Seminera
Hebreo 2–4


Hebreo 2–4

Afaka manampy antsika amin’ny fotoam-pahasahiranana ny Mpamonjy

Sary

Efa mba nanontany tena ve ianao raha misy olona tena mahatakatra ny zavatra mahazo anao eo amin’ny fiainana? Ny bokin’ny Hebreo dia mampianatra fa nidina avy teo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra i Jesoa Kristy mba hiaina toy ny olombelona mety maty teto an-tany sy hanatanteraka ny Sorompanavotana tsy manam-petra ho antsika. Noho izany dia mahafantatra tanteraka antsika Izy ary mahafantatra tanteraka ny fomba hanampiana antsika. Ity lesona ity dia afaka mampitombo ny fahatokianao fa afaka manampy anao amin’ny fotoan-tsarotra i Jesoa Kristy.

Mahatakatra ny Mpamonjy

Vakio, hirao, na henoy ilay hira hoe “Òu pourrais-jechercher?” (Cantiques, no. 68).

.

  • Ahoana no hanazavanao ny hafatra ao amin’ity fihirana ity amin’ny teninao manokana?

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra tena ilanao fanampiana eo amin’ny fiainanao.

Tao amin’ny epistiliny ho an’ny Hebreo dia nampianatra ny Olomasina momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba ahafahany manome hery azy ireo ao anatin’ny toe-javatra iainany i Paoly (jereo ny Hebreo 4:16). Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy anao.

Mamoròna tabilao toy ity manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao:

Fa nahoana i Jesoa Kristy no afaka mahatakatra ny momba ahy?

Inona avy ireo fitahiana azon’i Jesoa Kristy omena ahy noho Izy mahatakatra ny momba ahy?

Vakio ny Hebreo 2:9–10, 13–18 , ary 4:12–16 , ka tadiavo ny valin’ireo fanontaniana eny amin’ny tabilao. Soraty eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany ireo valiny. Mariho fa ny Hebreo 2:9 ary 16 dia miresaka an’i Jesoa Kristy nandao ny seza fiandrianany tany an-danitra mba hiaina amin’ny maha-olombelona mety maty ety an-tany.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy izay tsapanao fa afaka manampy anao na ny hafa?

  • Nahoana no mety mampahery ny fahalalana fa i Jesoa Kristy dia afaka mamantatra “ny eritreritra sy ny fikasan’ny fo”? ( Hebreo 4:12).

  • Inona no takatrao avy amin’ilay andian-teny hoe “mamonjy izay alaim-panahy Izy”? ( Hebreo 2:18). Mariho fa ny teny nadika hoe “alaim-panahy” dia azo adika ihany koa hoe “tsapaina” na “iharan’ny fitsapana.” Ny teny hoe mamonjy dia midika hoe mihazakazaka hanampy olona.

Ny fahamarinana iray izay mety ho hitanao dia ny hoe satria nijaly sy nalaina fanahy tamin’ny zava-drehetra i Jesoa Kristy dia afaka mahatakatra tsara antsika Izy ary afaka manampy antsika amin’ny fotoana maha-sahirana antsika. Nampianatra io fahamarinana io koa ny mpaminany Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Diniho ny fomba ampifandraisana ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Almà 7:11–13 amin’ny Hebreo 2:18 .

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba hahatakarana kokoa ny fahafahan’ny Mpamonjy mahatakatra sy manampy anao. Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “Mitondra mora foana ny enta-mavesany” (16:23), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 12:15 hatramin’ny 13:21 na mamaky ity teny manaraka ity.

Manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana

Vakio ny Hebreo 4:16 , ka tadiavo ny zavatra nasain’i Paoly hataontsika mba hahazoana ny fanampiana ilaintsika. Hevero ny hanisy marika izay hitanao.

.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny eritreritrao, midika inona ny hoe “manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana”?

  • Inona no mampatoky tena antsika rehefa manatona an’ Andriamanitra isika?

