Seminera
2 Korintiana 8–9


2 Korintiana 8–9

Fikarakarana ny mahantra

Sary
Zatovolahy roa mijoro eo an-tokonam-baravarana manangona fanatitra amin’ny fifadian-kanina avy amina vehivavy zokiolona iray.

Miahy lalina ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra i Jesoa Kristy ary manasa antsika Izy mba hiaraka Aminy hanampy ny mahantra sy ny sahirana. I Paoly dia nanasa ny Olomasina Korintiana hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fahafoizana ny fananany hikarakarana ny mahantra. Ity lesona ity dia afaka hanampy anao hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fizarana izay anananao amin’ireo sahirana.

Olana lehibe

Niresaka mombana olana lehibe iray ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Eritrereto ny olana vitsivitsy azo amenozna araka ny tokony ho izy ny banga amin’ity teny notsoingaina manaraka ity.

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nalaina tamin’ny Janoary 2018.

Tao anatin’ny tantara rehetra hatrizay ka hatramin’izao dia ny no anisan’ny olana lehibe sy mihanaka indrindra atrehin’ny olombelona. Ny olana aterany hita mazava dia mazàna ara-batana, kanefa mety handrendrika bebe kokoa aza ny fahasimbana ara-panahy sy ara-pihetsehampo entiny.

Jeffrey R. Holland, “Moa tsy mpangataka avokoa va isika?,” Liahona, nôv. 2014, 40)

Ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy

Sary
I Jesoa Kristy (eo amin’ny farihin’i Betesda) manainga lamba iray izay ahitana lehilahy iray manana fahasembanana matory ao ambaniny. Mijery an’ilay lehilahy amim-pangorahana i Kristy ary manolotra an’ilay lehilahy ny tanany. Misy olona hafa mivondrona manodidina ilay farihy sy manodidina an’i Kristy.

I Paoly dia nizara ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mba hamporisihana antsika hanome izay ilain’ny hafa amin’ny fitiavana amin-kitsim-po.

Vakio ny 2 Korintiana 8:9, ka tadiavo ny ohatra tsy mitaky tambiny nasehon’i Jesoa Kristy tamin’ny zavatra nomeny antsika.

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Paoly holazaina rehefa nanoratra izy fa tonga nahantra i Jesoa mba hampanan-karena antsika?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny epistilin’i Paoly ny hoe rehefa takatsika ny zava-drehetra nataon’ny Mpamonjy ho antsika dia hazoto kokoa isika hanome ny hafa.

Ampianarina ao anatin’ny soratra masina, anisan’izany ny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny maha-zava-dehibe ny fikarakarana ireo sahirana. Vakio ireto fampianaran’i Paoly manaraka ireto, miaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’ny Bokin’i Môrmôna, ka tadiavo ny zavatra ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fikarakarana ny hafa. Hevero ny hampifandray ireo andinin-tsoratra masina.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona araka ny hevitrao no tian’ny Tompo hataontsika anio mba hiainana ny zavatra ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina tsirairay ireo?

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba ahafahan’ny fahalalahan-tanan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hanova antsika.

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, janoary 2016.

Isika tsirairay dia nahazo fanomezam-pahasoavana izay tsy azontsika amin’ny tenantsika samirery, dia ireo fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Raintsika any An-danitra, anisan’izany ny fanavotana amin’ny alalan’ny sorona manavotr’i Jesoa Kristy. Nahazo fiainana isika teto amin’ity izao tontolo izao ity; hahazo fiainana isika aorian’izany, ary famonjena mandrakizay sy fisandratana, raha toa ka misafidy ny hahazo izany. Izany rehetra izany dia noho ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Isaky ny mampiasa ireny fanomezana ireny isika, na mahazo tombontsoa avy amin’ireny, na koa mieritreritra azy ireny fotsiny, dia tokony hosaintsainintsika ny sorona, ny fahalalahan-tanana, ary ny indrafon’ireo mpanome azy ireny. Ny fanajana lalina ireo mpanome dia mitondra zavatra mihoatra noho ny hoe mahatonga antsika ho be fankasitrahana fotsiny. Afaka manova antsika ary tokony hanova antsika ny fisaintsainana momba ireo fanomezana avy amin’Izy Ireo.

(Dale G. Renlund, “Saintsaino ny hatsaram-po sy ny halehibeazan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2020, 42)

  • Ahoana no ahafahan’ny fisaintsainana ny fahalalahan-tanan’i Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manova antsika?

Mikarakara ny mahantra amin’izao androntsika izao

Ny Filoha Russell M. Nelson dia namaritra ny roa amin’ireo fomba maro ampiasan’ny Mpamonjy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny mba hikarakarana ny mahantra maneran-tany amin’izao androntsika izao. Vakio ity teny manaraka ity na azonao atao ny mijery ny “Ny didy lehibe faharoa” (mari-potoana 6:15 ka hatramin’ny 8:51), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Nanolotra vola roa lavitrisa dôlara mahery ny Sampana fiantrana olona ao amin’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hoentina hanampiana ireo olona mila fanampiana manerana izao tontolo izao. Io fanampiana io dia atolotra an’ireo olona izay tokony hotolorana izany tsy an-kijery izay fiangonany, na ny zom-pireneny, na ny firazanany, na ny fironany amin’ny lehilahy na amin’ny vehivavy, na ny maha-hoe lehilahy na vehivavy na zavatra hafa ankoatra izay azy, na ny hevitra ara-pôlitika tohanany.

