2 Korintiana 11–12
Miaritra fitsapana miaraka amin’ny finoana an’i Kristy
Na dia ireo mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky indrindra aza dia niaritra zava-tsarotra teo amin’ny fiainany. Nizara ny ampahany tamin’ireo fijaliana niaretany i Paoly ary nizara ny fomba nahafahany nahita fifaliana tamin’ireo zavatra izay niainany ireo tamin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao mba hiantehitra amin’ny Tompo rehefa miezaka ny hiaritra amim-pahatokiana ireo olana izay iainanao manokana ianao.
Ireo fitsapana eo amin’ny fiainana
-
Inona araka ny eritreritrao no tanjon’ny tsilo eo amin’ny kirihitra ana raozy?
Eo amin’ny fiainana, dia manana zavatra niainana mahafinaritra maro izay azo oharina amin’ny raozy isika. Na izany aza anefa, dia miatrika fitsapana sy fanamby izay azo oharina amin’ny tsilo ihany koa isika.
-
Inona avy ireo fitsapana sy fanamby sasantsasany izay mety atrehan’ny olona eo amin’ny fiainana?
-
Inona avy ireo eritreritra sy fanontaniana izay mety hapetraky ny olona momba an’ Andriamanitra rehefa miatrika fitsapana izy ireo? Inona ny zavatra mety mampametram-panontaniana azy ireo mahakasika ny tenany?
Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hiaritra amim-pahatokiana ireo fitsapana izay nosafidin’ Andriamanitra, noho ny fitiavany sy ny fahendreny, tsy ho esorina. Saintsaino ny antony ilainao ny fanampian’ Andriamanitra rehefa miaritra azy ireo ianao.
Fitsapana nahazo an’i Paoly
Vakio ny 2 korintiana 11:24–28, ka tadiavo ny sasany amin’ireo fitsapana izay niaretan’i Paoly nandritra ny asa fanompoany.
-
Inona avy ireo ohatra hafa azonao eritreretina na avy ao amin’ny soratra masina na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay maneho fa na dia ireo olo-marina aza dia miaritra zava-tsarotra? Ahoana no fomba anaporofoan’ny fiainan’ny Mpamonjy izany?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no mamela ireo mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy hiaritra ny mafy ny Ray any An-danitra?
Na dia nitahy an’i Paoly tamin’ny fanambarana nahafinaritra aza Andriamanitra, anisan’izany ny fahitana ny fanjakana selestialy (jereo ny 2 korintiana 12:1–4), dia mbola tsy maintsy nisedra fangirifiriana sy fitsapana ny finoany ihany i Paoly. Vakio ny 2 korintiana 12:7 mba hahitana ny zavatra nampitahain’i Paoly tamin’ny iray amin’ireo fitsapana nosedrainy.
-
Ahoana no fomba mety ahafahan’ny “tsilo [amin’ny] nofo” mamaritra tsara ny fitsapana manokana sasany?
-
Inona ny fampitahana azonao ampiasaina mba hamaritana fitsapana manokana anankiray izay efa nosedrainao na niaretan’olona akaikin’ny fonao? Nahoana?
Vakio ny 2 Korintiana 12:8–10 mba hahitana ny zavatra izay niainan’i Paoly rehefa nivavaka izy mba hanesorana ny “tsilo tamin’ny nofo[ny]”. Rehefa mamaky ianao dia ataovy ao an-tsaina fa ny teny hoe fahasoavana dia midika hoe “ny fanampiana sy ny tanjaka … omena amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahasoavana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny Etera 12:27).
Fahamarinana anankiray azontsika ianarana avy amin’ny zavatra izay niainan’i Paoly ny hoe tsy voatery hanaisotra hatrany ireo fanamby izay atrehantsika ny Tompo, fa afaka mahazo hery avy amin’ny fahasoavany isika rehefa miaritra azy ireny amim-pahatokiana.
-
Ahoana no ahitanao izany fahamarinana izany mivaingana eo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy? (jereo ny Lioka 22:41–44).
