Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 2 Tesaloniana 2:1–3


Fifehezana fotopampianarana: 2 Tesaloniana 2:1–3

“Tsy ho avy … ny andron’ Kristy, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana”

Sary
Sarina lehilahy iray eo an-databatra manoratra eo amina horonan-taratasy.

Tao amin’ny lesona izay natao teo aloha dia nianatra ianao fa mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany araka ny faminaniana fahiny, dia hisy ny Apôstazia avy ao amin’ny Fiangonany (jereo ny “2 Tesaloniana 2”). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:1–3 izay manazava ny fotopampianaran’ny Apôstazia, sy mampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra izay tena misy eo amin’ny fiainana.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Ataovy tsianjery ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny 2 Tesaloniana 2:1–3. Fomba iray ahafahana manao izany ny fanaovana ity sahanasa manaraka ity (na fomba iray hafa mitovy amin’izany ihany izay ampiasana ny application Maîtrise de la doctrine):

Soraty ao anaty diary fandalinanao na anatin’ny fitaovana elektrônika ny 2 Tesaloniana 2:1–3: “Tsy ho avy … ny andron’i Kristy, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana”.

Averimbereno mafy na ao an-tsainao ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Manaisora na mamafà andian-teny iray, toy ny hoe “aloha ny fihemorana,” ary andramo fenoina indray ilay andinin-tsoratra masina feno sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Tohizo ny fanaisorana na famafana ireo andian-teny fanampiny ao amin’ny soratra masina mandra-pahafahanao mahay tsianjery ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina iray manontolo.

Mety ho tadidinao fa rehefa nandalina ny 2 Tesaloniana 2 ianao, dia nianatra fa araka ny faminaniana fahiny, mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany dia hisy ny apôstazia avy ao amin’ny Fiangonany.

1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:

Soraty ny fanazavana ny atao hoe Apôstazia Lehibe sy ny antony nahatonga izany. Soraty tahaka ireny hoe manazava ny atao hoe Apôstazia amin’ny ankizy kely iray ireny ianao. Ampiasao ireo fahamarinana avy ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:1–3 ho ampahany amin’ny fanazavanao, ary ampidiro ireo hevi-baovao mikasika ny antony nilaina ny Famerenana amin’ny laoniny feno ny Fiangonan’i Kristy.

Fizarana mampihatra

Rehefa manohy ity lesona ity ianao, dia hanana fahafahana hanampy olona hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy. Mba hahitanao hoe hatraiza ny fahafahanao nitadidy ireo fitsipika ireo, dia andramo ampifandraisina amin’ny fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy izay faritany ireto teny manaraka ireto.

  1. “Ny mpikatsaka marina ny fahamarinana dia tokony ho mailo amin’ireo loharanom-pahalalana izay tsy azo antoka.”

  2. “Matokia an’ Andriamanitra ary miverena aloha Aminy amin’ny alalan’ny fanaovana vavaka amin-kitsim-po sy ny fandalinana ireo fampianarana izay nataony ary indrindra ny fankatoavana ireo didiny.”

  3. “Mieritrereta [fanontaniana] ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ireo fampianarana izay nataon’ny Mpamonjy.”

  1. Manao asa amim-pinoana.

  2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  3. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Ny valin’ny andiam-panontaniana dia hita any amin’ny faran’ny lesona.

Raha mila mamerina mijery bebe kokoa ireo fitsipika ireo ianao dia jereo ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazoa fahalalana ara-panahy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Alaovy sary an-tsaina hoe mandefa hafatra amin’i Nirina namanao ianao, izay mpikambana ao amin’ny fiangonana Kristianina hafa. Nanolo-tena tanteraka ho an’i Jesoa Kristy izy ary mianatra Baiboly matetika. Hoy i Nirina tao amin’ny hafatra izay nalefany ho anao, “Androany ny pasiteranay dia nampianatra fa ny mpikambana ao amin’ny fiangonanareo dia mino fa ny anareo irery ihany hono no fiangonana marina ary ny fiangonana hafa rehetra dia diso avokoa. Marina ve izany? Mahatsiaro ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra aho noho ny fiangonako.i8î Ahoana no tsy naha avy amin’ Andriamanitra an’izany?”

  • Nahoana no mety ho voajanahary amin’ireo mpikambana avy amin’ny fiangonana hafa ny fametrahana fanontaniana toy izany?

  • Ahoana ny fomba tokony hamalianao an’i Nirina amin’ny fomba tahaka izay nataon’i Kristy?

Novalianao ny hafatr’i Nirina, ka nisaoranao izy noho izany fanontaniana mampieritreritra izay napetrany. Nanontany azy ianao raha toa ka mety aminy ny hizaranao ny valinteninao aminy ny ampitson’io, dia nanaiky izy.

2. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

Ampiasao ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy hanomanana ny valin-teny izay harosonao ho an’i Nirina. Ataovy azo antoka fa niasa avokoa ireo fitsipika telo ireo. Ampiasao ireto fanontaniana sy sahanasa manaraka ireto mba hanampy anao hanomana ny valinteninao.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Ahoana ny fomba ahafahanao mampiasa ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:1–3 mba hanampiana an’i Nirina?

Mitadiava andinin-tsoratra masina, na lahateny, na lahatsoratra fanampiny telo farafahakeliny, izay heverinao fa hanampy amin’ity toe-javatra ity. Hevero ny hampiasa ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto:

  1. Vakio ireo teny iditra momba ny “Apôstaziasy ny “Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsara izay hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Ireo teny iditra ireo dia azo jerena ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

  2. Jereo ny teny iditra hoe “Apostasie” ao amin’ny Sujets de l’Évangile (topics.ChurchofJesusChrist.org).

  3. Jereo ireo soratra masina sy fanambarana avy ao amin’ny lesona “2 Tesaloniana 2” na avy ao amin’ny “Lesona 1: Ny Hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy” izay hita ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (2018), 36–54.

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina na loharanom-pahalalana hafa izay hitanao fa afaka manampy anao hamaly an’i Nirina?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona avy ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba tianao hozaraina amin’i Nirina ka afaka manampy azy hahatakatra ny filana ny Famerenana amin’ny laoniny?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona ny zavatra manokana azonao asaina ataon’i Nirina mba hahafahany mianatra ny antony ilana ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Kristy?

  • Inona ny karazana traikefa izay mety ho andrasan’i Nirina raha manao ireo zavatra ireo izy?

  • Inona no maha asa amim-pinoana ny fanasanao azy hanao izany?

Ny valiny marina tamin’ny sahanasa fampifandraisana dia (1) d; (2) a; (3) b.

Hamoaka printy