Seminera
1 Tesaloniana 4–5


1 Tesaloniana 4–5

Ny fotoana hiverenan’i Kristy eto an-tany

Sary
“Ho avy indray Izy hanapaka sy hanjaka” nataon’i Mary R. Sauer. Midina ety an-tany i Jesoa Kristy amin’ny Fiaviany Fanindroany. Misy lehilahy, vehivavy ary ankizy manodidina azy. Manao akanjo lava miloko mena Izy ary miondrika mijery an’ireo olona miangona.

Inona no fanontaniana na eritreritra tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ianao? Ao amin’ny epistiliny voalohany ho an’ny Tesaloniana, toko 4–5, ny Apôstôly Paoly dia nampianatra ny antsipiriany manan-danja momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany sy ny fomba ahafahantsika miomana ho amin’izany. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ny zavatra hitranga sy ny fomba ahafahanao miomana amin’ny fotoana hiverenan’i Jesoa Kristy eto an-tany.

Ireo fanontaniana momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

Makà fotoana kely hijerena ilay sary any am-piandohan’ny lesona ary eritrereto avy eo ny valin-teninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo zavatra fantatrao momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

  • Inona avy ireo zavatra tsy fantatrao?

Nanana fanontaniana momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ihany koa ireo Olomasina Tesaloniana. Raha miainga avy amin’ny fampianaran’i Paoly ao amin’ireo toko ireo dia mety nanana fanontaniana toy izao izy ireo hoe: “Rahoviana no hitsangana amin’ny maty ireo olon-tiantsika efa nodimandry?,” “Rahoviana no hitranga ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?,” na “Ahoana no ahafahantsika miomana ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?” Angamba efa nanana fanontaniana nitovy tamin’izany ianao. Mamaly ireo fanontaniana ireo ireto sahanasa fandalinana manaraka ireto.

1. Mifidiana farafahakeliny roa amin’ireto sahanasa fandalinana manaraka ireto hovitaina ho an’ny lesona anio. Araho ny torolàlana ho an’ilay sahanasa nosafidinao.

Sahanasa fandalinana 1: Inona no hitranga amin’ny velona sy ny maty amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

Vakio ny 1 Tesaloniana 4:13–18 ka tadiavo ireo hevi-baovao mikasika ny zavatra hitranga amin’ny marina rehefa ho avy indray i Jesoa. Mariho ny fahasamihafana misy eo amin’ny zavatra hitranga amin’ireo izay efa maty sy ireo izay mbola velona amin’ny Fiaviana Fanindroany. (Ny teny hoe “modimandry” sy “nodimandry” ao amin’ireo andininy ireo dia ilazana ireo izay efa maty.) Mety hanampy ny mamaky ny Dikanteny Joseph Smith an’ny 1 Tesaloniana 4:15, 17    .

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tao amin’ireo andininy ireo?

Manaraka izany dia vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:96–98, ka tadiavo ireo hevi-baovao fanampiny momba ireo zava-nitranga ireo. (Afaka mamaky ny andininy 99–101) mba hianarana mikasika ny zavatra hitranga amin’ireo izay tsy nanaiky an’i Jesoa Kristy teto amin’ity fiainana ity ianao.)

  • Inona no hevi-baovao fanampiny azonao?

Fahamarinana iray mety ho hitanao ny hoe hitsangana amin’ny maty ireo Olomasina nahatoky izay maty mialoha ny Fiaviana Fanindroany rehefa ho tonga indray i Kristy.

Ny teny hoe “nakarina” (1 Tesaloniana 4:17) dia entina ilazana ireo marina hiara-dia mba hihaona amin’ny Mpamonjy amin’ny fiaviany. Kristiana maro no mampiasa ny teny hoe fampiakarana (avy amin’ny teny Latina midika hoe “nakarina”) rehefa miresaka an’io fotoana io.

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara izao manaraka izao momba io fotoana masina io:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, aogositra 2010.

Tsy misy zavatra manosika ahy hiresaka an’i Kristy mihoatra noho ny fakana sary an-tsaina ny fiverenany. Na dia tsy fantatsika aza hoe rahoviana Izy no ho tonga, dia ho mahavariana tokoa ny zavatra hitranga amin’ny fiverenany! Ho avy eo amin’ny rahon’ny lanitra amin’ny halehibeny sy ny voninahitra Izy miaraka amin’ny anjeliny masina rehetra. Tsy anjely vitsy fotsiny fa ny anjeliny masina rehetra. Tsy ireo kerobima mena takolaka nataon’i Raphael sary hosodoko hita amin’ireny karatra firarian-tsoa amin’ny fetin’ny mpifankatia ireny no resahina eto. Ireo no anjelin’ny taonjato maro, ny anjely nalefa hanakombona ny vavan’ny liona, hamoha ny varavaran’ny trano-maizina, hanambara ny fahaterahany izay efa nandrasana hatry ny ela, hampahery Azy tao Getsemane, hanome toky ireo mpianatra tamin’ny fiakarany tany an-danitra, ary hanokatra ilay Famerenana amin’ny laoniny tamim-boninahitra ny filazantsara.

Azonareo sary an-tsaina ve ny hoe hakarina hitsena Azy, na eto amin’ity lafiny ity na any amin’ny lafiny ilan’ny voaly? Izany no fampanantenany ho an’ny olo-marina. Izany traikefa mahatalanjona izany dia hanamarika ny fanahintsika mandrakizay.

