Seminera
2 Timoty 3


2 Timoty 3

Ny Soratra Masina

Sary
Bokin’i Môrmôna amin’ny teny espaniôla.

Mahatsapa ho sahiran-tsaina na mitebiteby ve ianao momba ny toe-panahin’izao tontolo izao ankehitriny? Tao amin’ny epistily iray ho an’i Timoty, dia naminany i Paoly fa amin’ny andro farany dia hisy “andro mahory” (2 Timoty 3:1), kanefa nampianatra ihany koa izy fa ny Tompo dia nanome anao ny fanomezam-pahasoavan’ny soratra masina mba hanampiana anao mandritra ny andro mahory (jereo ny 2 Timoty 3:14–17). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanana faniriana handalina ny soratra masina, izay afaka manampy amin’ny fiarovana anao amin’ny faharatsiana amin’izao androntsika izao.

Ny andro farany

Vakio ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary eritrereto hoe nahoana ny fiainana amin’izao fotoana izao no mahatonga anao hahatsapa ho feno fankasitrahana, na feno tebiteby, na izy roa.

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, aogositra 2010.

Miaina amin’ny fotoana tena mahaliana, sy mahafinaritra ihany koa isika. …

Fantatsika fa rehefa manakaiky ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika dia ho feno korontana sy fisavoritahana ny tontolontsika. Maro amin’ny olona anaty fiaraha-monina no tsy hitandrina ny didin’ Andriamanitra. Nampiasa matetika ity teny nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson ity: “Nisy fotoana saika nitovy ny fenitry ny Fiangonana sy ny fenitra iainana eo amin’ny fiaraha-monina. Ankehitriny dia misy hantsana goavana manasaraka antsika ary tsy mitsahatra mihamalalaka hatrany izany.”

(Neil L. Andersen, “A Compensatory Spiritual Power for the Righteous” [Fampaherezam-panahy fanao isan-kerinandro ao amin’ny Brigham Young University Education, Aug. 18, 2015], speeches.byu.edu)

  • Amin’ny fomba ahoana no mampaha-finaritra ny fotoana izay iainantsika?

  • Inona ny antony mety hahatonga anao hitebiteby amin’ny fiainana eto amin’izao tontolo izao araka izay nosoritsoritan’ny Loholona Andersen?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia tadiavo ireo fomba nanampian’ Andriamanitra tamim-pitiavana manoloana ny fisafotofotoana, ny loza ara-panahy, na ny fanahiana izay mety ho tsapanao avy amin’ny toe-javatra misy eto amin’izao tontolo izao.

Vakio ny 2 Timoty 3:1–7, 12–13; 4:3–4 ary tadiavo ny fomba izay nanoritsoritan’i Paoly ireo loza hiseho amin’ny andro farany. Azonao atao ny mampiasa ny torolalana ho an’ny soratra masina mba hanampiana anao hahatakatra ireo teny sarotra.

  • Inona amin’ireo ohatra momba ny toe-javatra izay nosoritsoritan’i Paoly no efahitanao teo amin’izao tontolo ankehitriny izao?

Fanomezana avy amin’ Andriamanitra

Tsy namela antsika hiatrika ireo loza amin’ny andro farany samirery ny Ray any An-danitra. Noho ny famindrampony sy ny fitiavany, dia nanome antsika fanomezana mahatalanjona maro Izy.

Ny Loholona Andersen dia nanohy:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, aogositra 2010.

Rehefa mahita ny lalantsika ao amin’ny tontolo iray izay tsy dia miraharaha ny didin’ Andriamanitra isika, dia azo antoka fa hivavaka isika, saingy tsy tokony hikoropaka loatra ihany koa. Hitahy ireo Olomasiny ny Tompo amin’ny alalan’ny hery ara-panahy fanampiny izay ilaina mba hiatrehana ireo fanamby misy amin’izao androntsika izao.

(Neil L. Andersen, “A Compensatory Spiritual Power for the Righteous” [Fampaherezam-panahy fanao isan-kerinandro ao amin’ny Brigham Young University Education, Aug. 18, 2015], speeches.byu.edu)

Vakio ny 2 Timoty 3:14–17 ary mitadiava iray amin’ireo fanomezana izay nomen’ Andriamanitra mba hanampiana antsika hiatrika ireo loza miseho amin’izao androntsika izao.

Ny 2 Timoty 3:15–17 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Hianatra bebe kokoa mikasika io andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io ianao ao amin’ny lesona manaraka.

  • Inona avy ireo fitahiana sasantsasany azontsika raisina avy amin’ny fandalinana ny soratra masina izay tsikaritrao ao amin’ireo andininy ireo?

Mety hanampy anao ny fandalinana soratra masina:

  1. Halalino ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

  2. Manovoza ny fahendrena sy tari-dalana amin’ny toe-javatra atrehinao.

  3. Takaro ny fotopampianarana na ireo fahamarinan’ny filazantsara.

  4. Ahitsio ireo hevi-diso na fahazaran-dratsy.

  5. Lasa ho tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa.

  • Ahoana ny fomba hamintinanao ireo zavatra izay nampianarin’i Paoly momba ny fandalinana ny soratra masina?

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana nanampian’ny soratra masina anao avy tamin’ny iray amin’ireo fomba izay nosoritsoritan’i Paoly ireo. Raha tsy mahita zavatra iray izay niainanao ianao dia soraty ny antony eritreretinao fa mety ahafahan’ny soratra masina manampy anao amin’ny iray amin’ireo fomba izay nosoritsoritan’i Paoly ireo.

