Seminera
1 Timoty 4:12–16


1 Timoty 4:12–16

“Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao”

Sary
Sary nalaina tao amina trano fiangonana eo anivon’ny paroasy

Tsy moramora ny niaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny toerana ratsy tahaka ny tany Efesosy. Azo antoka fa tena niavaka tamin’ireo namany tokoa ny olona tahaka an’i Timoty, izay nisafidy ny hiaina fiainana mandala ny fahamarinana. Saingy namporisika an’i Timoty i Paoly mba hihoatra noho ny fanakianan’ny hafa ny fahatanorany na ny finoany sy “ho fianarana ho an’ny mino” (1Timoty 4:12). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao mba hiezaka ho mpianatr’i Jesoa Kristy izay fianarana ho an’ny hafa eo amin’ny fahatanoranao.

Inona ny zavatra ambaran’izany momba anao?

  • Raha misy olona manara-maso anao mandritra ny iray herinandro dia inona ny porofo izay mety ho hitan’izy ireo amin’ny fiezahanao manara-dia an’i Jesoa Kristy?

  • Inona ny zavatra izay mety ho hitan’izy ireo eo amin’ny fiainanao ka ilana fanatsarana rehefa mikatsaka ny hanara-dia an’i Kristy ianao?

Hevero ny hijery ny horonan-tsary “The Lost Purse [Ilay poketra very]” (2:40), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, izay maneho ny sasantsany amin’ireo ohatry ny maha mpianatra araka an’i Kristy.

  • Nahoana no zava-dehibe ny manisy fiheverana ny ohatra izay asehontsika ny hafa?

Eritrereto ny fahatsapana izay misy eo aminao amin’ny maha-ohatra azo alain-tahaka anao amin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy ho an’ireo olona izay manodidina anao ary nahoana.

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hamantarana ny fomba izay entinao hampisehoana ohatra ka afaka manampy sy mitarika ireo hafa hankany amin’ny Mpamonjy. Raha toa ka tsy mahazo aina amin’ny maha-ohatra ho an’ireo hafa anao ianao, dia mitadiava fahamarinana izay mety hanampy sy hamporisika anao.

Ny famporisihan’i Paoly an’i Timoty

Ny Testamenta Vaovao dia ahitana taratasy roa nosoratan’i Paoly ho an’ny iray amin’ireo namany izay tena natokisany, dia i Timoty izany (jereo ny 1 Korintiana 4:17). Rehefa mamaky ity fampahalalana momba an’i Timoty manaraka ity ianao dia eritrereto hoe nahoana no mety hitondra fiovana ho an’ny hafa ny ohatra izay nasehony. Misy itoviana aminy ve ianao?

  • Ohatra azo alain-tahaka amin’ny fandalàna ny fahamarinana ny renin’i Timoty sy ny renibeny, fa ny rainy kosa dia tena Jentilisa Grika ary azo inoana fa tsy ho mpino mihitsy (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:1; 2 Timoty 1:5; 3:14–15).

  • I Timoty dia mpitarika ny Fiangonana tao Efesosy (jereo ny 1 Timoty 1:3), tanàna lehibe iray izay nanjakan’ny fanompoan-tsampy sy ny fahalotoam-pitondrantena (jereo ny Asan’ny Apostoly 19:35).

  • Tsapan’i Paoly fa nisy mpikambana sasany niahiahy ny amin’ny fahafahan’i Timoty mitondra satria tanora izy (jereo ny 1 Timoty 4:12).

Vakio ny 1 Timoty 4:12–16, ary tadiavo ny torohevitra nomen’i Paoly momba ny zavatra izay tokony hataon’i Timoty.

  • Inona avy ireo zavatra izay hitanao fa manan-danja aminao?

  • Ahoana no mety hamintinanao ny fanasana izay nataon’i Paoly ao amin’ny andininy 12sy ny fampanantenana izay hita ao amin’ny andininy 16 anatina fehezan-teny tokana milaza fahamarinana?

Ao amin’ny 1 Timoty 4:12, 16 i Paoly dia nampianatra fa raha tonga fianarana ho an’ireo izay mino an’i Jesoa Kristy isika dia afaka manampy amin’ny famonjena ny tenantsika sy ireo hafa.

Ny fahitana ireo lisitra ao anaty soratra masina dia afaka manampy antsika hahita fomba maro isan-karazany izay ahafahana mampihatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika. Ao amin’ny andininy 12 i Paoly dia nitanisa ireo lafin-javatra izay ahafahantsika ho lasa tahaka an’i Kristy kokoa mba ho ohatra tsara ho an’ireo izay manodidina antsika.

Vakio indray ny andininy 12 ary asio marika ireo teny mamaritra ny lafin-javatra tsirairay izay nasain’i Paoly ifantohantsika. Hevero ny handika izany lisitra izany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.

  • Ahoana ny fomba mety hanazavanao ny dikan’ireo teny tsirairay ireo? (Raha ilaina, dia mampiasà fitaovana fandalinana soratra masina na rakibolana mba hanampy anao hamaritra izany.)

Mety manampy ny fahafantarana fa ny teny hoe fiteny ao amin’ity andininy ity dia miresaka momba ny fitondran-tenantsika.

Misafidiana roa amin’ireo lafin-javatra izay notanisain’i Paoly, ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

1. Misafidiana roa amin’ireo lafin-javatra izay notanisain’i Paoly, ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza no olona fantatrao fa ohatra tsara azo alain-tahaka amin’ireo lafin-javatra ireo? Nanampy anao sy ny hafa tamin’ny fomba ahoana ny ohatra izay nasehon’izy ireo?

