na dia amin’ny tenantsika aza.

Heniky ny fitiavana izay tsy takatry ny saina i Jesoa Kristy rehefa niaritra ny fanaintainana, ny habibiana ary ny tsy rariny ho antsika. Tamin’ny alalan’ny fitiavany antsika, dia nandresy teo anoloan’ireo sakana tsy azo resena Izy. Tsy mahalala sakana ny fitiavany. Manasa antsika hanaraka Azy sy handray ny fitiavany izay tsy manam-petra Izy mba hahafahantsika mandresy ihany koa manoloana ny fanaintainana sy ny habibiana, ny tsy rariny eto amin’izao tontolo izao ary hanampy sy hamela heloka ary hitahy.

(John H. Groberg, “Le pouvoir de l’amour de Dieu,” Ensign na Liahona, nov. 2004, 11)

Hamoaka printy