Seminera
2 Korintiana 13


2 Korintiana 13

“Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia”

Sary
Vehivavy iray mijery ny sariny eo amin’ny varavaran-kelin’ny trano iray. Afaka mahita lalana eo amin’ny tanan-dahibe ianao ao an-damosin’izany.

Matetika ireo mpitarika ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra no lasibatry ny fanakianana. Nanjary nanakiana an’i Paoly ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao. Novaliany tamin’ny fanasana azy ireo handinika ny fifandraisan’izy ireo manokana amin’i Kristy izany. Ity lesona ity dia afaka hanampy anao handresy ny fakam-panahy hitsikera ny hafa, anisan’izany ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny fandinihana ny fahatokianao ny Tompo.

Fanontaniana amin-kitsim-po sa fanakianana?

  • Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ny fomba mety hanakianan’ny olona ankehitriny ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana?

  • Inona no maha-samy hafa ny fananana fanontaniana amin-kitsim-po na fanahiana mikasika ny zavatra nampianarin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana amin’ny zavatra nolazainy ho fitsikerana izany olona izany?

Amin’ny ankapobeny, midika hoe mitsara ny olona iray amin’ny lafiny ratsy ny fitsikerana azy, milaza ny tsininy na ny fahadisoany. Ao amin’ny soratra masina, ny tsikera dia azo lazaina hoe fitenenan-dratsy na fimonomononana amin’olona iray.

Azo atao ny mahatakatra ny fahadisoana na ny fahalemen’ny hafa nefa tsy mitsikera azy. Mitsikera isika rehefa miresaka na manoratra momba ny hafa amin’ny fomba mitsara na amin’ny fomba ratsy.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mandresy ny fakam-panahy hitsikera ny hafa, anisan’izany ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana?

Rehefa mandalina ny 2 Korintiana 13 ianao dia tadiavo ny fomba ahafahantsika misoroka ny fitsikerana, indrindra fa ireo izay nantsoin’ny Tompo hitarika ao amin’ny Fiangonany.

Fitsikerana, fitenenan-dratsy, ary fimonomononana

Toa nitsikera ampahibemaso an’i Paoly ny sasany tamin’ireo Olomasina tao Korinto (jereo ny 2 Korintiana 10:10; 12:10–15). Ao amin’ny 2 Korintiana 13:1–2, i Paoly dia niantso azy ireo hibebaka tamin’ny fiteny mahery.

Vakio ny 2 Korintiana 13:3, ka tadiavo ny zavatra notadiavin’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany tany Korinto hoporofoin’i Paoly. Mety ho porofo fanampiny amin’ny fitsikerana an’i Paoly ampahibemaso ny fitakian’ireo olona ireo porofo fa tena niteny ho an’i Kristy tokoa izy. Vakio ity teny manaraka nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity, ka tadiavo hoe inona no fiantraikan’ny fitsikerana ireo mpitarika antsika eo amintsika.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Henry B. Eyring nalaina tamin’ny martsa 2018.

Ny Filoha George Q. Canon dia nanome fampitandremana izay hampitaiko aminareo toy ny avy aty amiko koa. Mino aho fa nilaza ny marina izy: “… Tsy misy olona … afaka hiteny ratsy ny voahosotry ny Tompo sy hitady fahadisoana amin’ny fahefan’ Andriamanitra eto an-tany ka tsy hiharan’ny hatezerany. Ny Fanahy Masina dia hisintaka amin’ny olona toy izany, ka dia handeha anaty haizina izy. Araka izany, tsy hitanareo ve ny maha-zava-dehibe ny tokony hitandremantsika?”

(Henry B. Eyring, “Ny herin’ny fanohanana entanim-pinoana,” Liahona, mey 2019, 59)

Vakio ny 1 Nefia 2:12–13, 16, 19–21. Ampitahao amin’ny fihetsika mahatoky nataon’i Nefia ny fimonomononan’i Lamàna sy i Lemoela tamin’i Lehia sy ny Tompo.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ampianarin’io tantara io mikasika ny maha-samy hafa ny fitsikerena amin’ny fampiharana finoana ary ny vokatra ateraky ny tsirairay amin’izany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no misintaka ny Fanahy rehefa “miteny ratsy” na “mitady fahadisoana” amin’ireo izay nantsoin’ny Tompo hitarika ny Fiangonany ny olona?