  • Inona avy ireo fomba hafa ahafahan’ny Tompo mitahy anao rehefa mandalina ny soratra masina ianao?

  • Nomen’ny Tompo soratra masina ianao izay fanomezana hanampy anao amin’ny andro farany. Inona ny zavatra ampianarin’izany anao momba Azy?

Mampiasa ny Soratra Masina

Mba hampiharana ny fampiasana ny soratra masina hoentina hanamafisana ny finoanao an’i Jesoa Kristy, dia misafidiana roa amin’ireo fanamby hiseho amin’ny andro farany izay novinanian’i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 3:1–7, 12–13; 4:3–4 na misafidiana fanamby hafa mifandray amin’ny fiainanao. Mitadiava andinin-tsoratra masina afaka manampy olona hiatrika ireo fanamby ireo. Mety hanampy ny fikarohana ireo teny manan-danja ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na ao amin’ny Torolalana momba ny lohahevitra, izay samy hita avokoa ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Na azonao atao ny misafidy mialoha amin’ireo andinin-tsoratra masina izay tianao indrindra ary avy eo manapa-kevitra hoe iza amin’ireo fanamby amin’ny andro farany no azon’ireo andinin-tsoratra masina ireo hanampiana anao.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina izay hitanao fa afaka manampy olona izay miatrika fanamby manokana? Hazavao ny fomba ahafahan’izy ireo manampy.

Ny tanjonao amin’ny fandalinana ny soratra masina

Nampahatsiahivin’i Paoly an’i Timoty fa nahazo fitahiana i Timoty noho ny fahalalana ny soratra masina hatramin’ny fony fahazazany (jereo ny 2 Timoty 3:15). Toy izany ihany koa, ny Ray any An-danitra dia hitahy anao noho ny fandalinanao ny soratra masina amin’ny fahatanoranao. Makà minitra vitsivitsy hametrahana tanjona amim-bavaka na handinihana ny tanjona izay napetrakao amin’izao fotoana izao amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina isan’andro. Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nanao ahoana ny tanjona izay napetrakao?

  • Ahoana ny fomba hanampian’ny tanjonao anao hampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy sy handresy ireo fanamby amin’izao androntsika izao?

  • Inona ny fanitsiana, raha misy, amin’ny tanjonao izay heverinao fa tokony hataonao?

Hevero ny hilaza amin’ny mpampianatrao, na ray aman-dreny, na olon-kafa izay atokisanao ny tanjonao amin’ny fandalinana ny soratra masina ary asao izy ireo mba hanara-maso anao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana ny fomba hahafantarako ireo loza izay voatanisa ao amin’ny 2 Timoty 3:1–7?

Mety hanampy ireto famaritana manaraka ireto:

  • Ny hoe “tsy manam-pitiavana” (2 Timoty 3:3) dia mety ahitana fitondran-tena izay mifandray amin’ny tsy fahampian’ny fahatsapana na firaharahana, fahatsapana fankahalana sy famadihana, na faniriana feno filan’ny nofo izay mitarika ho amin’ny fahalotoam-pitondrantena

  • Ny hoe “tsy mahonom-po” (2 Timoty 3:3) dia midika hoe tsy mahafehy tena

  • Ny hoe “kirina” (2 Timoty 3:4) dia midika ho fahamaimaizana, tsy firaharahiana

  • Ny hoe “mpieboebo” (2 Timoty 3:4) dia midika ho miavonavona, mirehareha

Ahoana ny fomba hahatakarako tsara kokoa ny 2 Timoty 3:16–17?

Vakio ilay lahatsoratra hoe “Line upon line: 2 Timoty 3:16–17New Era, Apr. 2012,19), izay mirakitra fanampiana momba ny teny, fanehoan-kevitra avy amin’ny mpaminany, ary fanazavana izay mety hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ireo andininy ireo.

Ahoana ny fomba ahafahan’ny fandalinana ny soratra masina manampy ahy eo amin’ny fiainako?

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:

Sary
Sary ôfisialy faran’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004. Nodimandry tamin’ny 22 septambra 2015.

Miresaka amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka isika. Matetika Izy no mamaly antsika amin’ny alalan’ny teniny izay voasoratra. Mba hahafantarana hoe toy ny ahoana sy manao ahoana ny feon’ilay Masina dia vakio ny teniny, halalino ny soratra masina ary saintsaino izany. Ataovy ho lafin-javatra manan-danja eo amin’ny fiainanareo andavanandro izy ireny. …

Ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina isan’andro no hahitanareo fiadanana eo anivon’ireo disadisa manodidina anareo sy hery hanoherana ny fakam-panahy. Hanana finoana matanjaka ianareo ao amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra ary hahafantatra fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no hahatonga ny rehetra ho tomombana araky ny fotoan’ Andriamanitra.

(Richard G. Scott, “Ataovy Voalohany amin’ny Laharampahameharaneo ny Fampiasana Finoana, Liahona, nôv. 2014, 92–95)

Ahoana ny fomba hahafahako mahatsapa fanantenana momba ny hoavy raha toa ka mifanohitra amin’ny didin’ Andriamanitra ny fitarihan’ny fiaraha-monina?

Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanampy tamin’ny famaliana io fanontaniana io tao amin’ilay horonan-tsary “En Sion” manomboka amin’ny kaodim-potoana 0:00 ka hatramin’ny 1:41, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Inona avy ireo fomba mahomby sasantsasany ahafahako mandalina ny soratra masina?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mamaly io fanontaniana io amin’ny horonan-tsary “Advice for Studying the Scriptures [Torohevitra momba ny fandalinana soratra masina” (2:07), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy