Seminera
Fifehezana Fotopampianarana: Hebreo 12:9


Fifehezana Fotopampianarana: Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahy”

Sary
Zatovolahy iray mamaky soratra masina.

Nandritra ny fandalinanao ny Hebreo 12:9, dia nianatra momba ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra ianao, izay “Rain’ny fanahy”, sy ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Hebreo 12:9, hanazava ny fotopampianarana, sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ireo toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Tamin’ny lesona teo aloha dia nianatra ianao fa Andriamanitra no Rain’ny fanahintsika. Alaovy sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny namanao iray ianao izay manontany hoe iza izy ireo. Ampiasao ny Hebreo 12:9 hanampiana azy ireo. Rehefa mamaly ireo fanontanian’izy ireo ianao na mamaly ny olan’izy ireo dia hevero ny mampiditra izao manaraka izao:

  • Ny dikan’ny maha zanak’ Andriamanitra antsika ary ny maha-zava-dehibe ny fahafantarana izany

  • Ny mety ho fiantraikan’ny fahatakarana na ny tsy fahatakarana io fahamarinana io amin’ny maha-isika antsika sy ny lanjan’ny tenantsika manokana

  • Ireo fomba iezahan’izao tontolo izao mitaona ny fahalalantsika momba ny hoe iza isika sy ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra, ary ny antony ilantsika manohitra ireo fitaomana ireo

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny litera voalohany amin’ny teny tsirairay ao amin’ny andalan-tsoratra masina amin’ny Hebreo 12:9 sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina hoe: “Ny Ray any an-danitra dia -Rain’ny fanahy-.” Avereno ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny ka ny litera voalohany amin’ny teny tsirairay ihany no ampiasaina ho fanoroana hevitra. Isao hoe firy ny famerimberenana mila ataonao vao tsapanao fa mahatadidy izany ianao.

Fizàrana mampihatra

Mba hanampiana anao hamerina hijery ireo fitsipika telo amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia diniho ireto teny manan-danja manaraka ireto:

  • Finoana

  • Fomba fijery

  • Loharanon-kevitra

1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:

Valio ireto fanontaniana manaraka ireto. Raha ilaina dia avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

  • Ahoana no ifandraisan’ny tsirairay amin’ireo teny ireo amin’ireo fitsipika telo amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra sy mampihatra ireo fitsipika ireo?

2. Mamoròna rafi-tantara iray hanaovana fampiharana ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny alalan’ny famenoana ity fehezan-teny manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

(Anarana) dia tanora iray izay (toe-javatra na fifandirana). Izany no mahatonga azy hahatsapa . Mikasika ny fifandraisany amin’ Andriamanitra dia mieritreritra izy fa .

Ohatra, mety ho toy izao ny rafi-tantara iray efa vita:

I Leslie dia zatovo iray tena mahay amin’ireo zavatra hafa atao ivelan’ny ny fianarana ary mpitarika eo anivon’ireo tanora mitovy aminy. Mahafaly azy izany. Mikasika ny fifandraisany amin’ Andriamanitra dia mieritreritra izy fa efa mandeha tsara ny fiainany ka tsy tena hitany fa ilaina ny fifantohana be loatra Aminy.

3. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny rafi-tantara noforoninao dia mamalia fanontaniana iray farafahakeliny ao anaty diary fandalinanao avy amin’ireto fizarana tsirairay manaraka ireto.

Fakafakao ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Ahoana araka ny eritreritrao no fomba ahitan’ny Ray any An-danitra an’io olona io? Nahoana no zava-dehibe ho an’io olona io ny mahafantatra ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra azy?

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fahatakarana tsara kokoa ny toetra masina ananan’izy ireo amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo amin’izao toe-javatra izao?

Mikatsaha fahatakarana misimisy kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izay nofinidin’ Andriamanitra

  • Inona no nianaranao tamin’ny fandalinanao ny Hebreo 12:9 izay mety hanampy ao anatin’izany toe-javatra izany?

  • Inona avy ireo loharano hafa azon’ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara noforoninao halalinina samirery mba hahitana hevi-baovao fanampiny?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no zavatra niainana, na an’ny tena manokana izany na hafa izay tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ny hanao asa amim-pinoana ianao? Ahoana no ahafahanao mampiasa an’ireo mba hanampiana ilay olona amin’ilay rafi-tantara noforoninao?

  • Inona no torohevitra mety omenao ilay olona ao anatin’ny rafi-tantara noforoninao mba hanampiana azy hanao asa amim-pinoana?

Hamoaka printy