Seminera
Efesiana 1


Efesiana 1

“[Hanangona] ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy”

Sary
Joseph Smith Zanany mandohalika ao amin’ilay Ala Kely Masina mandritra ny Fahitana Voalohany. Nisy tara-pahazavana nidina nanazava an’i Joseph.

Moa ve ianao efa nieritreritra hoe ho nanao ahoana ny fiainanao raha toa ka tsy nisy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny? Ao anatin’ny epistiliny ho an’ireo Efesiana dia nampianatra i Paoly fa hisy Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy hitranga alohan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hamantatra ireo fitahiana misy satria naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny tety an-tany ny filazantsarany amin’ny andro farany.

Mampatanjaka ireo vao niova fo

Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana izay vao niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ianao.

  • Inona no mety ho eritreritrao sy ny ahiahinao momba azy ireo?

  • Inona no zavatra azonao atao mba hanampiana ny namanao hitombo amin’ny fahalalany ny filazantsara sy hijanona ho mahatoky hatrany amin’ny fanekempihavanany?

Tao amin’ny taratasiny ho an’ireo Efesiana, ny Apôstôly Paoly dia niresaka tamin’ireo Olomasina izay tany Efesosy sy ireo faritra manodidina. Ny tanjony dia ny hampatanjaka ireo izay efa mpikamban’ny Fiangonana ary hanampy ireo izay niova fo vao haingana mba hitombo amin’ny fahalalana ara-panahy sy hijanona ho mahatoky amin’ny fanekempihavana izay nataon’izy ireo. Ny sasany amin’ireo fotopampianarana izay nampianariny ato amin’ity taratasy ity dia ahitana ny fanendrena mialoha (jereo ny Efesiana 1:4–6); ny herin’ny famehezan’ny Fanahy Masina (jereo ny Efesiana 1:13–14); ny maha zava-dehibe ny mpaminany sy ny apôstôly (jereo ny Efesiana 2:19–22); ny hevitry ny hoe Fiangonana iray marina sy miray hina (jereo ny Efesiana 4:1–7); ary ireo anjara fanompoana sy antso ary andraikitra samihafa ao anatin’ny rafitry ny Fiangonana (jereo ny Efesiana 4:11–14).

Fotopampianarana anankiray hafa izay nampianarin’i Paoly mba hampatanjahana ny mpikambana tamin’ny androny ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampahery ireo Olomasina tamin’ny andron’i Paoly ny fianarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany?

Rehefa mandalina ity lesona ity mikasika ny zavatra izay nampianarin’i Paoly sy ireo hafa momba ny Famerenana amin’ny laoniny ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’io fotopampianarana io manamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

Ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana

Ny fotoampitantanana dia fotoana anankiray izay anambaran’ny Tompo ny fahamarinany sy ny fahefan’ny fisoronana ary ireo ôrdônansy ho an’ny olona eto an-tany. Maro ny fotoampitantanan’ny filazantsara nandritra ny tantaran’izao tontolo izao.

Ao amin’ny epistilin’i Paoly ho an’ireo Efesiana, dia naminany momba ny fotoampitantanana anankiray manokana i Paoly. Vakio ny Efesiana 1:10, ary tadiavo ny fotoampitantanana manokana izay naminanian’i Paoly sy ireo zavatra izay hitranga mandritra izany fotoana izany.

Ny Efesiana 1:10 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana.

  • Inona no fotoana hoavy izay tian’i Paoly ambara ao amin’ny Efesiana 1:10?

  • Inona ny zavatra izay novinanian’i Paoly fa hitranga mandritra ny “fotoampitantanana amin’ny fahafenoan’ny fotoana”?

Miaina ao anatin’ny fotoam-pahafenoana

Tamin’ny fotoampitantanana teo aloha, dia nanambara fahamarinana, soratra masina, fanekempihavanana ary hery maro tamin’ireo mpaminaniny ny Tompo. Fahamarinana anankiray izay ianarantsika ao amin’ny Efesiana 1:10 ny hoe mandritry ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana dia haverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra avy tamin’ireo fotoampitantanana teo taloha.

Alaovy sary an-tsaina hoe ny renirano tsirairay ao amin’ity sary manaraka ity dia maneho fotoampitantanan’ny filazantsara avokoa.

Sary
Sarina renirano mikoriana mankany amin’ny farihy iray.
  • Ahoana no fomba mety ahafahana mampitaha ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana amin’ny vatan-drano iray misy renirano mikoriana mankao aminy?

Ny Loholona B. H. Roberts (1857–1933) tao amin’ny Fitopololahy dia nijoro ho vavolombelona momba ny zavatra izay hitranga ao anatin’ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana.

Sary
Sary ara-tantara mainty sy fotsy an’i B. H. Roberts.

Ity no fitantanana ny fotoam-pahafenoana, ary hitantsika mikoriana mankao aminy, toy ny sakeli-drano mahery misasasasa mankany an-dranomasina, ireo fotoampitantanana rehetra teo taloha, ka mampifandray antsika amin’izy ireny, mampifandray azy ireny amintsika; ary hitantsika fa tsy nanana afa-tsy ny tanjona lehibe anankiray ihany Andriamanitra raha jerena hatrany am-piandohana, dia ny famonjena ny zanany izany. Ary tonga izao ny andro farany, ny fotoampitantanana farany, rehefa tsy maintsy hanafotra ny tany ny fahamarinana sy ny fahazavana ary ny fahitsiana.