  • Inona avy ireo fomba ahafahantsika manao asa amim-pinoana raha toa ka manana fanontaniana mikasika ny zavatra nampianarin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana isika na tsy miombon-kevitra amin’ny zavatra nampianariny?

Mifady ny fitsikerana

Vakio ny 2 Korintiana 13:5–6, ka tadiavo ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo Olomasina Korintiana izay nanontany azy raha toa ka niteny tamin’ny alalany ny Tompo izy na tsia. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny olona nolavina dia olona tsy mendrika na tsy mahomby tamina fitsapana iray.

Farano araka ny zavatra nampianarin’i Paoly ity teny manaraka ity: Isika dia tsy tokony hitsikera ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fa tokony …

Mety ho nahita fitsipika toy izao ianao avy tao amin’ny 2 Korintiana 13:5:

Tokony handinika ny fahatokiantsika ny Tompo isika fa tsy hitsikera ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana.

Nilaza izao manaraka izao ny Filoha Eyring mikasika ny fihetsika asehontsika amin’ ireo izay nantsoin’ ny Tompo hanompo. Tadiavo ny fomba hanamafisan’ny teniny ny zavatra nampianarin’ i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 13:3, 5:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Henry B. Eyring nalaina tamin’ny martsa 2018.

Mitaky finoana ny fahatokiana marina fa mahafantatra tanteraka ny olona antsoiny [i Jesoa Kristy], na ny fahaiza-manaony na ny zavatra mety ho vitany, ka noho izany dia tsy manao fahadisoana Izy amin’ny olona antsoiny.

Mety hampitsiky na hampihifikifi-doha ny sasany izay manatrika eto izany, na ireo izay mihevitra fa mety ho fahadisoana ny antso nomena azy ireo manokana, na ireo izay mieritreritra ny olona sasany izay fantany fa tsy hahavita ny antso nomena azy ireo ao amin’ny fanjakan’ny Tompo. Ny torohevitra omeko an’ireo vondrona roa ireo dia ny hanatsahatra ny fitsaratsarana toy izany mandra-pahitanareo tsara kokoa ny zavatra izay hitan’ny Tompo. Ny fitsarana ilainareo atao, ho solon’izay, dia ny hoe manana ny fahafahana handray fanambarana sy hanao asa mifanaraka amin’izany tsy amin-tahotra ianareo.

(Henry B. Eyring, “Mitarika ny Fiangonany ny Tompo,” Liahona, nôv. 2017, 82)

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahan’ny torohevitry ny Filoha Eyring manampy antsika raha alaim-panahy hitsara na hitsikera ireo mpitarika nofidin’ny Tompo isika?

  • Amin’ny fomba ahoana no hoe manampy antsika tsy hanaratsy na hitsara ny hafa ny fandinihana ny fahatokiantsika an’i Jesoa Kristy?

Diniho ny tenanao

Rehefa manao dinidinika mikasika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly isika dia anontaniana raha toa ka manohana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Nanolotra fanontaniana vitsivitsy afaka manampy antsika hiomana hamaly izany ny Filoha Eyring. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo am-pisaintsainanao ireo fanontaniana ireo.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Henry B. Eyring nalaina tamin’ny martsa 2018.

Mety efa nanontaniana ianareo, na mbola hanontaniana, raha toa ka manohana ny evekanareo, ny filohan’ny Tsatòka, ireo Manampahefana Ambony sy ireo mpiandraikitra ambony ato am-piangonana. …

… Afaka miomana ianareo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana amin’ny tenanareo toa ireto manaraka ireto:

  1. Efa nihevitra na niteny momban’ny fahalemena araka ny maha-olombelona nananan’ireo olona izay efa nanaovako fianianana fa ho tohanako ve aho?

