Seminera
1 Timoty 3:1–7; Titosy 1:6–9


1 Timoty 3:1–7; Titosy 1:6–9

Ny Eveka: Lehilahy “Tsara Laza”

Sary
Mihaona amin’ny evekany ny zatovolahy iray.

Fantatrao ve fa nanao asa fanompoana tao amin’ny Fiangonana ireo eveka tamin’ny andron’i Paoly? Ahoana ny fomba ahafahan’ireo eveka sy ireo filohan’ny sampana mitahy ny fiainanao? Ao amin’ny taratasiny ho an’i Timoty sy i Titosy i Paoly dia nanasongadina ireo fepetra izay tokony harahin’ireo lehilahy izay antsoina ho eveka. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny toetoetran’ny eveka sy ny filohan’ny sampana ary ny fomba ahafahan’ireo mpanompon’ny Tompo ireo manampy anao eo amin’ny fiainanao.

Mitodika amin’iza ianao?

Alaovy sary an-tsaina hoe mitolona olana goavana iray ianao eo amin’ny fiainanao. Mety ho fanapahan-kevitra momba ny hoavinao izany, na fanamby, na fahazaran-dratsy izay manahirana anao ny manova azy.

  • Aiza ianao no mitady tari-dalana rehefa mitolona olana goavana?

  • Iza no iresahanao ary inona ny antony iresahanao aminy?

Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Quentin L. Cook. Nantsoina ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 06 ôktôbra 2007.

Maro aminareo ry zatovo sarobidy no … eo an-tokonan’ireo fanapahan-kevitra manan-danja izay horaisinareo eo amin’ny fiainanareo. Aoka ianareo sady hiresaka amin’ny ray aman-dreninareo no hiresaka amin’ny evekanareo mikasika ireo safidy manan-danja eo anoloanareo. Avelao ny eveka ho namanareo sy mpanolotsaina anareo.

(Quentin L. Cook, “Eveka—Mpiandry ny andian’ondrin’ny Tompo,” Liahona, mey 2021, 60)

Makà fotoana hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Moa ve ianao mandray ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao ho toy ny namana sy mpanolotsaina?

  • Rehefa eo anoloan’ny fanapahan-kevitra manan-danja izay tokony ho raisina iray ianao, na rehefa mila fanampiana ara-panahy, dia ahoana ny fomba hitadiavanao tolo-tsaina avy amin’ny evekanao? Nahoana?

  • Amin’ ny fomba ahoana no ahafahan’ny fitodihana amin’ny fitarihan’ny evekanao na ny filohan’ny sampana izay misy anao manampy anao?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia mitadiava fomba ahafahan’ny eveka na ny filohan’ny sampana manohana anao amin’ireo olana izay sedrainao sy ireo fanapahan-kevitra izay tokony horaisinao, ary ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Nampianatra ny tokony ho teotoetra ananan’ny eveka i Paoly

Ny taratasin’i Paoly izay fantatra amin’ny hoe 1Timoty, 2Timoty, ary Titosy dia matetika antsoina ho epistily pastoraly satria izy ireo dia mirakitra ny torohevitr’i Paoly ho an’ireo mpitandrina, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana (ny hoe mpitandrina dia avy amin’ny teny latina hoe mpiandry ondry). I Timoty sy i Titosy dia namana mahatoky mpiara-manompo amin’i Paoly, izay niara-nanompo taminy tamin’ny fotoana rehetra nandritra ny dia fitoriana ny filazantsara izay nataony. Mpitarika ny Fiangonana tany Efesosy i Timoty tamin’izany, ary tany amin’ny nosy Kreta tany Gresy kosa i Titosy.

Tao anatin’ireo fahamarinana maro izay nampianarin’i Paoly tao amin’ireo epistily nentanim-panahy ireo, dia nitanisa fepetra maromaro izay tokony harahin’ny lehilahy izay nantsoina ho eveka izy. Ny eveka dia lehilahy iray izay notendrena sy natokana ho mpisorona avo mpiahy ny paroasy, na ny sarambabem-bahoaka. Manana andraikitra amin’ny fitantanana ankapobeny ny raharaha ara-nofo sy ara-panahin’ny sarambambem-bahoaka izy. Mitovy amin’izany ihany koa ny andraikitry ny filohan’ny sampana. Ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka iray izay mikatsaka fanambarana no isafidianan’ny Tompo ny eveka. Alohan’ny hiantsoana ny eveka iray dia mila ankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany izy mba ho olona mendrika no sady afaka manompo ihany koa.