(B. H. Roberts, in Conference Report, Oct. 1904, 73)

  • Inona avy ireo fahamarinana, soratra masina, fanekempihavanana, ary hery avy amin’ireo fotoampitantanana teo aloha izay naverina tamin’ny laoniny na navoaka tamin’ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana?

Ny fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny

Nandritry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany manan-tantara natao tamin’ny volana aprily 2020 izay nankalazana ny faha-200 taonan’ny niandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany, ny Filoha Russell M. Nelson dia nampahafantatra “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona” (ChurchofJesusChrist.org). Makà minitra vitsivitsy hamakiana izany fanambarana izany, ary eritrereto ireo fomba nitahiana ny fiainanao noho ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

  • Inona avy ireo zavatra izay nanaitra anao tao amin’ilay fanambarana momba ny Famerenana amin’ny laoniny?

  • Inona no zavatra mety hozarainao amin’ny mpikamban’ny Fiangonana anankiray izay tsy mahazo antoka raha toa ka mino ny Famerenana amin’ny laoniny izy ireo na koa tsy mahatsapa fa manan-danja aminy izany?

Makà fotoana fohy handinihana ireo fomba rehetra izay nitahian’i Jesoa Kristy ny fiainanao tamin’ny alalan’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.

Saintsaino sy eritrereto ity lisitra ity rehefa mijery ny horonan-tsary “President Nelson—What Does the Restoration Mean for You?” (1:06), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ianao.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo lafiny manokana amin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay tena ankasitrahanao manokana? Inona no fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao?

  • Inona araka ny eritreritrao no zavatra izay tian’ny Tompo hataonao mba handraisanao anjara amin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana mba hanampiana amin’ny fanangonana ny hafa ho eo Aminy?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny asa Famerenana amin’ny laoniny?

Nampianatra toy izao ny Mpaminany Joseph Smith (1805–1844):

Sary
Sary tapaka an’ny Mpaminany Joseph Smith Zanany Mihorirana ny lohan’i Joseph Zanany, mitodika telo ampahefany, ny tanana havanana eo amin’ny valahany ary ny tanany havia mitazona taratasy. Manao palitao ambony ambany miloko volontsôkôlà matroka no anehoana azy miaraka amin’ny lobaka fotsy sy karavato.

Navela ho antsika [amin’ny andro farany] ny hahita, ny handray anjara ary ny hanampy hampandroso voninahitry ny Andro Farany, -ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana, izay hanangonan’ Andriamanitra ny zava-drehetra any an-danitra, sy ny zava-drehetra ety an-tany, ho iray ihany- [jereo ny Efesiana 1:10]. … [Izy ity] dia asa izay nosaintsainin’ Andriamanitra sy ny anjely tamim-pifaliana ho an’ny taranaka fara mandimby; izay nampiredareda ny fanahin’ireo patriarka sy mpaminany fahiny; asa iray izay voatendry hitondra ny fandringanana ny herin’ny maizina, ny fanavaozana ny tany, ny voninahitr’ Andriamanitra ary ny famonjena ny fianakavian’olombelona.”

(Joseph Smith, Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [Enseignements des Présidents de l’Église [2007], 513–15)

Inona no atao hoe fotoampitantanana?

Inona marina no atao hoe Famerenana amin’ny laoniny?

Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny laoniny eo amin’ny fiainako?

Zatovolahy sy zatovovavy mizara fa tena misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro ireo tranga niseho nanodidina ny Famerenana amin’ny laoniny.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2019, ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara ireo fanontaniana momba ny dinidinika hahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, izay ahitana ilay fanontaniana hoe “Manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ve ianao?” (jereo ny “Lahateny famaranana,” Liahona, nôv. 2019, 120).

Saintsaino ny antony hampidirana io fanontaniana io ho anisan’ny fepetra takiana mba hidirana ao an-tranon’ny Tompo. Ahoana no fomba ahafahan’ny fahatakarana, sy ny finoana, ary ny fandraisana anjara amin’ny Famerenana amin’ny laoniny misy fiantraikany amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Inona no dikan’ny hoe mbola mitranga ny Famerenana amin’ny laoniny?

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia niresaka momba ny toetra mitohy ananan’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary nalaina tamin’ny 2004.

Indraindray isika mihevitra ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny ho toy ny efa vita, sy efa nitranga tany aloha—Nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith, nahazo ireo fanalahidin’ny fisoronana izy, najoro ny Fiangonana. Kanefa raha ny marina dia zavatra mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny, ary miaina ao anatiny mihitsy isika amin’izao fotoana izao. Izany dia ahitana ny “zava-drehetra izay efa nambaran’ Andriamanitra, izay hambarany ankehitriny,” ary ny “zavatra lehibe sy manan-danja maro” izay “mbola hambarany” (Ireo Fanekem-pinoana 1:9). Ry Rahalahy isany, ny fandrosoana mampientanentana amin’izao andro izao dia tafiditra ao anatin’ilay fotoana fiomanana efa nambara fahiny elabe, izay hiafara amin’ilay Fiaviana Fanindroan’i Jesoa Kristy Mpamonjy amim-boninahitra lehibe.

(Dieter F. Uchtdorf, “Sondrian-tory ve ianareo mandritra ny Famerenana amin’ny laoniny?,” Liahona, mey 2014, 58)

Hamoaka printy