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha-ohatra tonga lafatra an’i Jesoa Kristy tamin’ireo lafin-javatra ireo? Nitahy anao sy ny hafa tamin’ny fomba ahoana ny ohatra izay nasehony?

  • Nahoana araka ny hevitrao no tian’ny Tompo ho tonga fianarana ho an’ny hafa amin’ireo lafin-javatra ireo ianao?

Ahoana no ahafahanao ho tonga ohatra azo alain-tahaka?

Manaova lisitra momba ireo fomba izay ahafahanao ho lasa ohatra azo alain-tahaka amin’ireo lafin-javatra izay nosafidinao. Ohatra, mba hahatonga anao ho fianarana “amin’ny fiteny,” dia azonao atao anaty lisitra ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto:

  • maneho fankasitrahana matetika kokoa

  • mandoka amin-kitsim-po ny olona

  • milaza ny marina

  • miala amin’ny fitenenana teny ratsy

  • maneho ny fitiavanao matetika kokoa

  • miresaka amin’ny olona amim-panajana

  • mifady ny fosafosa

  • mivavaka amin-kitsim-po kokoa

Makà fotoana mba hisaintsainana ny fomba izay mety hitahian’ny Tompo anao sy ny hafa raha toa ka miezaka mafy ny ho tonga ohatra azo alain-tahaka amin’ireo fomba ireo ianao.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ny zavatra nianaranao na tsapanao androany ka hanampy anao ho lasa ohatra tsara azo alain-tahaka amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao?

  • Inona ny zavatra hataonao mba hahatonga anao ho ohatra azo alain-tahaka ho an’ny hafa?

  • Inona ny zavatra antenainao fa hampianarin’ny ohatra izay asehonao ny hafa momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny? Nahoana?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana ny fomba hahafahako mba ho lasa ohatra azo alain-tahaka tsara kokoa?

Hevero ny hijery ny iray na mihoatra amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, izay mampiseho fomba isan-karazany amin’ny maha-ohatra azo alain-tahaka ho an’ireo manodidina azy ny zatovo. Eo am-pijerenao dia eritrereto ireo fomba izay ahafahanao ho tonga ohatra azo alain-tahaka ho an’ny hafa.

“Sharing Your Light [Mizara ny fahazavanao]” (2:56)

“Charity: An Example of the Believers [Fiantrana: Fianarana ho an’ny mino]” (04:50)

“Something Different About Us: Example [Zavatra miavaka momba antsika: Ohatra azo alain-tahaka]” (2:51)

Tena zava-dehibe ve ny ohatra izay asehoko amin’ny maha-zatovo ahy?

Rahavavy Bonnie H. Cordon, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany, dia nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny ohatra izay asehonao:

Sary
Sary ôfisialy taloha an-dRahavavy Bonnie H. Cordon, nalaina tamin’ny martsa 2016. Nosoloina tamin’ny ôktôbra 2018.

Ry namako malala, nahoana no tena manan-danja ny fampamirapiratana ny fahazavantsika? Nilaza tamintsika ny Tompo fa “mbola misy maro eto an-tany … tsy hahita ny fahamarinana noho ny tsy fahafantarany ny fomba izay ahitana izany fotsiny” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12]. Afaka manampy isika. Afaka mampamiratra ny fahazavantsika amin’ny nahim-po isika mba hahazoan’ny hafa mahita. Afaka manao fanasana isika. Afaka miara-dia amin’ireo izay manao dingana miroso mankany amin’ny Mpamonjy isika na mampiahotra toy ny ahoana aza izany dingana izany. …

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo dia hampahery vaika ny ezaka madinika rehetra. Hilaza amintsika izay tokony holaizana sy hatao ny Fanahy Masina. Ny fiezahana toy izany dia mety hila antsika hanao zavatra mety tsy hampahazo aina antsika kanefa afaka matoky hatrany isika fa ny Tompo dia hanampy antsika hampamiratra ny fahazavantsika.

(Bonnie H. Cordon, “Mba hahazoany mahita,” Liahona, mey 2020, 80)

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nampianatra momba ny maha-ohatra azo alain-tahaka:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Thomas S. Monson, 2008.

Meteza ho ohatra. … Tolorana fahafahana eo anoloantsika isika ankehitriny. Saingy tena mora simba tokoa izy ireo. Azo inoana fa ho hita ao an-tokantranontsika sy amin’ireo zavatra izay ataontsika andavanandro izany. Nampiseho ny lalana ny Tompo sy Mpampianatra antsika: “nandehandeha nanao soa [Izy].” (Asan’ny Apôstôly 10:38.) Izy tokoa no modely tokony harahintsika—fianarana ho an’ny mino mihitsy aza.

Ary isika?

(Thomas S. Monson, “An Example of the Believers,” Ensign, Nov. 1992, 98)

1 Timoty 4:16. Inona ny zavatra tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy hoe, “[Vonjeo] ny tenanao”?

Raha nampiasa ny teny hoe “hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao” i Paoly (1 Timoty 4:16), dia nijoro ho vavolombelona ihany koa izy fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahana mamonjy antsika (jereo ny 1 Timoty 1:15–16; 2:5–6). Afaka mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny ezaka izay ataontsika ary mamela Azy hamonjy antsika.

Hamoaka printy