Seminera
Hebreo 11, Fizarana 1


Hebreo 11, Fizarana 1

Finoana an’i Jesoa Kristy

Sary
A woman holding a small picture of Jesus Christ. The picture is a reproduction of a painting by Robert Barrett.

Maro ireo olona miresaka ny fananany finoana—amin’ny tenany, amin’ny hafa, ary eny hatramin’ny zava-mitranga na zavatra iray aza. Noho izany, inona ny antony mahatonga ny fananana ny finoana an’i Jesoa Kristy ho mampanan-kery no sady manan-danja? Hitantsika ao amin’ny Hebreo 11 ny fampianaran’ny Apôstôly Paoly mahakasika ny fampitomboana ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia hanampy anao hahatakatra ny atao hoe finoana an’i Jesoa Kristy sy ny maha-zava-dehibe izany aminao manokana.

Ny fahazoana antoka avy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy

  • Inona ny zavatra mety holazainao raha sendra ka misy olona manontany anao hoe inona no atao hoe finoana?

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao na amin’ny taratasy fandraisana naoty nomerika ny famaritana izay hitanao. Hevero ny hanova na hanampy ilay famaritana sy handray an-tsoratra ireo eritreritra sy fahatsapana hafa rehefa manao fandalinana ianao anio.

Vakio ny Hebreo 11:1 ary asio marika ny fomba namaritan’ny Apôstôly Paoly ny atao hoe finoana. Mety hanampy ny mahafantatra fa ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith amin’ity andininy ity dia novain’ny Mpaminany ny teny hoe zavatra mba ho lasa fahatokiana, izay teny midika ho fahazoana antoka na fitokisana .

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’izany hoe mahazo antoka na manam-pahatokisana amin’ny zavatra izay antenaina izany?

  • Ahoana ny fomba ahafahanao mahazo porofo momba ny zavatra izay tsy hitanao maso akory?

  • Raha miainga avy amin’io andininy io, inona no mety ho fanovana na fanampiana hataonao amin’ny famaritana ny atao hoe finoana?

Fahamarinana tsotra iray izay ampianarin’ny Hebreo 11:1 dia ny hoe ny finoana dia fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.

Vakio ny Almà 32:21 sy ny Fanekem-pinoana 1:4 , ary tadiavo ireo hevi-baovao fanampiny momba ny finoana. Ianao dia mety te hampifandray na hampifanaraka ireo andininy roa ireo ao amin’ny Hebreo 11:1 .

  • Inona ihany koa ny zavatra hafa izay nianaranao momba ny finoana?

  • Ahoana no mety hanovana na hanampianao ny famaritana ny atao hoe finoana noho ireo zavatra izay nianaranao ireo?

Sary
“Christ and the Rich Young Ruler,” by Heinrich Hofmann.

Fomba iray hanitsiana ny fanambarana ny fahamarinana teo aloha momba ny finoana an’i Jesoa Kristy dia ny fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita izay marina.

  • Inona araka ny eritreritrao no maha-samihafa ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny fananana finoana olona iray na zavatra hafa?

  • Ahoana no mety hanampian’ny finoanao an’i Jesoa Kristy anao mba hatoky Azy rehefa miatrika fanontaniana na fisalasalana ianao?

Ampitomboy ny fahatakaranao ny finoana an’i Jesoa Kristy

Saintsaino ny fahatsapanao mikasika ny finoanao manokana an’i Jesoa Kristy. Amin’ny fomba ahoana no ahatsapanao fa matanjaka ny finoanao Azy? Amin’ny fomba ahoana no ahatsapanao fa tokony mbola hatanjaka kokoa ny finoanao Azy?

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa:

Soratra masina naroso sy fitaovana manampy amin’ny fandalinana

Almà 32:26–34

Etera 12:6–9

Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Finoana

Mety hahita loharanom-pahalalana hafa ao amin’ny soratra masina na ao amin’ny application Médiathèque de l’Evangile ianao amin’ny alalan’ny fikarohana ny teny hoe “Finoana an’i Jesoa Kristy.”

