Galatiana 1
“Fa izaho tsy nandray azy tamin’olona … fa tamin’ny fanambaran’i Jesoa Kristy ihany”
Moa ve ianao efa nahatsiaro sahiran-tsaina tamin’ireo hevitra sy filozofia samihafan’izao tontolo izao? Niatrika olana mitovy amin’izany ireo Olomasina tao Galatia rehefa natolotra azy ireo ny fampianarana mitarika amin’ny fialana amin’ny filazantsara marin’i Kristy. Ity lesona ity dia afaka hanampy anao hianatra ny fomba hialana amin’ny fitaka sy ny fisafotofotoana amin’ny alalan’ny fihainoana ny tenin’i Jesoa Kristy izay nomena ireo mpaminany fahiny sy ankehitriny.
Mifanehatra amin’ny hevi-diso
Saintsaino hoe ahoana ny ho valin-teninao manoloana ireto toe-javatra manaraka ireto:
-
Mahita horonan-tsary na lahatsoratra malaza nozarain’ny namanao maro tao amin’ny tambajotran-tserasera ianao. Ahitana hevitra mifanohitra amin’ny zavatra nampianarina anao tany an-tokantrano sy tany am-piangonana izany.
-
Misy namana maromaro mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany any am-pianarana, manome hevitra mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Fiangonana izy ireo.
-
Impiry ianao no tojo toe-javatra toy ireny?
-
Inona no heverinao fa tokony hataonao amin’ny toe-javatra tahaka izany? Nahoana?
-
Ireo Olomasina tany Galatia koa dia nifanehatra tamin’ny fampianaran’ireo izay nikatsaka ny “hamadika ny filazantsaran’i Kristy” (Galatiana 1:7). Ohatra, nisy Kristiana Jiosy sasany nanova ny fampianaran’ny filazantsara ary niteraka fisalasalana momba ny fampianaran’i Paoly fa hoe amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany no hahazoana famonjena.
Nampitandrina ny Olomasina Galatiana momba ny hevi-diso i Paoly
Nanoratra epistily i Paoly hiadiana amin’ireo fampianaran-diso izay niparitaka teo anivon’ireo Olomasina Galatiana ireo.
Vakio ny Galatiana 1:6–9. Tadiavo ny zavatra nolazain’i Paoly momba ireo izay nitory “filazantsara” mifanohitra amin’ilay notoriany tamin’ny naha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy azy.
-
Inona no hitanao fa manan-danja ao amin’ireo andininy ireo? Nahoana?
Nampitandrina ny Olomasina Galatiana i Paoly mba handà “ny filazantsara hafa rehetra” (Galatiana 1:9) ankoatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
-
Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ny hevi-diso amin’izao androntsika izao ka mety hitarika ny olona hiala amin’ny filazantsara marin’i Jesoa Kristy?
-
Inona no fitsipika marina tsy takatra na novain’izao tontolo izao?
-
Inona no mety ho voka-dratsin’ny fihainoana na fanarahana ireo hevitra na fampianarana hafa ireo? Oviana ianao no nahita ny sasany tamin’ireo voka-dratsy ireo?
Raha azo atao, dia jereo ilay horonan-tsary hoe “Les sources divinement désignées [Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra]” manomboka amin’ny mari-potoana 3:14 ka hatramin’ny 4:43 mba hahitana ohatra vitsivitsy momba ny vokany. Hita ap amin’ny ChurchofJesusChrist.orgizany horonan-tsary izany.
Afaka mitodika any amin’ireo mpaminany sy apôstôly isika mba hahazoana fahamarinana
Ao amin’ny epistiliny i Paoly dia nampahatsiahy ireo Olomasina Galatiana momba ireo fahamarinana fototry ny filazantsara sy ny loharanon’ny fahefany sy ny fampianarany.
Vakio ny Galatiana 1:1–5, 10–12, ka tadiavo ny zavatra nozarain’i Paoly izay afaka manampy ny Olomasina tsy ho voafitaky ny fampianaran-diso.
-
Inona avy ireo fahamarinan’ny filazantsara nampahatsiahivin’i Paoly ny Galatiana?
Nampahatsiahivin’i Paoly ny Galatiana fa izy dia Apôstôly, nantsoina “tsy avy … tamin’ny alalan’ny olona, fa tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy” (Galatiana 1:1), ary nandray ny filazantsara “tamin’ny fanambaran’i Jesoa Kristy” (Galatiana 1:12). Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny tenin’i Paoly ny hoe I Jesoa Kristy dia manambara fotopampianarana marina amin’ireo mpaminaniny sy ireo apôstôliny.
Nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny tenin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Ny anja-by dia maneho ny tenin’Andriamanitra. Tahaka izao fomba izao no itiavako ieritreretana izany: Ny tenin’Andriamanitra dia mirakitra singa telo tena matanjaka izay mifamatotra sy mifanohana mba hamorona anja iray tsy azo hozongozonina. Ireo singa telo ireo dia ahitana, voalohany, ny soratra masina, na ny tenin’ireo mpaminany fahiny. …
Ny singa faharoa amin’ny tenin’Andriamanitra dia ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy fitaomana izay tonga amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. …
… Ny singa fahatelo, fanampiny manan-danja izay mifamatotra amin’ireo roa hafa[,] … dia maneho ny tenin’ireo mpaminany velona.
(Neil L. Andersen, “Hold Fast to the Words of the Prophets [Tano mafy ny teny izany nolazain’ireo Mpaminany]” [Brigham Young University devotional, Mar. 4, 2007], speeches.byu.edu)
-
Inona no ampianarin’ny ezaka ataon’Andriamanitra amin’ny fanomezana ireo loharano ireo antsika momba Azy?
-
Ahoana no ahafahan’ny fihainoana ny tenin’i Kristy avy amin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina hanampy anao tsy ho voafitaka?
-
Ahoana no ahafahan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana hanampy anao tsy ho voafitaka?
Raha azo atao dia jereo ilay horonan-tsary “Les sources divinement désignées [Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra]” manomboka amin’ny mari-potoana 4:44 ka hatramin’ny 9:11 mba hahitana ny fomba nanampian’ny tenin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina, ary koa ny fanambarana ho an’ny tena manokana, ireo zatovo maromaro hahita fahamarinana sy tsy ho voafitaka.
-
Inona no nanaitra anao mikasika ny fomba nanampian’ny Tompo ireo olona ireo tamin’ny toe-javatra sarotra natrehiny?
-
Rehefa nijery ilay horonan-tsary ianao dia inona no eritreritra na fahatsapana tonga tao aminao ka mifandray amin’ny toe-javatra iainanao manokana?
Ny toe-javatra iainanao manokana
Saintsaino ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany. Katsaho ny fanampian’ny Ray Any an-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ary fantaro ireo fomba mety hahatonga anao ho mora voafitaka amin’izao fotoana izao. Inona no fampianaran-diso na hevitr’izao tontolo izao mety hanimba ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy? Moa ve ianao mamaky, mijery, na mihaino zavatra izay mety hamitaka anao?
Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
Moa ve nampianatra i Paoly fa tsy tokony hihaino hafatra avy amin’ny anjely any an-danitra isika?
Matetika ireo fampianaran’i Paoly izay voarakitra ao amin’ny Galatiana 1:8–10 no ampiasaina amin’ny fomba diso mba hifandirana momba ny fahitana anjely mitory ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Tsy nampianatra anefa i Paoly fa tokony holavina avokoa ireo fisehoan’anjely rehetra, satria ny soratra masina dia mampiseho fa ho avy tokoa ny anjely amin’ny andro farany mba hitory ny filazantsara vaovao (jereo ny Apokalipsy 14:6). Nampianatra kosa i Paoly fa raha misy olona—na dia ny anjely aza—ho avy hampiala ny olona amin’ny filazantsara marina, dia tokony holavina izy ireo (jereo koa ny Almà 30:53).
Nahoana aho no tokony hampiasa loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra amin’ny fikatsahako ny fahamarinana?
Jereo ny horonan-tsary “Discovering Truth [Mamantatra ny fahamarinana]” (4:48), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ao amin’ity horonan-tsary ity, ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia mampiasa fanoharana hanazavana fa zava-dehibe ny fikatsahana fahamarinana avy amin’ny loharanom-pahalalana masina fa tsy ny fitokiana amin’ny fahendren’olombelona.
Amin’ny fomba ahoana no mihatra ny fampitandreman’i Paoly ankehitriny?
Nampitandrina ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
Isika dia miaina ao anatin’ny fotoana izay iparitahan’ny fampahalalana sy ivelarany lehibe tokoa. Saingy tsy marina avokoa izany fampahalalana rehetra izany. Mila mailo isika rehefa mikatsaka fahamarinana sy misafidy ireo loharano ho an’izany fikarohana izany. Tsy tokony heverintsika ho loharanom-pahamarinana azo antoka ny zavatra manan-danja na manam-pahefana amin’izao tontolo izao. Tokony ho mailo isika amin’ny fianteherana amin’ny fampahalalana na ny torohevitra atolotr’ireo olo-malaza na mpanao fanatanjahan-tena fanta-daza na loharano tsy fanta-pihaviana ao amin’ny internet. Ny fahaizana amin’ny sehatra iray dia tsy tokony horaisina ho fahaizana momba ny fahamarinana amin’ny lohahevitra hafa.
(Dallin H. Oaks, “Ny fahamarinana sy ilay drafitraLiahonanôv. 2018, 25)