Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Efesiana 1:10


Fifehezana fotopampianarana: Efesiana 1:10

Ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra

Sary
Sary hosodokon’ny Fahitana Voalohany nataon’i Walter Rane. Niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ilay Alakely Masina ny Ray sy ny Zanaka.

Nandritra ny fandalinanao ny Efesiana 1, dia nianatra momba ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny ianao. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hampitombo ny fahaizanao mifehy ireo fampianarana ao amin’ny Efesiana 1:10 amin’ny alalan’ny fanaovana tsianjery ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy fanazavana ny fotopampianarana, ary fampiharana ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena izy.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Alaovy sary an-tsaina ohatra tsy tonga namonjy seminera ny mpiara-mianatra maromaro tamin’ny andro izay nandalinana ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny Efesiana 1. Ny mpampianatrao seminera dia mangataka anao mba hanokana minitra vitsivitsy hamintinana ireo fampianarana izay manan-danja indrindra tsapanao fa tokony ho fantatra sy ho tadidin’ny mpianatra rehetra momba ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny sy ireo fampianarana avy ao amin’ny Efesiana 1:10.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fahamarinana manan-danja momba ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara izay hozarainao? Nahoana?

  • Ahoana ny fomba hanazavanao ireo fampianarana ao amin’ny Efesiana 1:10 amin’ny teninao manokana?

  • Inona ny antony mahatonga ny fahatakarana ny famerenana amin’ny laoniny ho misy fiantraikany amin’ny fahatakarana sy fahatsapan’ny olona anankiray momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina na amin’ny fitaovana nomerika, ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Efesiana 1:10 amin’ny alalan’ny fizarana azy ho efatra araka izay aseho eto ambany:

  • Amin’ny vanim-potoampitantanan’ny fahafenoana

  • Hanangonana ho iray

  • Ny zavatra rehetra ao amin’ny Kristy

  • Efesiana 1:10

Takony ny andalana 2–4, ary avereno ao an-tsainao ny andalana 1 mandra-pahatadidinao izany tsara. Mifindrà amin’ny andalana faharoa indray, ary avereno ilay dingana. Ataovy toy izany ihany koa ny andalana 3 sy 4. Rehefa mahatsapa ho matoky tena tanteraka ianao fa efa tadidy avokoa ireo andalana efatra ireo, dia soraty tsy an-kijery ao anaty diary fandalinanao izy rehetra. Avereno indray izany dingana izany raha toa ka ilaina mandra-pahafahanao manoratra ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ny andinin-tsoratra masina tsy misy diso.

Fizàrana mampihatra

Hevero ny hamerina mijery ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Misafidiana anankiray amin’ireo fitsipika telon’ny mahazo fahalalana ara-panahy, ary mamoròna sary na fanehoana na fampisehoana an-tsary tsotra mba hampahatsiahivana anao ity fitsipika ity sy ny foto-kevitra izay miaraka aminy. Ohatra, ho an’ny fitsipika “mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay,” azonao atao ny manao sary toy izao manaraka izao:

Sary
Solomaso miaraka amina andiana masolavitra ary teleskaopy.

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity mba hanampiana anao hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy sy ilay fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ny Efesiana 1:10 fa mandritra ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-potoana, dia hangonina miaraka ao amin’i Kristy avokoa ny zava-drehetra. Rehefa avy eo dia ampiasao ity rafi-tantara ity, na mamorona anankiray ho anao manokana, mba hamaliana ny fanontaniana manaraka.

Nisy namanao anakiray natao batisa niaraka tamin’ny fianakaviany ary natoky tena izy tamin’io fotoana io fa nanaraka ny ohatra izay nasehon’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny Fiangonany. Saingy ny taona farany lasa teo hatramin’ny nahavitany batisa, dia natetika izy no nalain’ireo namany hafa fanahy mba handika ny didy. Nanomboka nanontany tena izy raha tena Fiangonan’i Kristy marina tokoa ity ary mendrika ny mbola hijanonana hatoky hatrany ny filazantsara izy.

Na dia maro aza ny fahamarinana izay afaka manampy ny namanao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny sy ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-potoana hampatanjaka sy hamporisika hatrany izy.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny fanontaniana ary ataovy eo ambanin’ireto fitsipika tsirairay telo manaraka ireto:

Manao asa amim-pinoana

  • Inona avy ireo dingana izay azonao hamporisihana ny namanao mba hataony mba hanaovany asa amim-pinoana?

  • Ahoana ny fomba mety hanampian’ny fanaovana asa amim-pinoana ny namanao amin’ireo fanontaniana sy ahiahy ananany?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona ny zavatra fantatrao momba ny fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ny famerenana amin’ny laoniny?

  • Ahoana ny fomba mety ahafahan’ny fifikirana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay manampy anao sy ny namanao ao anatin’io toe-javatra io?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Ahoana ny fomba mety ahafahan’ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny Efesiana 1:10 manampy amin’io toe-javatra io?

  • Raha ohatra ka manana fotoana fanampiny ianao alohan’ny hamaliana ny namanao, dia inona ny zavatra mety hiverenanao jerena na halalininao? Inona avy ireo loharanom-pahalalana izay azonao anasana ny namanao mba halalininy samirery? Nahoana?

Hamoaka printy