Seminera
Hebreo 12


Hebreo 12

“Fa izay tian’i Jehovah no faizany”

Sary
Young family in New Zealand playing and laughing with their children outside their home. They are playing basketball, holding the children and laughing and watching a small boy ride a trike.

Tamin’ny oviana ianao no nisy nanafay na nisy nanitsy farany? Ahoana no nasetrinao izany? Efa nisy fotoana ve ianao nankasitraka ny fanitsiana izay natao taminao? Nanoratra tamin’ireo Olomasina Hebreo i Paoly ary nanazava tamin’izy ireo fa matetika ny Raintsika any An-danitra no mampiseho ny fitiavany amin’ny alalan’ny fanitsiana antsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hianatra ny fomba ahafahan’ny fanekena amim-panetren-tena ny fanitsiana avy amin’ny Ray any An-danitra manampy anao hanana fiadanana sy mba ho tonga tahaka Azy bebe kokoa.

Ny hazakazaky ny fiainana

Sary
Rio , Brazil - 9 September 2016; Jason Smyth of Ireland on his way to winning the Men's 100m
Sary
Athlete Track or Running Track with nice scenic

Ataovy lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fomba mahatonga ny fiainanao ety an-tany ho toy ny hazakazaka lavitr’ezaka. Ohatra, azonao atao ny mamaly ireto manaraka ireto:

  • Inona ny antony mahatonga anao hahatsiaro ho reraka na sasatra?

  • Inona avy ireo fomba tsara izay efa ataonao manoloana izany hazakazaka izany ary inona kosa ireo zavatra izay mbola tokony ho hatsaraina bebe kokoa?

  • Inona ilay toerana itodianao ka ihazakazahanao amin’izao fotoana izao? Nahoana izany no manintona anao?

  • Nahoana ianao no mety mila fanampiana amin’ny famitana ny hazakazaky ny fiainana?

“Hihazakazaka amin’ny -faharetana”

Ny Apôstôly Paoly dia nampitovy ny fiainantsika amin’ny fifaninanana mihazakazaka.Vakio ny Hebreo 12:1–2 , ary tadiavo ny zavatra izay nampianarin’i Paoly mikasika ny fomba ahafahantsika manao amim-pahombiazana ny hazakazaky ny fiainana. Marihina fa ny “ vavolombelona maro be toy ny […] rahona” izay resahina ao amin’ny andininy 1 dia manondro ireo ohatry ny finoana izay voarakitra ao amin’ny Hebreo 11 .

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Manampy antsika hanao ny hazakazaky ny fiainana amin’ny fomba ahoana ny fanarahana ny torohevitr’i Paoly?

Nomarihin’i Paoly ao amin’ny andininy 2 fa naharitra ny fanomboana azy ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fifantohana tamin’ny “fifaliana napetraka teo anoloany” ( Hebreo 12:2). Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava hoe:

Maharitra ny famaizana avy amin’ny Tompo

Mieritrereta fotoana iray izay nanitsin’olona anao sy ny fihetsika nasehonao nanoloana izany fanitsiana izany.

  • Inona avy ireo antony sasantsasany izay nahatonga ny olona hanitsy anao?

  • Inona indraindray no maha-sarotra ny hoe ahitsin’ny hafa?

  • Tamin’ny oviana ianao no mba nankasitraka ny fanitsiana sasany izay natao taminao? Nahoana?

Vakio ny Hebreo 12:5–7, 9–11 , ary tadiavo ny zavatra izay nampianarin’i Paoly momba ny famaizana na fanitsiana.

  • Inona ny zavatra izay ampianarin’ireo andininy ireo momba ny tanjon’ny Ray any An-danitra amin’ny famaizany antsika?

Avereno jerena indray ny Hebreo 12:10–11 , ary tadiavo ny fomba ahafahanao mameno ity fahamarinana manaraka ity:

Raha manaiky ny famaizana avy amin’ny Ray any An-danitra isika …

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Dia ahoana raha toa aho ka mahatsapa fa voasongon’ny hafa eo amin’ny hazakazaky ny fiainana?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Tsy mifaninana izany isika samy isika mba hahitana izay manan-karena indrindra na manan-talenta indrindra na tsara tarehy indrindra na koa aza hoe izay voatahy be indrindra. Ny fifaninanana izay tena ataontsika dia ny fifaninanana hanohitra ny fahotana.

(Jeffrey R. Holland, “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka,” Liahona, mey 2012, 31)

Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny famaizana ataon’ny Ray any An-danitra ho maneho ny fitiavany antsika?

Ny soratra masina dia mampiseho tanjona kendrena maromaro amin’ny famaizan’ny Tompo. Nampianatra antsika i Paoly ao amin’ny Hebreo 12:10 fa ny Tompo dia manitsy antsika mba “hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany.” Ny fanitsiana izay nataony dia “mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy” ( Hebreo 12:11). Ny fanitsiana izay ataon’ny Tompo dia mety hiseho amin’ny endriny maro, ka manampy mandrakariva amin’ny fampianarana ny tsirairay izany ary manome ihany koa ny fanitsiana izay ilaina. Ny famaizana dia manampy ny olona hahatsiaro ny Tompo, hibebaka, handray famelan-keloka sy fanafahana, hianatra fankatoavana ary ho voadio tahaka ny volamena (jereo ny Helamàna 12:3 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:27 ; 95:1 ; 105:6 ; Joba 23:10).

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niteny momba ny famaizan’ny Tompo:

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Ny fanitsiana dia zava-dehibe raha toa ka te-hampifanaraka ny fiainantsika “[amin’]ny lehilahy lehibe [izany hoe,] mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoana n’i Kristy” ( Efesiana 4:13). Hoy i Paoly raha niresaka momba ny fanitsiana na famaizana araka ny fomban’ Andriamanitra: “Fa izay tian’i Jehovah no faiziny” ( Hebreo 12:6). Na dia sarotra aza matetika ny miaritra, dia tena tokony ho faly isika fa mbola raisin’ Andriamanitra ho zava-tsarobidy ka andaniany ny fotoany ary mbola ahitsiny.

(D. Todd Christofferson, “Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko,” Liahona, mey 2011, 97–98)

Hamoaka printy