Seminera
Hebreo 1–10


Hebreo 1–10

“Anarana tsara kokoa”

Sary
Sary tapaka an’i Jesoa Kristy

Ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy rehetra dia handalo fitsapana ny finoany avokoa. Izany no nitranga tamin’ireo Kristianina jiosy maro. Teo ambanin’ny tsindry sy fanenjehana samihafa, dia maro ireo izay niala tamin’ny Fiangonana ka niverina tamin’ny filaminan’ny fanompoam-pivavahana jiosy tao amin’ny synagoga. Te hampiseho tamin’ireo Kristianina jiosy i Paoly fa lehibe noho i Mosesy i Jesoa ary ny fanompoany dia nitondra fanekempivavahana vaovao ambony kokoa noho ny fanekempivavahana fahiny izay teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy. Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fanamafisana orina ny finoanao ny Mpamonjy rehefa mianatra momba ny heriny amin’ny zava-drehetra ianao amin’ny alalan’ny famantarana sy fandalinana ny sasany amin’ireo anarana fiantsoana Azy sy ny anjara asany.

Ireo anaram-boninahitra fiantsoana an’i Jesoa Kristy

Makà iray minitra ary tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao izay teny na andian-teny rehetra azonao eritreretina ka afaka mamaritra anao.

  • Nahoana ianao no nampiasa ireo teny sy andian-teny ireo?

Tahaka ny fanananao ireo teny na andian-teny izay afaka mamaritra anao ireo, dia manana anarana fiantsoana na anaram-boninahitra maro izay mamaritra Azy ihany koa i Jesoa Kristy. Rehefa mahafantatra kokoa momba ireo anaram-boninahitra fiantsoana Azy ireo isika, dia lasa mahatakatra tsaratsara kokoa hoe iza Izy ary hatraiza ny fitiavany antsika.

Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao ireo anaram-boninahitra fiantsoana ny Mpamonjy sasantsasany izay efa fantatrao.

  • Inona ny fiantraikan’ny fahafantarana sy fahatakarana ireo anaram-boninahitra fiantsoana an’i Jesoa Kristy ireo amin’ny fomba fijerinao Azy?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fomba izay ahafahantsika mahazo fitahiana rehefa mianatra bebe kokoa momba ny Mpamonjy isika:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Arakaraka ny ianaranao momba ny Mpamonjy no mahamora ny fitokisanao amin’ny famindram-pony, sy ny fitiavany tsy manam-petra, ary ny heriny mampatanjaka, sy manasitrana ary manavotra.

(Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 103)

  • Amin’ny fomba ahoana no ilanao ny fanampian’ny Mpamonjy araka izay nosoritan’ny Filoha Nelson?

Tahaka antsika izay mila ny Mpamonjy, dia toy izany ihany koa ireo Kristianina jiosy izay tsy nanatrika ny fivorian’ny Fiangonana noho ny fanenjehana sy ny tsindry maro samihafa. Niverina tamin’ny fomba fivavahana Jiosy nentim-paharazana izay nahazatra azy sy tsy nisy mpanenjika izy ireo, izay tsy nahitana ny finoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 10:25, 38–39). Afaka mianatra bebe kokoa momba ity epistily ity ianao amin’ny alalan’ny fandalinana ny “Hebreo, Epistily ho an’ny” izay hitao ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina

Mitady ireo anaram-boninahitra fiantsoana sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy

Nizara anaram-boninahitra fiantsoana maro sy anjara asan’ny Mpamonjy i Paoly izay mety nanampy ireo Olomasina namantatra ny filan’izy ireo Azy. Ohatra, ny Hebreo 1:2 dia manantitrantitra ny anaram-boninahitra fiantsoana ny Mpamonjy hoe “Zanaka,” izay mifandray amin’ny maha “mpandova ny zava-drehetra” Azy.” Ny Hebreo 1:2, 10 dia manazava ny anjara asan’i Jesoa amin’ny maha Mpahary ny lanitra sy ny tany Azy.

Ankehitriny rehefa avy nahita ohatra sasantsasany amin’ireo anaram-boninahitra fiantsoana ny Mpamonjy ianao, dia vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary tadiavo ireo anaram-boninahitra fanampiny sy anjara asan’i Jesoa Kristy. Hevero ny hanisy marika izay hitanao.

  • Inona ny fahamarinana izay hitanao momba ny Mpamonjy avy tamin’ny iray na maromaro amin’ireo anaram-boninahitra fiantsoana Azy ireo sy ny anjara asany?

1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity: Alaovy antoka ny hampidiranao ny valin-teninao amin’ireo fanontaniana roa any amin’ny faran’ny lesona.

Misafidiana anaram-boninahitra fiantsoana na anjara asan’i Jesoa Kristy iray izay ilainao ataony eo amin’ny fiainanao, ary soraty eo afovoan’ny taratasy iray izany. Amin’ny alalan’ny fampiasana soratra masina, na ny application Bibliothèque de l’Évangile , na ny ChurchofJesusChrist.org, mitadiava hevi-baovao maromaro momba ilay anaram-boninahitra fiantsoana an’i Jesoa Kristy izay nosafidinao. Fomba iray ahafahanao manomboka ny fandalinana ny fitadiavana ny teny iditra hoe “Jesoa Kristy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Afaka mitady soratra masina isan-karazany izay nifantoka tamin’ny Mpamonjy ianao rehefa avy eo.