Vakio ny 1 Timoty 3:1–7 sy ny Titosy 1:6–9 ary tadiavo ireo fepetra takina amin’ny eveka. Mitadiava telo amin’ireo toetra izay mety hanampy ny eveka na ny filohan’ny sampana hitarika sy hitondra fitahiana eo amin’ny fiainanao.

  • Ahoana ny fomba nanehoan’i Jesoa Kristy ireo toetra ireo? (Hevero ny hampifandray ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny 1 Petera 2:25 izay nilazan’i Petera ny Mpamonjy ho “Mpiandry sy Mpitandrina [na Eveka]n’ny fanahin[tsika].”)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fananan’ny eveka na ny filohan’ny sampana ireo toetra ireo manampy anao tahaka izay nataon’ny Mpamonjy?

  • Ahoana ny fomba mety hamintinanao ny zavatra izay nianaranao momba ny eveka sy ny filohan’ny sampana?

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo toetra tsara tahaka ny an’i Kristy izay hitanao fa ananan’ny evekanao na ny filohan’ny sampana izay misy anao? Amin’ny fomba manao ahoana no nahatonga azy ho fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo noho ny fananany izany toetra izay?

  • Ahoana ny fomba nanampiany na ahafahan’ny eveka manampy anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy hanamafy orina ny finoanao Azy?

Mpiandry ny andian’ondrin’ny Tompo

Hevero ny hanisy marika ireo teny na andian-teny ao amin’ny 1 Timoty 3:2na Titosy 1:7–9 izay maneho ny andraikitra maha mpampianatra ny eveka.

Ny eveka na ny filohan’ny sampana dia afaka mampianatra amin’ny fomba isan-karazany, ka ao anatin’izany ireo fivoriana, fampianarana, dinidinika manokana, ary amin’ny alalan’ny ohatra izay asehony.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana ny fomba nahatonga ny torohevitra na ny torolalana izay nomen’ny eveka na ny filohan’ny sampana ho fitahiana ho anao na ho an’ny olona iray izay fantatrao?

  • Inona avy ireo fomba hafa ikarakaran’ny Tompo sy anampiany antsika amin’ny alalan’ny eveka sy ny filohan’ny sampana?

Afaka manampy antsika hibebaka ny eveka

Niantso ny eveka sy filohan’ny sampana ihany koa ny Tompo mba hanampy sy hitarika antsika amin’ny dingan’ny fibebahana, indrindra raha nanao fahotana goavana isika.

Ny Loholona Scott Grow ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona C. Scott Grow. Sary nalaina tamin’ny martsa 2017.

Amin’ny alalan’ny fanendrena sy ny fiainana amim-pahamarinana, no hananan’ny Eveka zo hahazo fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny, ao anatin’izany ianao.

Afaka manome fanampiana anao ny eveka mandritra ny dingan’ny fibebahana amin’ny fomba tsy azon’ireo ray aman-dreninao na ireo mpitarika hafa omena anao. …

… Amin’ny maha mpanompon’ny Tompo azy, dia ho tsara fanahy sy halemy fanahy aminao izy rehefa mihaino anao. Hanampy anao mandritra ireo dingan’ny fibebahana izy rehefa avy eo. Iraky ny famindram-pon’ny Tompo izy mba hanampy anao ho lasa madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

(C. Scott Grow, “Why and What Do I Need to Confess to My Bishop? [Nahoana aho no mila manao fibabohana any amin’ny evekako ary inona avy ny zavatra ilaiko ibabohana?],” New Era, Oct. 2013, 28–29)

Makà fotoana hanoratana taratasy fohy na mailaka, na hafatra ho an’ny evekanao na ho an’ny filohan’ny sampana izay misy anao. Hevero ny hisaotra azy noho ny fanompoany sy ny fampianarana izay nataony ary indrindra noho ny ohatra izay nasehony. Ampidiro ao anatin’ilay taratasy ireo fomba manokana izay nanampiany anao. Hevero ny hilaza ireo ohatra tahaka ny an’i Kristy izay nasehony ka tsikiaritrao sy nahafinaritra anao. Raha azo atao, dia afaka mangataka ny hihaona aminy ihany koa ianao mba hahazoanao torohevitra avy aminy manoloana ny fanapahan-kevitra sarotra iray, na manoloana olana iray izay mety anananao, na mba hahafahany manampy amin’ny dingan’ny fibebahana.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

1 Timoty 3:1. Avy taiza no niavian’ilay anaram-boninahitra hoe eveka ao amin’ny Testamenta Vaovao?

Ny anaram-boninahitra hoe eveka dia avy tamin’ny teny grika episcopos—epi, izay midika hoe “amin’ny,” sy scopos, izay midika hoe “mizaha” na “mijery.” Noho izany, ny episcopos, na eveka, dia olona iray izay miambina andian’ondry ary mitari-dalana na mikarakara azy ireo.