(Neil L. Andersen, “Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 91)

Raha nisafidy ity sahanasa fandalinana ity ianao dia raketo an-tsoratra ny valin-teninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

Makà fotoana kely hieritreretana hoe mety ho toy ny ahoana ny ho anisan’ireo marina amin’ny fiavian’ny Mpamonjy.

  • Inona no eritreritra na fahatsapana mety hanananao amin’io andro io? Inona no zavatra tsapanao rehefa mahafantatra fa tian’ny Mpamonjy ianao hiara-dia Aminy rehefa ho avy Izy? Inona no fiantraikan’ny fakana sary an-tsaina io andro ho avy io aminao ankehitriny?

Ao amin’ny 1 Tesaloniana 4:18 i Paoly dia namporisika ny Olomasina mba “hifampionona amin’ireo teny ireo.”

  • Ahoana no anomezan’ny fampianaran’i Paoly fampiononana anao? Ahoana no ahafahan’izany manome fampiononana amin’ny toe-javatra ho avy mety hatrehinao?

Sahanasa fandalinana 2: Rahoviana no hitranga ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

Efa nanontany tena ve ianao hoe rahoviana no hitranga ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany na raha ho vonona ianao? Azo inoana fa nanana ireo fanontaniana ireo ihany koa ireo Olomasina Tesaloniana.

Vakio ny 1 Tesaloniana 5:1–3 ary tadiavo ireo fanoharana nampiasain’i Paoly mba hamaritana ny fotoana hiverenan’i Jesoa eto an-tany.

  • Inona no hitanao?

  • Inona no ampianarin’ny fanoharana nataon’i Paoly momba ny mpangalatra amin’ny alina sy ny vehivavy mihetsi-jaza mikasika ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?

Vakio ny 1 Tesaloniana 5:4–6 ary tadiavo ireo fahamarinana nampianarin’i Paoly momba ny fiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany. Ampitahao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106:4–5 ireo fampianarana ireo.

  • Inona no hevi-baovao azonao?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’i Paoly ny hoe raha miezaka ny ho “zanaky ny mazava” isika amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy dia ho vonona isika rehefa ho avy indray Izy.

Raha nisafidy an’io sahanasa fandalinana io ianao, dia raketo an-tsoratra ny lisitra ataonao araka ny toromarika ao amin’ny andiam-pehezan-teny manaraka.

Raha te hianatra bebe kokoa momba ireo fomba samihafa hanasan’ny Tompo antsika ho tonga zanaky ny mazava dia vakio ny 3 Nefia 18:24; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25; 88:67–68. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra hitanao izay manampy anao hahatakatra ny fomba hahatongavana ho zanaky ny mazava.

  • Ahoana no hanasanao ny fahazavan’ny Tompo eo amin’ny fiainanao? Ahoana no ahafahanao manasa bebe kokoa ny fahazavany ho eo amin’ny fiainanao?

Sahanasa fandalinana 3: Ahoana no ahafahantsika miomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

Nofaranan’i Paoly ny epistiliny voalohany ho an’ny Tesaloniana tamin’ny alalan’ny fizarana torohevitra momba ny fomba ahafahan’ny Olomasina miomana tsara kokoa hihaona amin’ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Vakio ny 1 Tesaloniana 5:14–22 ary jereo hoe inona no hevi-baovao azonao momba ny fiomanana. Misokafa amin’ny hevitra mety hanampy anao manokana momba ny fampianarana.

Raha nisafidy ity sahanasa fandalinana ity ianao dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto ary raketo an-tsoratra ny andinin-tsoratra masina mifandray izay nosafidinao.

  • Inona amin’ireo fampianarana ireo no tena manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

Mitadiava soratra masina iray na roa izay manampy amin’ny fanamafisana ny fahatakaranao ny fampianarana nosafidinao. (Azonao atao ny mampiasa fanamarihana ambany pejy na mikaroka lohahevitra iray ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina .

  • Ahoana no nanampian’i Jesoa Kristy anao, na ahoana no hanampiany anao ho vonona amin’ny Fiaviany Fanindroany? Inona no azontsika hianarana momba Azy avy amin’izany?

Saintsaino ireo fahamarinana nianaranao androany sy ireo zavatra nataonao izay tsapanao fa nitaona anao ka hanampy anao ho vonona sy ho tsindrin-daona kokoa hihaona amin’ny Mpamonjy indray. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

1 Tesaloniana 5:2. Ahoana no azo ampitahaina amin’ny mpangalatra amin’ny alina ny fotoana Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?

Ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa matetika no tonga “tampoka sy tsy misy fampandrenesana” ny mpangalatra amin’ny alina (Doctrinal New Testament Commentary [1973], 3:54). Milaza ity fanoharana ity fa ho tonga tsy ho ampoizin’ny olona sasany ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

1 Tesaloniana 5:21. Inona no tian’i Paoly holazaina amin’ny hoe “fantaro ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara”?

Nanasa ny Olomasina Tesaloniana i Paoly mba “hamantatra ny zavatra rehetra”—izay midika hoe mandinika na mizaha toetra izany mba hahatakarana raha tsara izy ireo na ratsy—ary “hihazona mafy izay tsara.” Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia tsy ampianarina fotsiny mba hianatra ny filazantsara isika, fa hisaintsaina sy hivavaka ary hahatakatra momba izany amin’ny farany (jereo ny 3 Nefia 17:1–3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–26). Mila mihazona mafy sy mahatoky amin’ny tsara izay vao tonga amin’ny fahatakarantsika isika avy eo.

Hamoaka printy