Seminera
1 Jaona 2–4; 2 Jaona


1 Jaona 2–4; 2 Jaona

Maneho fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Sary
A women with her hands upward in prayer

Rehefa mahatsapa ho tiana na tia olon-kafa ny olona iray dia matetika miova ny zavatra ataony. I Jaona dia nampianatra fa ny fitiavantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka mandrisika antsika hitandrina ny didin’ Izy Ireo. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ny fomba ahafahanao maneho fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fitandremana ireo didy.

Fiarovana feno fitiavana avy amin’ Andriamanitra

Raha teny amoron-dranomasina tany Aostralia ny Loholona Von G. Keetch (1960–2018) fony izy tao amin’ny Fitopololahy dia nihaona tamina mpanao surf vitsivitsy izay tonga tany nanao dia indray mandeha eo amin’ny fiainany. Nitaraina izy ireo noho ny fisian’ny fefy matevina tao anaty rano, izay nanakana azy ireo tsy hi-surf tamin’ny onja lehibe.

Mba hahitana izay zava-nitranga, dia jereo ilay horonan-tsary hoe “Voatahy sy sambatra ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra” (5:41) manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 0:00 ka hatramin’ny 2:34. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Na vakio ity tantara manaraka ity.

Mitandrina ny didin’ Andriamanitra

Isika rehetra dia samy manana ny antony izay mahatonga antsika hisafidy ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra na tsia. Vakio ireto andininy manaraka ireto, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Apôstôly Jaona izay afaka mandrisika antsika hitandrina azy ireo. Mety hanampy ny mitadidy fa i Jaona dia nanoratra ny epistiliny ho an’ireo mpino izay niatrika fampianaran-diso.

1 Jaona 2:3–6

1 Jaona 3:18–24

2 Jaona 1:6, 8–9

(Mety ilaina ihany koa ny mamaky ny fampianaran’ny Mpamonjy izay hita ao amin’ny Jaona 14:15, 23–24 .)

  • Inona ireo fahamarinana hitanao?

  • Ahoana no mety hampitomboan’ny fahafantarana ireo fahamarinana ireo ny fanirian’ny olona iray hitandrina ny didy?

Nampianatra fahamarinana isan-karazany i Jaona ao amin’ireo andininy ireo. Iray izay mety ho hitanao ao ny hoe arakaraka ny ahafantarantsika sy ny fitiavantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy no hahatonga antsika ho vonona bebe kokoa ny hitandrina ny didin’ Izy Ireo (jereo ny 1 Jaona 1:5–7 ; 2:3–6 ; 2 Jaona 1:6–9).

1. Ataovy ao anaty ny diary fandalinanao ity sahanasa manaraka ity:

Alaivo sary an-tsaina hoe te hanampy ny olona ao amin’ny kilasinao mba hahatsapa ho marisika hitandrina ny didy ny mpampianatra anao ao amin’ny Sekoly Alahady. Mangataka anao izy mba hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto ary hiomana hizara ny eritreritrao ao an-dakilasy:

  • Nahoana no fomba iray hanehoana fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fitandremana ny didy?

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay mandrisika anao hitandrina ny didin’ Izy Ireo? Nahoana no mandrisika anao ny fahafantarana izany?

  • Inona no nianaranao momba Azy Ireo rehefa nitandrina ny didiny ianao?

Ahoana no hanehoanao ny fitiavanao ny Ray any An-danitra?

Jereo ity sary ity ary eritrereto ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra sy ny zavatra tsapan’ Izy Ireo momba anao. Azonao atao koa ny mieritreritra ny zavatra tsapanao momba Azy Ireo.

Sary
A man standing and embracing Christ after being healed.

Na dia mety ho sarotra aza ny maneho ny fitiavantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy satria tsy eto anivontsika ara-batana Izy Ireo, dia afaka maneho ny fitiavantsika Azy Ireo isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didin’ Izy Ireo. Makà fotoana vitsivitsy hisaintsainana ny zavatra tianao hotsaroana na hatao noho ity lesona ity. Ireto manaraka ireto dia fomba vitsivitsy azonao anaovana izany:

  • Manorata fomba iray tianao hahafantarana sy hitiavana kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Eritrereto ireo didy izay efa tandremanao amin’izao fotoana izao sy ny antony itandremanao izany. Diniho hoe voatosiky ny fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ve ianao sa mbola tokony hivoatra amin’izay lafiny iray izay.

  • Fantaro ny didy iray na maromaro izay azonao tandremana tsaratsara kokoa mba hanehoana ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Manaova drafitra momba ny fomba hitandremanao feno kokoa ireo didy ireo.

Ahoana no maha-fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra antsika an’ireo didy?

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nilaza hoe:

Sary
Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Ny didin’ Andriamanitra dia tsy nomena mba hahasorena antsika na hanakana ny fahasambarantsika. Ny mifanohitra amin’izany no marina. Izy ilay nahary sy tia antsika no mahafantatra tanteraka ny fomba tokony hiainantsika mba hahafahana mahazo ny fahasambarana lehibe indrindra. Efa nomeny antsika ireo torolalana izay hiaro antsika mandritra ity dia eto an-tany izay matetika mampidi-doza ity, raha toa ka arahintsika izy ireny. …

… Takany fa rehefa mitandrina ny didy isika dia ho sambatra kokoa, sy hahafapo kokoa, ary ho tsotra kokoa ny fiainantsika. Ho mora zakaina kokoa ireo fanamby sy olana, ary handray ireo fitahiana nampanantenainy isika.

(Thomas S. Monson, “Tandremo ny didy,” Liahona, nôv. 2015, 83)

Ahoana no anehoan’ny fitandremana ny didy ny fitiavako an’ Andriamanitra?

Ny Loholona Von G. Keetch (1960–2018) tao amin’ny Fitopololahy dia nilaza hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Von G. Keetch. Photographed March 2017.

Mampiseho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra isika—ary ny finoantsika Azy—amin’ny alalan’ny fanaovana izay tsara indrindra vitantsika isan’andro mba hanarahana ny lalana izay napetrany ho antsika sy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy izay nomeny antsika. Mampiseho izany finoana sy fitiavana izany indrindra isika ao anatin’ireo toe-javatra izay tsy ahatakarantsika tanteraka ny antony nanomezan’ Andriamanitra ny didy na ny lalana iray manokana izay nolazainy ho alehantsika.

(Von G. Keetch, “Voatahy sy sambatra ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2015, 116)

Ahoana no ahafahako mampitombo ny fitiavako an’ Andriamanitra?

Nanazava ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Mampitombo ny fitiavantsika ny Raintsika any An-danitra isika ary maneho izany fitiavana izany amin’ny fampifanarahana ny eritreritsika sy ny asantsika amin’ny tenin’ Andriamanitra. Ny fitiavany madio dia mitarika sy mamporisika antsika ho lasa madio sy masina kokoa. Manentana antsika handeha amin’ny fahamarinana izany—tsy noho ny tahotra na ny adidy fa noho ny faniriana mafy ny ho tonga tahaka Azy bebe kokoa noho ny fitiavantsika Azy.

(Dieter F. Uchtdorf, “The Love of God,” Liahona, nôv. 2009, 23)

Hamoaka printy