Nahoana aho no tsy maintsy mandeha amin’ny evekako rehefa hibaboka ny fahotana izay vitako?

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao:

Sary
Sary ôfisialy faran’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004. Nodimandry tamin’ny 22 septambra 2015.

Ny fandikan-dalàna goavana tahaka ny fahalotoam-pitondrantena dia mitaky ny fanampian’ny olona iray izay mihazona ny fanalahidin’ny fahefana, toy ny eveka na ny filohan’ny tsatòka, mba hilofosana amim-pahanginana amin’ny dingan’ny fibebahana mba hahazoana antoka fa natao hatramin’ny farany sy araka ny tokony ho izy izany.

(Richard G. Scott, “The Power of Righteousness,” Ensign, Nov. 1998, 69–70)

1 Timoty 3:1. Inona no atao hoe “asa tsara” izay ataon’ny eveka?

Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ireo andraikitra voalohany izay sahanin’ny eveka:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Quentin L. Cook. Nantsoina ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 06 ôktôbra 2007.

Manana andraikitra dimy lehibe ny eveka eo amin’ny fiahiana paroasy iray:

  1. Mpisorona avo mpiahy eo anivon’ny paroasy izy.

  2. Filohan’ny Fisoronana Aharôna izy.

  3. Mpitsara tsotra izy.

  4. Mandrindra ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana izy ka tafiditra ao anatin’izany ny fiahiana an’ireo izay sahirana.

  5. Ary manara-maso ny fanaovana firaketana sy ny raharaha ara-bola, ary ny fampiasana ny trano fiangonana izy.

Ao anatin’ilay anjara asany amin’ny maha mpisorona avo mpiahy azy dia ny eveka no “mpitarika ara-panahy” ao amin’ny paroasy. “Mpianatra mahatoky irain’i Jesoa Kristy” izy. …

Ny eveka dia manana anjara asa lehibe dia lehibe amin’ny maha mpiandry ondry azy mba hitarika ny taranaka vao misondrotra, tafiditra ao anatin’izany ny tanora tokan-tena, hankany amin’i Jesoa Kristy.

(Quentin L. Cook, “Eveka—Mpiandry ny andian’ondrin’ny Tompo,” Liahona, mey 2021, 58)

Titosy 1:7. Inona ny zavatra izay tian’i Paoly holazaina raha nilaza izy fa “tsy maintsy ho tsy manan-tsiny ny [eveka]”?

Ny eveka dia olona nosafidin’ny Tompo ary tsy maintsy lehilahy manana toetra amam-panahy tsara sy mendrika. Tsy tonga lafatra anefa ny eveka rehetra ary tsy maintsy misy fotoana izay hanaovany hadisoana mandritra ny fotoana hanompoany.

Nampianatra izao zavatra manaraka izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nalaina tamin’ny Janoary 2018.

Koa manehoa hatsaram-panahy amin’ny fahalemen’olombelona—ny anao sy ny an’ireo izay miara-manompo aminao ao amin’ny Fiangonana, izay tarihan’ny lehilahy sy vehivavy tsara sitrapo sy mety maty. Ankoatran’ilay hany Zanany Lahitokana tonga lafatra, dia olona tsy tanteraka avokoa no niarahan’ Andriamanitra niasa. Tsy maintsy ho nandiso fanantenana be Azy izany, saingy tsy mampaninona Azy. Tokony ho toy izany koa isika. Ary rehefa mahita tsy fahatanterahana ianao dia tsarovy fa ny tsy fahatanterahana dia tsy eo amin’ny maha an’ Andriamanitra ilay asa. … Koa manàna fahareta sy hatsaram-panahy ary mamelà heloka.

(Jeffrey R. Holland, “Tompo ô, mino aho,” Liahona, mey 2013, 94)

Hamoaka printy