Seminera
2 Tesaloniana 2


2 Tesaloniana 2

Ny Apôstazia Lehibe

Sary
Vondron’olona iray niaina tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao nivory nanodidina ana lehilahy iray. Mihaino an’ilay lehilahy miresaka ny olona. Ny sary dia maneho ny firoboroboan’ny finoan-diso sy ny apôstazia nitranga tamin’ny fiangonana Kristiana voalohany taorian’ny fahafatesan’ireo apôstôlin’i Jesoa Kristy voalohany.

Mety ho toy ny ahoana ny fiainanao raha tsy nanana ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao? Nampianatra ny Olomasina tany Tesalonika i Paoly fa amin’ny farany ny faharatsian’ny olona dia hiafara amin’ny fialana amin’ny filazantsara (jereo ny 2 Tesaloniana 2:1–7). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba nisehoan’ny Apôstazia tao amin’ny Fiangonana tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao sy ny antony nilàna ny namerenana tamin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy amin’ny andro farany.

Ny Apôstazia Lehibe

Alaovy sary an-tsaina hoe misiônera izay mitory ny filazantsara amin’ny andro voalohany hanaovanao ny asa fitorianao ianao. Mila mampianatra olona momba ny Apôstazia Lehibe ianao.

  • Ahoana no hanazavanao izany amin’izy ireo?

  • Nahoana no mety ho sarotra izany?

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny mahatakatra ny Apôstazia Lehibe sy ny vokatr’izany?

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny fanontaniana anananao momba ny Apôstazia Lehibe na fanontaniana mety hapetraky ny naman’ny Fiangonana. Rehefa mandalina ianao dia katsaho ny fanampian’ny Ray any An-danitra mba hahitana ny valin’ireo fanontaniana ireo.

Naminany momba ny fihemoran’ny Fiangonana i Paoly

Nanana ahiahy maro momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ny Olomasina Tesaloniana ary nihevitra fa mety hitranga tsy ho ela izany. Noresahin’i Paoly tao amin’ny taratasiny ny ahiahin’izy ireo ary nohazavainy fa hisy zavatra hafa hitranga alohan’ny hiavian’i Kristy indray.

2 Tesaloniana 2:1–3 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana.

Vakio ny 2 Tesaloniana 2:1–3 ary tadiavo ireo fahamarinana izay nampianarin’i Paoly momba ny fiomanana amin’ny Fiavian’i Kristy fanindroany. Ampiasao ny torolalana ho an’ny soratra masina mba hanampiana anao hahatakatra ireo tenin’i Paoly.

  • Inona ny zavatra izay nampianarin’i Paoly fa hitranga alohan’ny Fiavian’i Kristy fanindroany?

Io “fihemorana” nofaritan’i Paoly io dia ny Apôstazia Lehibe, izay nitranga taorian’ny nahafatesan’ireo Apostolin’i Jesoa Kristy. Io Apôstazia Lehibe io dia tsy mitovy amin’ny apôstazian’ny tena manokana, izay rehefa mikomy na miala amin’ny fahamarinana ny olona tsirairay (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Apôstazia,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Ahoana no hanehoan’ny tenin’i Paoly ny firaharahian’Andriamanitra sy ny fiahiany ireo Olomasina Tesaloniana?

Ny iray amin’ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ny hoe efa nisy naminany fahiny fa alohan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany dia hisy ny apôstazia avy amin’ny Fiangonany.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny fahatakarana izany fahamarinana izany?

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny antony nitrangan’ny vanim-potoanan’ny apôstazia.

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona M.Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004.

Tian’ny Raintsika any An-danitra daholo ny zanany rehetra, ary tiany ny rehetra hahazo ny fitahiana avy amin’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsy hoe very ilay fahazavana ara-panahy satria nitodi-damosina an’ireo zanany Andriamanitra. Fa misy kosa ny fahamaizinana ara-panahy rehefa mitodi-damosina Aminy daholo ny zanany. Vokatra miseho ho azy noho ny safidy ratsy ataon’ny tsirairay, sy ny fiaraha-monina, ny firenena ary ny sivilizasiôna iray manontolo izany.

(M. Russell Ballard, “Tirer les leçons du passé,” Liahona, May 2009, 32)

  • Inona no hitanao fa manan-danja ao anatin’io teny nambara io? Nahoana?

Satria ny Ray any An-danitra dia mahafantatra ny zava-drehetra (jereo ny 2 Nefia 9:20) dia tsy nahagaga Azy ny Apôstazia Lehibe. Tiany ny zanany rehetra (jereo ny Jaona 3:16) noho izany dia nanome fomba iray handresena io Apôstazia Lehibe io Izy amin’ny alalan’ny Famerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsara (jereo ny Asan’ny Apostoly 3:19–21; Efesiana 1:10).

Ampitomboy ny fahatakaranao ny Apôstazia Lehibe

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny fomba nitrangan’ny Apôstazia Lehibe sy ny antony nilana namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Mpamonjy amin’ny andro farany.

Halalino ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto sy ny fanambarana izay nataon’ny Filoha Russell M. Nelson, ary avy eo dia valio ireo fanontaniana etsy ambany ireo.

  1. 1 Nefia 13:24–28: Hitan’i Nefia tamin’ny fahitana ny zavatra hitranga amin’ireo fahamarinana manan-danja ao amin’ny Baiboly.

  2. Amosa 8:11–12: Naminany momba ny mosary ara-panahy izay hiseho i Amosa.

  3. Asan’ny Apostoly 20:29–30: Nampitandrina i Paoly fa ho voavily hiala amin’ny filazantsara ny mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.

  4. Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:

    Sary
    Sary ôfisialin’i Russell M. Nelson.

    “Satria Andriamanitra feno fitiavana Andriamanitra! Tiany ireo zanany hahafantatra Azy sy i Jesoa Kristy, izay nirahiny! Ary tiany ireo zanany hahazo ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay!

    “Ho an’izany tanjona be voninahitra izany no hampianaran’ireo misiônerantsika mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny. Fantatr’izy ireo fa tany amin’ny 2.000 taona lasa tany ho any dia nanorina ny Fiangonany ny Tompo. Taorian’ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana sy ny fahafatesan’ireo Apôstôliny dia novain’ny olona ny Fiangonany sy ny fotopampianarany. Avy eo taorian’ny haizina ara-panahy nandritra ny taranaka maro sy araka ny faminanian’ireo mpaminany teo aloha,11 dia naverin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny Fiangonana sy ny fampianarany ary ny fahefan’ny fisoronana ao aminy. Noho io Famerenana amin’ny laoniny io dia miverina misy ho an’ny olona rehetra indray ny fahalalana sy ireo ôrdônansy fototra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana. Any aoriana dia io fisandratana io no hahafahan’ny tsirairay amintsika hiara-hitoetra amin’ny fianakaviantsika eo anatrehan’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy mandrakizay!”

    Russell M. Nelson, “Araraoty ilay Onja,” Liahona, mey 2013, 45

Raha mbola manana fanontaniana mikasika ny atao hoe apôstazia ianao, dia hevero ny handalina ny fizarana “Ny Apôstazia lehibe ao amin’ny “Lesona 1: Ny Hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy” ao amin’ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny Misiônera (2019). Azonao atao ihany koa ny mianatra misimisy kokoa momba ireo lohateny ireo amin’ny alalan’ny fijerevana ny “What Is the Restoration [Inona no atao hoe Famerenana amin’ny laoniny]?” (5:13) na ny “Jesus Christ’s Church [Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy]” (1:27), izay afaka hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Inona no atao hoe Famerenana amin’ny laoniny?Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra izay nianaranao momba ny Apôstazia Lehibe?

  • Inona ny zavatra nianaranao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ireo fampianarana ireo?