  • Mety ho toy ny ahoana sy tahaka ny ahoana ny hoe “manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana”?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no atao hoe fiambanian’i Jesoa Kristy?

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa:

Sary
Official portrait of Elder Quentin L. Cook. Called to the Quorum of the Twelve Apostles on 6 October 2007.

Ny ohatry ny Mpamonjy momba ny fanetrentena sy ny fahafoizantena ho an’ny zanakolombelona rehetra no fotoana miavaka indrindra eo amin’ny tantara. Ny Mpamonjy, na dia mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra aza, dia vonona ny ho ety an-tany toy ny zaza tsotra ary nanomboka niaina fiainana izay nahitana fampianarana sy fanasitranana ireo rahalahiny sy anabaviny, ary nifarana tamin’ny fiaretana fijaliana tsy hay lazaina tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana mba hanatanterahany ny Sorompanavotany. Io fanehoam-pitiavana sy fanetrentena avy amin’i Kristy io no antsoina hoe ny fiambaniany. Nataony izany ho an‘ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay nohariana sy hoharian’ Andriamanitra.

(Quentin L. Cook, “Ireo zavatra iainana mahazatra any amin’ny mandrakizay,” na Liahona, nôv. 2017, 52)

Hebreo 4:15. Tena “nalaim-panahy tahaka antsika” tokoa ve i Jesoa?

Ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95) dia nampianatra izao manaraka izao:

Sary
Howard W. Hunter

Zava-dehibe ny mahatsiaro fa i Jesoa dia afaka nanao fahotana, sy afaka nilefitra tamin’ny fahotana, ary nety ho rava ilay drafitry ny fiainana sy ny famonjena, kanefa dia nijanona ho mahatoky izy. Raha tsy nomena fahafahana izy iharan’ny fitaoman’i Satana, dia tsy ho nisy tena fitsapana marina, tsy ho nisy fandresena tena izy teo amin’ny vokatra azo. Raha nesorina tamin’ny fahefan’ny ota izy, dia ho nesorina Taminy ny fahafahany misafidy. Tonga Izy mba hiaro sy hiantoka ny fahafahan’ny olona hisafidy. Tsy maintsy nitàna ny fahafahana sy ny fahaizana manota Izy araka izay tiany. Araka ny nosoratan’i Paoly hoe: “dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza” ( Hebreo 5:8); ary “Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota” ( Hebreo 4:15). Tanteraka sy tsy nanam-pahotana Izy, tsy hoe satria tsy maintsy ho toy izany Izy, fa satria tena vonona ny ho tonga tahaka izany Izy.

(Howard W. Hunter, “The Temptations of Christ,” Ensign, Nôv. 1976, 19)

Hebreo 4:16. Inona no dikan’ny hoe “seza fiandrianan’ny fahasoavana”?

“Tamin’ny kolontsaina fahiny maro, dia manao vivery ny ainy izay manatona ny seza fiandrianan’ny mpanjaka tsy nasaina, fa raha manasa kosa ny mpanjaka, dia afaka manatona sy miresaka amim-pahatokiana ny olona. Ny hoe manatona an’ Andriamanitra -amin’ny fahasahiana- dia midika hoe manana fahatokiana fa tian’ Andriamanitra hanatona ny seza fiandrianany isika ary handray ny fanampiany” (Bokin’ny Mpianatra Testamenta Vaovao [2018], 477).

Raha niresaka momba ny famindram-po atolotr’ Andriamanitra antsika, ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Ny zavatra tena tian’ Andriamanitra indrindra mikasika ny maha-Andriamanitra Azy dia ny fahafinaretana tsapany rehefa maneho famindram-po Izy, indrindra amin’ireo izay tsy manantena an’izany ary matetika mahatsapa ho tsy mendrika izany.

(Jeffrey R. Holland, “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka,” Liahona, mey 2012, 33)

Hamoaka printy