Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Jaona 3:16


Fifehezana fotopampianarana: Jaona 3:16

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Sary
Nivavaka tao amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa Kristy

Tamin’ny lesona teo aloha ianao dia nianatra mahakasika ny fitiavana lalina nasehon’ny Ray any An-danitra antsika tamin’ny alalan’ny nandefasany ny Zanany ho Mpamonjy sy Mpanavotra. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hampitombo ny fahaizanao mifehy ity fotopampianarana ity amin’alalan’ny fanaovana tsianjery ireo andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina, sy amin’ny alalan’ny fanazavana ilay fotopampianarana ary ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Ity manaraka ity dia ny andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina ho an’ny Jaona 3:16 izay mbola mikorontana. Alamino ireo teny ka soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina marina.

Tokana toy no izao nitiavan’ ny 16 Fa izao nomeny Zanani-lahy Jaona tontolo Andriamanitra izao 3

Rehefa avy nandamina ireo andian-teny ireo ianao, dia makà fotoana hanaovana tsianjery ilay andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina.

Eritrereto vetivety hoe misiônera amin’ny fotoanana feno ianao. Nasaina mpifankatia tsara fanahy iray izay tsy mbola naheno mihitsy ny momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho ao an-tokantranony ianao. Raha miainga amin’ny zavatra nianaranao tamin’ny lesona teo aloha mikasika ny fitiavan’ Andriamanitra tamin’ny fandefasany ny Zanany dia inona ny zavatra mba azonao zaraina amin’ireo mpifankatia ireo?

Lalaovy an-tsehatra ity rafi-tantara manaraka ity miaraka amin’ny olon-dehibe iray, na valio ao anatin’ny diary fandalinanao io rafi-tantara io.

Fizàrana mampihatra

Makà fotoana hijerevana ireo foto-kevitra ao amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy mahakasika ity sahanasa manaraka ity.

Fenoy ny banga amin’ireto andian-teny manaraka ireto.

  • Manao asa amim-p____.

  • Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo f________ amin’ny fomba fijery m______ ny m__________.

  • Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana n_______’ A________.

Hevero ity rafi-tantara manaraka ity.

Rehefa tara fodiana in-droa nisesy tao an-trano i Sarai, dia sarotra taminy ny niresaka tamin’ny ray aman-dreniny. Fantany fa ho sarotra amin’ny ray aman-dreniny ny hino azy. Fantany ihany koa fa nanao safidy izay vao mainka hahatonga ny ray aman-dreniny tsy hatoky azy izy raha fantatr’izy ireo izany. Nahatsiaro ho meloka i Sarai, kanefa toa metimety kokoa ny tsy firaharahiana ireo olana ireo amin’izao. Ankoatra izany, dia hitany fa sarotra kokoa ny manao sy mahatsapa zavatra ara-panahy, izay nahatonga azy hieritreritra fa na tsy misy ny Ray any An-danitra na nandao azy noho ireo safidy izay nataony ireo. Tamin’izany, dia tsy nahafantatra izay tokony hatao sy izay hitodihana i Sarai.”

  • Inona no nahatonga izany ho toe-javatra sarotra tamin’i Sarai?

  • Raha teo amin’ny toeran’i Sarai ianao, dia inona no fanontaniana na olana lehibe indrindra izay mety ho nanananao?

Hevero ny fomba ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireo manampy an’i Sarai amin’ilay zavatra iainany. Raha ilaina dia makà fotoana hamerenana mijery ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianaran (2022) mba hianarana bebe kokoa momba ireo fitsipika ireo.

Manao asa amim-pinoana

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ny zavatra azon’i Sarai atao mba hanaovana asa amim-pinoana manoloana io toe-javatra io?

  • Inona ny zavatra azonao lazaina mba hanampiana azy raha toa ka mahatsapa izy fa sarotra loatra ny manao asa am-pinoana?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Efa tsapan’i Sarai fa simba ny fifandraisany amin’ny ray aman-dreniny sy Andriamanitra noho ireo safidy izay nataony. Toa vao mainka hanasaro-javatra ny firesahana malalaka amin’ny ray aman-dreniny sy Andriamanitra.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no tsy mam-pety na tsy maha-feno ny fomba fijerin’i Sarai?

  • Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra, na i Jesoa Kristy, na ny drafitry ny famonjena izay mety ilaina ho tsaroan’i Sarai?

  • Raha toa ka ianao no reny na rain’i Sarai, dia inona araka ny eritreritrao no mety ho fahatsapana anananao aminy? Inona no ho tianao ho takatr’ilay ny zanakao vavy sahirana mahakasika izany fahatsapanao izany?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Makà minitra vitsivitsy hitadiavana andinin-tsoratra masina na fanambarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mety hanampy an’i Sarai. Raha ilaina, dia hevero ny hampiasa loharanom-pitaovana toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na ny Sujet de l’Evangile mba hanampy anao (jereo ny ChurchofJesusChrist.org). Mety hitondra tombontsoa ihany koa ny fampiasana ireo soratra masina izay efa nianaranao tao amin’ny lesona teo aloha, tahaka ny Jaona 3:14–17 na ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11

3. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny fandalinana nataonao ka mety hanampy an’i Sarai?

  • Milazà andian-teny roa farafahakeliny tamin’ny fandalinana nataonao ka mety hanampy an’i Sarai? Nahoana?

Hamoaka printy