  • Mifototra tamin’ny zavatra nianaranao, nahoana no nilaina ny Famerenana amin’ny laoniny?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara fanontaniana izay mety nananany sy ny vadiny raha toa ka niaina nandritra ny Apôstazia Lehibe izy ireo: “Inona ny zavatra tsy ampy eto? Inona no rarintsika ho nananantsika? Inona no antenaintsika fa homen’ Andriamanitra noho ny faniriantsika ara-panahy? (“Fanantenana mamirapiratra tonga lafatra,” Liahona, mey 2020, 81). Saintsaino ireo eritreritra sy fahatsapana izay mitovy amin’izany ka mety ho nanananao raha ohatra ka mba niaina tamin’izany fotoana izany ianao.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Mety ho toy ny ahoana ny fiainanao raha tsy nanana ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao?

  • Inona no tena tianao hankasitrahana indrindra momba ny Fiangonan’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny? Nahoana?

  • Inona ny zavatra mba tsapanao fa tian’ny Ray any An-danitra ho fantatrao, ho tsapanao, na hataonao noho ity lesona ity?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao? 

Nahatsikaritra ny Apôstazia ve ny Kristianina niaina talohan’ny Famerenana amin’ny laoniny?

I Martin Luther (1483–1546) dia nampianatra hoe:

Tsy nikatsaka afa-tsy ny hanavao ny Fiangonana hifanaraka amin’ny Soratra Masina aho. … Lazaiko fotsiny fa tsy nisy intsony ny kristianisma teo amin’ireo tokony ho niaro azy.

(Ao amin’ny E. G. Schwiebert, Luther and His Times: The Reformation from a New Perspective [1950], 509)

I Roger Williams (1603–83) izay Amerikana mpitarika Kristiana voalohan-dohany dia nanazava hoe:

Ny apôstazia … dia nanimba ny zava-drehetra hatramin’izao ka tsy misy fitsaharana amin’izany apôstazia izany mandra-panirahan’i Kristy ny Apôstôly vaovao hanangana fiangonana vaovao.

(Ao amin’ny Philip Schaff, The Creeds of Christendom, 3 vols. [1877], 1:851)

Ilay filôzôfa holandey Erasmus (1466–1536) dia nampianatra hoe:

Ny zava-drehetra izao dia voafandriky ireo fanontaniana [momba ny fotopampianarana] ireo sy ireo didy ireo hany ka tsy sahy manantena ny hiantso an’izao tontolo izao hiverina amin’ny Kristianisma marina akory isika.

(The Praise of Folly, fandikan-teny izay nataon’i Clarence H. Miller, 2nd ed. [2003], 155–56)

Iray ihany ve ny Apôstazia?

Nandritra ny fotoana rehetra dia nisy fotoampitantanana maro izay niafara tamin’ny apôstazia. Ny Tompo noho ny famindram-pony dia namerina tamin’ny laoniny ny filazantsarany teto an-tany tamin’ny alalan’ny fiantsoana mpaminany. Mba hianarana bebe kokoa momba io lamina io dia jereo ny “Dispensations: The Pattern of Apostasy and Restoration [Fotoampitantanana: Ny lamin’ny Apôstazia sy ny famerenana amin’ny laoniny]” (6:52), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ahoana no tokony ho fahitantsika ny olona tsara avy amin’ny finoana hafa?

Nanazava toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks nalaina tamin’ny martsa 2018.

Mino izahay fa ny ankamaroan’ny mpitondra fivavahana sy ny mpanara-dia dia mpino tso-po tia an’Andriamanitra sy mahatakatra ary manompo azy araka izay azony atao. Manan-trosa amin’ireo lehilahy sy vehivavy izay nitana ny fahazavan’ny finoana sy ny fianarana ho velona nandritra ny taon-jato maro ka hatramin’izao fotoana izao isika. Tsy maintsy mampifanohitra ny fahazavana kely kokoa izay misy eo amin’ireo olona tsy mahalala ny anaran’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy fotsiny isika mba hahatsapana ny fandraisana anjara lehibe nataon’ireo mpampianatra Kristiana nandritra ny taona maro. Hajaintsika izy izy ireo amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra azy ireo.

(Dallin H. Oaks, “Apostasy and Restoration,” Ensign, May 1995, 85)

Hamoaka printy