Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 20


Famerenana fifehezana fotopampianarana 20

Takaro ary hazavao

Sary
Zatovolahy mamaky soratra masina

Anisan’ny tanjona iray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ireo fampianaran’ny Mpamonjy sy ny mba hahafahanao manazava izany avy amin’ny teninao manokana. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hanalalina ny fahatakaranao sy hanao fanazaran-tena hanazava ireo fahamarinana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana samihafa ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Inona ny zavatra mba fantatrao momba an’i Jesoa Kristy?

Fariparito ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fampiasana ny ampahany monja amin’ny fiainany izay asehon’ity sary manaraka ity:

Sary
Kristy mihantona eo amin’ny hazofijaliana tao Kalvary. Mpangalatra anankiroa, izay mihantona ihany koa amin’ny hazofijaliana no eo amin’ny havia sy havanan’i kristy. Mpitazana marobe, isan’izany i Maria renin’i Kristy, i Maria Magdalena, olona hafa izay mitomany, ary miaramila Rômana no mivondrona manodidina ireo hazofijaliana. Misy rahon’oram-baratra mivondrona eo amin’ny lanitra.

Izao dia jereo ireto sary ireto ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

Sary
Fanehoana an-tsary ataona mpilalao sarimihetsika. Mihazona an’i Jesoa zazakely i Maria ary mijery Azy.
Sary
I Jesoa Kristy mitsangana ary mametraka ny tanany eo amin’ny mason’ny lehilahy jamba iray izay mandohalika eo anoloany. Vondron-dehilahy sy vehivavy ary ankizy miangona manodidina an’i Kristy. Mahita maso an’i Kristy manasitrana ilay lehilahy amin’ny hajambana ireo olona ireo. Misy andohalambo vita amin’ny vato eo aoriana.
Sary
Ny fahitana voalohany, nataon’i Del Parson (62470); GAK 403; boky torolalan’ny Kilonga 1-04; boky torolalan’ny Kilonga 2-38; boky torolalan’ny Kilonga 3-10; boky torolalan’ny Kilonga 5-06; boky torolalan’ny Kilonga 6-40; boky torolalan’ny Kilonga 7-40; Joseph Smith—Tantara 1:14–20
  • Inona avy ireo tranga izay naseho tao amin’ny tsirairay avy amin’ireo sary telo ireo?

  • Inona ny zavatra niampy tamin’ny fahatakaranao ny amin’i Jesoa Kristy sy ny asa izay nanirahana Azy avy tamin’ireo tranga tsirairay ireo?

Mba hamantarana hoe iza marina moa ny Mpamonjy sy ny antony maha-zava-dehibe Azy aminao, dia manampy ny mandalina tantara maro momba ny fiainany sy ny asasoratry ny mpaminany mihoatra ny anankiray.

Toy izany koa, ny fandalinana sy fampitahana ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana maromaro dia afaka manampy anao hahatakatra feno kokoa ny fotopampianaran’ny Mpamonjy raha ampitahaina amin’ny fianteherana amin’ny andininy anankiray fotsiny ihany.

1. Halalino ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto, ary valio ao amin’ny diary fandalinanao ireo fanontaniana izay mifanaraka amin’izany:

Vakio sy saintsaino ireo zavatra izay ampianarin’ny Hebreo 12:9, Jakoba 1:5–6, ary Jakoba 2:17–18 antsika momba ny Raintsika any An-danitra sy ny fifandraisantsika Aminy.

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fandalinana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo ireo miaraka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra?

Vakio sy saintsaino ireo zavatra izay ampianarin’ny 1 Petera 4:6 sy ny Apokalipsy 20:12 antsika momba ny Fitsarana farany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fandalinana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana roa ireo miaraka manampy anao hahatakatra bebe kokoa momba ny Fitsarana farany?

Hevero ny hanao fampifanarahana na hampifandray ireo andinin-tsoratra masina izay tianao haverina hianarana miaraka indray amin’ny manaraka.

Fampifandraisana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

2. Ataovy ity sahanasa manaraka ity:

  1. Misafidiana anankiray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao izay tianao hianarana bebe kokoa, ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

  2. Tadiavo ary vakio ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray manontolo, ary raketo ny zavatra takatrao momba ilay fotopampianarana izay ampianarin’izany.

  3. Jereo ny lisitra manontolo momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny fototra avy ao amin’ny soratra masina izay hita any amin’ny faran’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

  4. Mitadiava ary mamakia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiroa farafahakeliny avy amin’ny lesona hafa fandalinana soratra masina izay mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny Testamenta Vaovao izay nosafidinao.

  5. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ahafahan’ireo andinin-tsoratra masina fanampiny ireo manampy ny fahatakaranao ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Hamoaka printy