Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 22


Famerenana fifehezana fotopampianarana 22

Ianaro tsianjery ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Sary
Fianakaviana any Nouvelle Zélande mipetraka ao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny, miara-mamaky soratra masina.

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana no zava-dehibe ny fanaovana tsianjery ny soratra masina? Ny fanaovana tsianjery ny soratra masina dia afaka manampy anao handray fitaomam-panahy, hahatsiaro ny Mpamonjy, ary hampianatra filazantsara ny hafa. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hitadidy ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Nahoana no atao tsianjery ny soratra masina?

Alaovy sary an-tsaina hoe mandray anjara amin’ny fanadihadiana ho an’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! ianao. Ahoana ny fomba hamalianao ity fanontaniana manaraka ity raha ohatra ka apetraka aminao?

  • Inona avy ireo antony dimy lehibe indrindra tokony hanaovana tsianjery ny soratra masina?

Misy antony tsara maro tokony hanaovana tsianjery ny soratra masina. Ireo soratra masina lany tsianjery dia tahaka ny namana izay afaka manome fitaomana ara-panahy, sy fankaherezana, ary loharano hahazoana risim-po amin’ny fotoana ilana fanampiana (jereo Richard G. Scott, “Ny Herin’ ny Soratra Masina,” Liahona, nôv. 2011, 6). Ny fanaovana tsianjery ny soratra masina dia afaka manampy antsika “[hibanjina ny Mpamonjy] amin’ny eritreritra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36). Ny fanaovana tsianjery ny soratra masina dia afaka manampy antsika “hahazo ny teni[n’ Andriamanitra] ” mba hahafahantsika mampianatra ny hafa (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21).

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fanaovana tsianjery soratra masina eo amin’ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy?

Ataovy tsianjery ireo andinin-tsoratra masina

Makà minitra vitsivitsy hanaovana tsianjery na hamerenana hitadidiana ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay ao amin’ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao manaraka ireto. Rehefa mahatsapa fa matoky tena ianao fa mahay ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra ireo, dia misafidiana iray na maromaro amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba hitsapana ny fahaizanao mitadidy.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana–Apokalypsy

1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”

1 Korintiana 11:11

“Kanefa ao amin’ny Tompo, tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

1 Korintiana 15:20–22

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.

Efesiana 1:10

“Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Efesiana 2:19–20

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

2 Tesaloniana 2:1–3

“Ny [fiavian’i Kristy] … [dia] tsy ho avy […] raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”

Jakoba 1:5–6

“Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

Jakoba 2:17–18

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

1 Petera 4:6

“Fa noho izao no [ni]toriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”

Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina … araka ny asany.”

Vitao farafahakeliny ny iray amin’ireto fanazarana manaraka ireto.

Safidy 1: Manaova sary

Mangataha namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hanampy anao hanao ity sahanasa manaraka ity. Asaivo misafidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray ao anaty lisitra ilay olona avy ao amin’ny fianakaviana na ilay namana fa tsy milaza aminao ny andinin-tsoratra masina izay nosafidiny. Avy eo dia asaivo manao kisarisary famantarana momba ilay andinin-tsoratra masina izy ireo fa tsy mampiasa litera na isa mandra-pahafahanao milaza ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja marina. Azonao atao ny mamerina ity dingana ity amin’ny andinin-tsoratra masina maromaro.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mampitovy ny fanaovana tsianjery ny soratra masina amin’ny namana iray izay afaka manome anao fitaomana ara-panahy, sy fankaherezana, ary loharano hahazoana risim-po amin’ny fotoana ilana fanampiana?

Safidy 2: Soraty izany

Misafidiana andinin-tsoratra masina iray avy ao amin’ilay lisitra ary soraty ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifanaraka amin’izany. Manaova fanazaran-tena manoratra in-efatra na in-dimy an’ilay andian-teny. Manandrama manoratra andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho ana andinin-tsoratra masina maromaro. Ampio karazany amin’ny alalan’ny fanoratana amin’ny endriny sora-boky na sora-baventy. Azonao atao ihany koa ny mandrefy ny fotoana laninao mba hijerena ny fomba azonao hampivoarana ny fotoana laninao.

Safidy 3: Lazao ilay andinin-tsoratra masina

Mangataha namana iray na olona iray ao amin’ny fianakavianao mba hanampy anao hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Teneno amin’io olona io ny isan’ny teny izay ilainao vakina amin’ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, ary angataho izy ireo hamaky mafy ireo teny ireo. Miezaha mamantatra ny andinin-tsoratra masina marina. Avereno imbetsaka araka izay tianao io fanazaran-tena io ary manandrama mangataka isan-teny famantarana samihafa.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy anao hiomana hizara ny filazantsara amin’ny hafa ny fanaovana tsianjery ny soratra masina?

Saintsaino ny traikefanao

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fanazaran-tena izay nampiasainao ka nanampy anao nanao tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina?

  • Toy ny ahoana ny fivoaranao amin’ny fanaovana tsianjery andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao? Inona ny tanjonao amin’ny fanaovana tsianjery ireo izay mbola ataonao tsianjery amin’izao fotoana izao?

  • Ahoana araka ny eritreritrao ny fomba ahafahan’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina mitahy ny fiainanao?

Hamoaka printy