Soraty manodidina ilay anaram-boninahitra fiantsoana izay eritreritrao momba an’i Jesoa Kristy sy ny antony maha zava-dehibe izany anarana izany aminao. Ireo eritreritra ireo dia mety hahitana

  • andian-teny avy amin’ny andinin-tsoratra masina na teny nindramina izay novakianao,

  • hevitra momba ny fomba izay hanampian’ny Mpamonjy anao amin’ny fanatanterahana io anjara asany io eo amin’ny fiainanao,

  • hevi-baovao izay anananao momba ny fomba ahafahan’ny fahatakarana io anaram-boninahitra fiantsoana io manamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy, ary

  • ireo fanontaniana rehetra izay manitikitika anao momba io anaram-boninahitra io.

Rehefa avy nanao fanazaran-tena amin’ny famantarana ireo anarana sy anaram-boninahitra fiantsoana an’i Jesoa Kristy ianao, dia makà fotoana fohy hisaintsainana ny fomba izay hampiasanao io fahaizana io amin’ny fandalinana soratra masina izay ataonao.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fitadiavanao ireo anaram-boninahitra fiantsona an’i Jesoa Kristy anao hahafantatra Azy bebe kokoa?

  • Ahoana ny fomba ahafahanao mampiditra ny fandalinana ireo anaram-boninahitra fiantsoana an’i Jesoa Kristy ao anatin’ny fandalinanao tsy tapaka ny soratra masina?

Mitadiava anaram-boninahitra fiantsoana an’i Jesoa Kristy ao amin’ny fandalinanao manokana na miaraka amin’ny fianakavianao rehefa manohy mandalina ny Testamenta Vaovao sy ny soratra masina hafa ianao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Nahoana aho no tokony hianatra momba an’i Jesoa Kristy?

Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Raha mizotra mianatra ny zavatra rehetra azonareo ianarana momba an’i Jesoa Kristy ianareo dia mampanantena anareo aho fa ny fitiavanareo Azy, ary ny fitiavanareo ny lalàn’ Andriamanitra dia hitombo hihoatra lavitra noho izay azonareo eritreretina ankehitriny. Mampanantena anareo aho fa hitombo ny fahaizanareo hiala amin’ny fahotana. Ny fanirianareo hitandrina ireo didiny dia hitombo izaitsisy. Dia hahita ny tenanareo ho afaka hiala kokoa amin’ny rendrarendra sy ny fandrik’ireo izay manarabiraby ny mpanaradian’i Jesoa Kristy ianareo. …

Halalino ny zava-drehetra momba ny hoe iza i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fikatsahana amim-bavaka sy amim-pahazotoana ny hahatakatra ny dikan’ireo fiantso Azy sy anarany tsirairay avy ho anao manokana.

(Russell M. Nelson, “Mpaminany, fitarihana, ary lalàn’ Andriamanitra” [Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 8 jan., 2017], ChurchofJesusChrist.org; nampiana fanamafisana)

Hebreo 1:2, 10. Misy fiantraikany eo amin’ny fiainako amin’ny fomba ahoana ny anjara asan’i Jesoa amin’ny maha Mpahary Azy?

Chad H Webb, mpitantana ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara dia nanazava fa:

Sary
Sarin’i Chad Webb

Mety tadidinareo fa ny Filoha Boyd K. Packer dia mpanao asa tanana tena mahay izay nankafy nanao sary sokitra voronkely vita tamin’ny hazo. Indray andro dia nisy mpandeha iray tao amin’ny fiara nentin’ny Loholona A. Theodore Tuttle, ary ny iray tamin’ireo sary sokitra dia nipetraka teo ambonin’ny seza ao afaran’ilay fiara. Teo amin’ny fihaonan-dalana iray, ny Loholona Tuttle dia nampijanona tampoka ny fiara ary nipitika nivadibadika nitontona tamin’ny tany ka vaky ilay sary sokitra. Ketraka ny Loholona Tuttle, saingy tsy niontsona akory ny Filoha Packer. Hoy fotsiny izy hoe, “Avelao iny any. Izaho no nanao an’izy io. Azoko amboarina izy io.” Dia nataony tokoa izany. Nataony mafy kokoa noho ny teo aloha ilay izy ary nohatsarainy kokoa mihitsy aza. Nanazava ny Filoha Packer hoe: “Iza no namorona anao? Iza no Mpahary anao? Tsy misy zavatra eo amin’ny fiainanao nioritra na vaky ka tsy ho hainy amboarina, ary hanamboatra izany Izy.”

(Chad H Webb, “Miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy isika,” Fampitana ny fivoriam-piofanana izay fanao isan-taona ho an’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara, ny 12 jona 2018, ChurchofJesusChrist.org)

Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fahafantarana an’i Jesoa Kristy ho mitondra fananantenana ho ahy?

Ity traikefa manaraka izay nozarain’ny Loholona Ronald A. Rasband ity dia afaka manampy antsika hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fahalalana ireo anaram-boninahitra fiantsoana sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy manome fanantenana.

Hebreo 2:10. Amin’ny fomba ahoana no maha “Tompon’ny famonjena [antsika] an’i Jesoa Kristy”?

Ity fizarana podcast manaraka ity dia mizara hevi-baovao momba ny fomba maha tompon’ny famonjena antsika an’ i Jesoa Kristy:

Hamoaka printy