Mitadiava ary mamakia tantara anankiray avy ao amin’ny soratra masina farafahakeliny ka mampiseho ny fomba ahafahan’ny Tompo mitahy ireo izay miaritra fitsapana amim-pinoana Azy. (Ireto manaraka ireto misy soso-kevitra amin’ireo tantara izay mety hosafidianao.)
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–8; 122:7–9. (Nivavaka i Joseph Smith rehefa nijaly tao amin’ny Fonjan’i Liberty izy.)
-
Môzià 24:8–15. (Babon’ireo Lamanita ny vahoakan’i Almà ary niaina teo ambany fifehezan’i Amiolôna izay mpisorona ratsy fanahy izy ireo.)
ChurchofJesusChrist.org
-
Inona ny zavatra izay nianaranao momba ny fiaretana fitsapana amim-pinoana an’i Jesoa Kristy?
Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
Ahoana ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ohatra momba ny fahamarinana izay nampianarina tao amin’ity lesona ity?
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza izao manaraka izao momba ny Lioka 22:41–44:
Eto isika dia mahita ny finoana sy fahatokiana tanteraky ny Mpamonjy ho an’ny Ray any An-danitra. “Kanefa,” hoy izy, “aoka tsy ny sitrapoko anie no atao, fa ny anao.” Ny valin-tenin’ny Ray dia ny handà ny fitalahoan’ny Zanany Lahitokana. Ny Sorompanavotana dia tsy maintsy nataon’ilay zanak’ondry tsy nisy kilema. Kanefa na dia nolavina aza ny fangatahan’ny Zanaka, dia voavaly ny vavaka izay nataony. Ny Soratra Masina dia mirakitra ny hoe: “Ary nisy anjely niseho taminy avy tany an-danitra, nampahery azy” (DJS, Lioka 22:43).
(Dallin H. Oaks, “Faith in the Lord Jesus Christ,” Ensign, May 1994, 100)
Inona ny zavatra izay atolotry ny Mpamonjy ho antsika mandritra ireo fitsapana lalovantsika?
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara toy izao:
Ny hery manasitran’i Jesoa Kristy Tompo—na izany manaisotra ny enta-mavesatsika na izany mampahatanjaka antsika mba hiaritra sy hiara-hiaina miaraka amin’izy ireo tahaka ny Apôstôly Paoly—dia eo hatrany mandritra ny fahoriana rehetra izay lalovana eto an-tany.
(Dallin H. Oaks, “He Heals the Heavy Laden,” Liahona, Nov. 2006, 8)
Ahoana no fomba ahafahan’ireo ady izay ataontsika manampy antsika hitahy ireo izay manodidina antsika?
Nampianatra ny Rahavavy Reyna I. Aburto, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:
Tsy mamaritra ny momba anao ireo ady izay atrehanao, fa afaka manadio anao kosa. Noho ilay “tsilo [natsatoka teo amin’ny] nofo,” dia afaka manana fahafahana haneho fangorahana bebe kokoa ny hafa ianao.
Reyna I. Aburto, “Na inona re miseho, mitoera eto!Liahona, nôv. 2019, 59)
Afaka manasitrana ireo rehetra manam-pinoana ny ho sitrana ve ireo izay mihazona ny fisoronana?
Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
Na dia afaka manasitrana ny olona rehetra izay mety ho sitrana aza ny Mpamonjy, dia tsy marina kosa izany ho an’ireo izay mihazona ny fahefan’ny fisoronany. Ny fampiasana izany fahefana izany dia voafetra amin’ny alalan’ny sitrapon’Ilay tompon’ny fisoronana. Vokatr’izany, voalaza fa ny sasany amin’ireo izay omen’ny loholona tsodrano dia tsy ho sitrana satria izy ireo dia “voatendry ny ho faty” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:48]. Mitovy amin’izany ihany, rehefa nikatsaka ny hositranina avy tamin’ny “tsilo [amin’ny] nofo” izay nandratra azy i Paoly Apôstôly (2 Korintiana 12:7), dia tsy nanaiky ny hanasitrana azy ny Tompo.
(Dallin H. Oaks, “He Heals the Heavy Laden,” Liahona, Nov. 2006, 7)