Seminera
Famerenana Fifehezana Fotopampianarana 23


Famerenana Fifehezana Fotopampianarana 23

Takaro ary hazavao

Sary
A young woman studying the scriptures.

Anisan’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hahatakatra ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary ny hahafahanao manazava izany amin’ny fomba fiteninao manokana. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hampitombo ny fahatakaranao sy hanazava ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Testamenta Vaovao.

Mametraka fanontaniana

  • Oviana ianao no nahatsiaro ho feno fankasitrahana fa nametraka fanontaniana tamin’olona iray? (Ohatra, mety hoe nianatra zavatra tamin’ny fametrahana fanontaniana ianao, na nahazo torohevitra sarobidy rehefa avy nitady hevitra tamin’ny namana na ray aman-dreny.)

  • Inona avy ireo antony vitsivitsy maha zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana rehefa mianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza hoe: “Ny fametrahana sy famaliana fanontaniana dia ivon’ny fianarana sy fampianarana rehetra” (“The Lord Will Multiply the Harvest” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 6 Febroary, 1998], 5–6, ao amin’ny Teaching Seminary: Preservice Readings [2004], 98).

Ny fametrahana fanontaniana mikasika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy antsika hahatakatra bebe kokoa izany ary hanasa bebe kokoa ny fanampian’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana–Apokalypsy

1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”

1 Korintiana 11:11

“Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

1 Korintiana 15:20–22

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.

Efesiana 1:10

“Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Efesiana 2:19–20

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

2 Tesaloniana 2:1–3

“Tsy ho avy … ny Fiavian’i Kristy, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”

Jakoba 1:5–6

“Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

Jakoba 2:17–18

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

1 Petera 4:6

“Fa noho izany [no] nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”

Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”

Misafidiana iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 izay tianao ho takatra bebe kokoa. Vakio tsara izany. Fakafakao ireo teny sy andian-teny ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, ka mariho ny zavatra azonao momba ilay andinin-tsoratra masina ary ny fanontaniana mety apetrakao na mety apetraky ny olon-kafa momba ilay andinin-tsoratra masina. Ohatra, zavatra mety hanontanianao momba ny Efesiana 2:19–20 dia ny hoe “Inona no atao hoe vato fehizoro ary nahoana i Jesoa Kristy no ampitahaina amin’izany?” Na mety hanontany tena ianao hoe inona no dikan’ilay andian-teny hoe “mihemotra” ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:1–3 .

Manorata fanontaniana betsaka araka izay azonao atao.

Rehefa avy nanoratra fanontaniana betsaka araka izay azonao atao ianao dia mifidiana fanontaniana vitsivitsy izay heverinao fa manan-danja indrindra ho takarina, ary valio amin’ny fampiasana fitaovana fandalinana soratra masina izay misy izany. Ireo fitaovana ireo dia ahitana ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ny fanamarihana eny ambanin’ny pejy, ny application Médiathèque de l’Évangile, na ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Azonao atao ihany koa ny misafidy ny hampiasa ny fomba fandalinana soratra masina izay nianaranao tamin’ity taona ity, toy ny famakiana ireo andininy manodidina na ny fiezahana hahatakatra ny sahan-kevitry ny soratra masina. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteninao.

Tsarovy fa tsy ny fanontaniana rehetra dia mety ho voavaly mora foana ary mety mitaky fotoana bebe kokoa ary fandalinana sy fisaintsainana ombam-bavaka.

Asao ny namana na olona ao amin’ny fianakavianao hanampy anao hamaly ny fanontanianao. Azonao atao ihany koa ny mamerina ity sahanasa ity amin’ny fampiasana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa izay tianao ho takatra kokoa.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidinao?

  • Ahoana no hanazavanao izany andininy izany amin’ny teninao manokana?

  • Inona no nianaranao momba io andinin-tsoratra masina io tamin’ny alalan’ity sahanasa ity?

  • Manampy antsika hahatakatra inona momba an’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ity andinin-tsoratra masina ity?

Hamoaka printy