  2. Efa nikatsaka porofo ve aho fa ny Tompo dia mitarika azy ireo?

  3. Efa nanaraka tamin-tsitrapo sy tamim-pahatokiana ny fitarihan’izy ireo ve aho?

  4. Efa niteny mikasika ny porofo izay hitako ny amin’ny maha-mpanompon’ Andriamanitra azy ireo ve aho?

  5. Moa ve aho mivavaka tsy tapaka ho azy ireo manonona ny anarany sy amim-pitiavana?

Ho an’ny ankabetsahany amintsika, ireo fanontaniana ireo dia hitarika tsy fahazoan’aina sy filana hibebaka.

(Henry B. Eyring, “Ny herin’ny fanohanana entanim-pinoana,” Liahona, mey 2019, 59)

Raha “hitarika tsy fahazoan’aina” ireo fanontaniana ireo dia mivavaha ary manorata momba ny zavatra azonao atao mba hibebahana sy hiovana.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no loza miandry raha toa ka mitsikera ireo izay antsoin’ny Tompo?

Nampianatra toy izao ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44):

Sary
Sary tapaka an’ny Mpaminany Joseph Smith Zanany Mihodina any amin’ny ilany ny lohan’i Joseph Zanany, mitodika telo ampahefany, ny tanana havanana eo amin’ny valahany ary ny tanany havia mitazona taratasy. Manao akanjo volontsôkôlà matroka no anehoana azy miaraka amin’ny lobaka fotsy sy karavato.

[Raha misy olona iray] mitsangana mba hanameloka ny hafa, sy mahita fahadisoana amin’ny Fiangonana, sy milaza fa diso lalana izy ireo, fa izy tenany no marina, dia fantaro tsy amim-pihambahambana, fa io olona io dia ao amin’ny lalan-dehibe mitondra mankany amin’ny fihemorana; ary raha tsy mibebaka izy, dia hihemotra, raha mbola velona koa Andriamanitra.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 318)

Mety ve ny manana fanontaniana?

Nampianatra toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Mety ve ny manana fanontaniana mikasika ny Fiangonana na ny fotopampianarany? Ry tanora namako, olona mpametram-panontaniana isika … satria fantatsika fa mitondra any amin’ny fahamarinana ny fametrahana fanontaniana. …

… Mety hahatsapa tena ho menatra na tsy mendrika ny sasany noho ny fananana fanontaniana sarotra mila valiny momba ny filazantsara, kanefa tsy tokony hahatsapa toy izany izy ireo. Tsy midika fahalemena ny fametrahana fanontaniana fa izany no fanombohan’ny fitomboana. …

Aza matahotra; mametraha fanontaniana. Meteza ho tia karokaroka, saingy aza misalasala! Tano mafy hatrany ny finoana sy ny hazavana efa noraisinao. Satria tsy ho takatsika avokoa ny zava-drehetra mandritra ity fiainana ity. Tsy hazava avokoa ny zava-drehetra amin’izao fotoana izao.

(Dieter F. Uchtdorf, “The Reflection in the Water” [Fampaherezam-panahy an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 1 nôv. 2009], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Moa ve tsy mba diso ny mpaminany?

Hoy i Sheri Dew, mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha hoe:

Sary
Sarin’i Sheri L. Dew, 2001.

Misy olona sasany manahy tokoa noho ny tsy fananana valiny amin’ilay fanontaniana manao hoe: Nefa, tsy mety diso ve ny mpaminany sy ny mpahita ary ny mpanambara? Diso io fanontaniana io. Ny tsara kokoa dia ny hoe, Iza marina ireo mpaminany? Izy ireo no notendrena ho mpihazona ny fanalahidin’ny fisoronana izay manome fahefana hizarana ny herin’ny Tompo manerana ny tany. Mety tsy ho tongalafatra izy ireo. Saingy izy ireo no mpitarika entanim-panahy tonga lafatra indrindra eto an-tany, ary madio tanteraka ny hany antony manosika azy ireo—mba hanampiana sy hanondroana antsika ny lalantsika miverina mankany amin’i Jesoa Kristy.

(Sheri Dew, “Prophets” [BYU–Fampaherezam-panahy Pathway Worldwide, 13 jolay 2021], 2, byupathway.org/speeches)

Hamoaka printy