Torohevitra avy amin’ireo mpitarika ny Fiangonana

Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 101–4

Neil L. Andersen, “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy,” Liahona, nôv. 2015, 65–68

Richard C. Edgley, “Ny Finoana—anao ny safidy,” Liahona, nôv. 2010, 31–33

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no maha-zava-dehibe ny fametrahana ny finoako eo amin’i Jesoa Kristy?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanoro hevitra hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Rehefa miresaka momba ny finoana isika—ilay finoana izay afaka mamindra tendrombohitra—dia tsy miresaka finoana amin’ny ankapobeny fa ilay finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. …

Mety hanontany tena isika tsirairay hoe aiza ny finoantsika? Ao amin’ny ekipa iray ve izany? Ao anatin’ny marika famantarana zavatra amidy iray ve izany? Ao anatin’ny olo-malaza iray ve izany? Na ny ekipa mahay indrindra aza dia mety ho resy. Afaka mihalefy laza ireo olo-malaza. Ao anatin’ilay Iray izay ihany no ho voaro foana ny finoantsika, dia tsy aiza fa ao amin’i Jesoa Kristy Tompo izany.

(Russell M. Nelson, “Avelao ny finoanareo hiseho,” Liahona, mey 2014, 29)

Nahoana aho no tokony hiezaka hampitombo ny finoako an’i Jesoa Kristy?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny antsoko aminareo … dia ny mba hanombohanareo androany amin’ny fampitomboana ny finoanareo. Amin’ny alalan’ny finoanareo, i Jesoa Kristy dia hampitombo ny fahafahanareo mamindra ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainanareo [jereo ny 1 Nefia 7:12 ], na dia mety ho lehibe tahaka ny tendrombohitra Evresta aza ireo fanamby izay atrehanareo manokana.

Mety ho fanirery, na ahiahy, na aretina na olan’ny tena manokana hafa ireo tendrombohitrareo. Hiovaova ireo tendrombohitrareo saingy ny valiny tsirairay tandrify ireo fanambinareo dia natao hampitombo ny finoanareo. Mitaky asa anefa izany. …

Ny finoana an’i Jesoa Kristy no hery lehibe indrindra omena antsika eto amin’ity fiainana ity. Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino [jereo ny Marka 9:23].

(Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 102–3, 104)

Inona ny antony ilana ahy mba hianatra amim-pinoana?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza fa:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Ireo zavatra izay efa avy niainako dia namela ahy hahatakatra fa matetika ny valin-teny izay omen’ny olona iray dia tsy tsaroana maharitra, raha ho tadidy akory aza. Fa ny valin-teny izay hitantsika na azontsika mandritra ny fampiharana ny finoana kosa, mazàna, dia tadidy mandritra ny androm-piainana iray manontolo. Ny lesona manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana dia takarina —fa tsy ampianarina.

Ny fahatakarana ara-panahy ny fitahiana izay nomena ahy sy anao, ary nohamafisina fa marina ao am-pontsika, dia tsy azo omena olon-kafa fotsiny tsotra izao. Ny saram-pianarana fahazotoana sy fandalinana amim-pinoana dia tsy maintsy efaina mba hahazoana sy “hananana” ny fahalalana manokana tahaka izany. Amin’ny alalan’izany fomba izany ihany koa no ahafahana manova ny zavatra tsapa ao am-po ho lasa fantatra ao an-tsaina. Amin’ny alalan’izany fomba izany ihany koa no ahafahan’ny olona iray mihoatra amin’ny fiankinana amin’ny fahalalana sy traikefa ara-panahin’ny hafa ary mitaky ireny fitahiana ireny ho an’ny tenany manokana. Amin’ny alalan’izany fomba izany ihany koa no ahafahantsika miomana ara-panahy hiatrika izay ho avy. Isika dia tokony “hikatsaka ny hianatra, na amin’ny alalan’ny fandalinana izany na amin’ny alalan’ny finoana” ( D&C 88:118).

(David A. Bednar, “Seek Learning ny Faith,” Ensign, Sept.. 2007, 67)

Inona no fiantraikan’ny finoana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainako andavanandro?

Hamoaka printy