Tsy izay fotsiny ihany. Mba hanampiana ny mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo ao anatin’ny fahasahiranana lalina, dia tiantsika sy iainantsika ilay lalàn’ny fifadian-kanina efa hatry ny ela [jereo ny Isaia 58:3–12]. Miaritra hanoanana isika mba hanampiana ireo izay noana. Indray mandeha isam-bolana dia tsy mihinan-kanina isika ary manome ny vidin’ilay sakafo (sy mihoatra izany) mba hanampiana ireo sahirana.

(Russell M. Nelson, “Ny didy lehibe faharoa,” Liahona, nôv. 2019, 97–98)

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no hitanao ho manan-danja indrindra tamin’ny tenin’ny Filoha Nelson?

  • Ahoana no hanazavanao ny fifadian-kanina sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin’ny olona iray izay mbola tsy mahalala tsara momba izany?

  • Ankoatra ny fanomezana ara-bola atolotra ny Fiangonana, inona ireo fomba hafa ahafahantsika manampy ny Tompo hikarakarana ireo sahirana? Iza no olona naneho ohatra tsara taminao tamin’ny fiainana ity fitsipika ity?

Inona no tian’Andriamanitra hataonao?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa ilaintsika ny mangataka fitarihana amin’ Andriamanitra mba hanampiana ireo manodidina antsika.

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nalaina tamin’ny Janoary 2018.

Tsy fantatro mazava tsara hoe ahoana no fomba tokony hanatanterahan’ny tsirairay aminareo ny adidinareo amin’ireo izay tsy manampy na tsy afaka manampy ny tenany. Kanefa fantatro fa mahafantatra izany Andriamanitra, ary hanampy sy hitarika anareo Izy amin’ireo asa feno famindrampo atao amin’ny maha-mpianatra rehefa vonona sy mivavaka mafy ianareo ka mikatsaka fomba hitandrovana didy iray izay naverimberiny nomena antsika.

(Jeffrey R. Holland, “Moa tsy mpangataka avokoa va isika?,” Liahona, nôv. 2014, 41)

Manaova drafitra hampiharana ny eritreritra sy fahatsapana izay mety ho azonao androany mba hanampiana ireo manodidina anao. Raha mbola tsy azonao antoka hoe iza ilay olona tian’ny Ray any An-danitra hampianao na ny fomba hanampiana azy ireo, dia mivavaha mba hahazo fitarihana ary mitadiava fotoana hanompoana ireo manodidina anao, anisan’izany ny olona ao amin’ny fianakavianao. Hamaly ny vavaka ataonao amin’ny fombany manokana sy ny fotoany Andriamanitra.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no ampiasana ny fanomezana atolotra ny Fiangonan’ny Mpamonjy mba hanamaivanana ny fahantrana ankehitriny?

  • Tsidiho ny tranonkala latterdaysaintcharities.org raha te hamantatra ny valin’io fanontaniana io sy ny maro hafa.

  • Jereo ny horonantsary “Why We Need a Savior (Nahoana isika no mila Mpamonjy)” (3:13), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  •  ChurchofJesusChrist.org

  •  ChurchofJesusChrist.org

Ahoana no ahafahako manampy ny manodidina ahy amin’ny fomba hafa ankoatra ny fanomezana vola?

Ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson, Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha, dia nizara ny iray tamin’ireo hevitra maro:

Sary
Sary ôfisialin’i Bonnie Lee Green Oscarson, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany, 2013. Notohanana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana ny aprily 2013.

Ry zandry namako isany, afaka manome toky anareo aho fa hisy olona iray foana isaky ny fivoriana any am-piangonana atrehanareo izay irery, na manana olana dia mila namana, na mahatsapa ho tsy manana tsara ny toerany. Manana anjara biriky manan-danja entina ianareo isaky ny fivoriana na fiaraha-mientana, ary ny Tompo dia maniry ny hijerijerenareo ireo mpiara-miangona aminareo, dia avy eo manompo toy ny ho nanompoany.

(Bonnie L. Oscarson, “Ireo filàna fanampiana eo anoloantsika,” Liahona, nôv. 2017, 26)

Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) hoe:

Sary
Sary tapaka an’ny Mpaminany Joseph Smith Zanany Mihodina any amin’ny ilany ny lohan’i Joseph Zanany, mitodika telo ampahefany, ny tanana havanana eo amin’ny valahany ary ny tanany havia mitazona taratasy. Manao akanjo volontsôkôlà matroka no anehoana azy miaraka amin’ny lobaka fotsy sy karavato.

[Ny mpikamban’ny Fiangonana] dia natao hamahana ny noana, hampitafy ny mitanjaka, hanome izay ilain’ny mpitondratena, hamafa ny ranomason’ny kamboty, hampionona ny ory, na ato amin’ity fiangonana ity, na any amin’ny hafa, na tsy anisan’ny fiangonana mihitsy akory aza, fa na aiza na aiza misy azy ireo.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 426)

Hamoaka printy