Seminera
Jaona 3:14–17


Jaona 3:14–17

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao”

Sary
Niverina tao amin’ilay zaridaina indray i Jesoa mba hanohy hivavaka ary niaritra fanaintainana lehibe.

Araka ny voasoratra ao amin’ny Jaona 3, dia nampianatra an’i Nikodemosy momba ny sorompanavotany i Jesoa rehefa nilaza Izy fa “[tsy maintsy] hasandratra ny Zanak’olona: mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy” (Jaona 3:14–15). Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa manokana fotoana hianarana ny momba ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany isika dia manjary voasarika hanao zavatra [iray] hafa izay ilaina mba hahafahana mahazo ny heriny: misafidy ny hanam-pinoana Azy sy hanaraka Azy isika” (“Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 40). Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hanamafy ny finoanao an’i Jesoa Kristy rehefa mianatra bebe kokoa momba ny Sorompanavotany ianao.

Inona no atao hoe Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Sary
Jesoa Kristy mivavaka ao amin’ny Sahan’i Getsemane
Sary
Kristy mihantona eo amin’ny hazofijaliana tao Kalvary

Jereo ireo sarin’i Jesoa tao Getsemane sy teo ambonin’ny hazofijaliana ary eritrereto izay fantatrao momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

1. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity.

  • Nandefa an’i Jesoa Kristy tety an-tany ny Ray any An-danitra hanao sorona fanavotana antsika mba …

  • Isan’ireo zavatra niainan’i Jesoa tao Getsemane ny …

  • Maty teo ambonin’ny hazofijaliana i Jesoa satria …

  • Raha tsy nijaly tao Getsemane sy maty teo ambonin’ny hazofijaliana i Jesoa dia …

Ao amin’ity lesona ity ianao dia hianatra bebe kokoa momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fitiavana nasehon’ny Ray any An-danitra rehefa nandefa ny Zanany teto amin’izao tontolo izao Izy. Rehefa mandalina ianao dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy Masina izay afaka manampy anao hankasitraka bebe kokoa ny sorona nataon’i Jesoa Kristy ho anao sy hampitombo ny finoanao Azy.

Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy

Ireto andinin-tsoratra masina sy fehezan-teny manaraka ireto dia mampianatra momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mandania 10 ka hatramin’ny 15 minitra hamakiana tsara ireo loharanom-pahalalana ireo (na loharanom-pahalalana hafa momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izay mahaliana anao ny mianatra azy na izay hitanao talohan’ity lesona ity). Rehefa mamaky izany ianao dia eritrereto ny fomba hanampian’ny tsirairay amin’ireo loharanom-pahalalana ireo anao hahatakatra bebe kokoa ny zavatra nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho anao sy ny antony nanaovan’izy ireo izany.

Nampianatra ny Loholona Tad R. Callister ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Rahalahy Tad R. Callister

Inona izany no atao hoe Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Amin’ny lafiny iray, izany dia tranga maromaro masina nifanesy izay nanomboka tao amin’ny sahan’i Getsemane, nitohy teny amin’ny hazo fijaliana ary nifarana tamin’izay tena manan-danja indrindra dia ny Fitsanganan’ny Mpamonjy avy tao amin’ny fasana. Izany dia natosiky ny fitiavana izay tsy takatry ny saina ho antsika tsirairay avy. Izany dia nila olona iray izay tsy nanam-pahotana, izay nanana hery tsy manam-petra tamin’ireo singa—na dia ny fahafatesana aza, izay nanana ny fahafahana tsy misy fetra ny hizaka ny vokatry ny fahotantsika sy ny aretintsika rehetra, ary izay raha ny marina dia nidina tambanin’izany rehetra izany [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6]. Izany no nanirahana an’i Jesoa Kristy. Izany no Sorompanavotany.

Inona ary no tanjon’izany? Izany dia ny hanome fahafahana antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra, hitovy kokoa Aminy, ary hanana fifaliana feno. Izany dia tontosa tamin’ny alalan’ny fandresena sakana miisa efatra:

  1. Fahafatesan’ny vatana

  2. Fahafatesana ara-panahy vokatry ny nataon’i Adama sy vokatry ny fahotantsika

  3. Ny fahoriantsika sy ny rofintsika

  4. Ny fahalementsika sy ny tsy fahalavorariantsika

(Tad R. Callister, “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, mey 2019, 85)

2. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina amin’ny fehezan-teny telo farafahakeliny ity fanontaniana manaraka ity.

  • Inona ireo fahatsapana na hevi-baovao nanananao rehefa nandalina momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ianao?

Maneho ny fitiavan’ny Ray amin’ny fomba ahoana ny nandefasany ny Zanany?

Ny Jaona 7:17 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Hianatra bebe kokoa mikasika io andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io ianao ao amin’ny lesona manaraka.

Isan’ireo fahamarinana nantitranterin’ny Mpamonjy rehefa nampianatra an’i Nikodemosy momba ny Sorompanavotany Izy (jereo ny Jaona 3:14–17) ny hoe Tena tia ny zanany tokoa ny Ray any An-danitra ka nandefa ny Zanany Lahitokana mba hanao sorona fanavotana ho antsika.

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra mikasika ny fomba hisehoan’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy:

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks

Tsy misy porofo lehibe mihoatra noho izay voalazan’ny Apôstôly Jaona izay manamarina ny hery tsy manam-petra sy ny maha-tonga lafatra ny fitiavan’ Andriamanitra, izay milaza hoe: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanani-lahy Tokana” (Jaona 3:16). Nanoratra ny Apôstôly iray hafa fa Andriamanitra dia “tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy” (Romana 8:32). Eritrereto ny alahelo tsy maintsy tsapan’ny Raintsika any An-danitra rehefa nandefa ny Zanakalahiny hizaka fijaliana tsy takatry ny saina noho ny fahotantsika. Izany no porofo lehibe maneho ny fitiavany antsika tsirairay avy!

(Dallin H. Oaks, “Fitiavana sy Lalàna,” Liahona, nôv. 2009, 26)

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’io teny nambara io?

Jereo ilay horonantsary hoe “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao” (4:48), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, dia tadiavo ny fomba nanehoana ny fitavan’i Jesoa Kristy sy ny an’ny Ray any An-danitra.

3. Soraty ao anaty diary fandalinanao soratra masina ny fehezan-teny roa na telo mamaritra ny eritreritrao na ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no ahafahako mahazo ny hery nomen’i Jesoa Kristy ahy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra izao manaraka izao momba ny fanasana ny herin’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Isika Olomasin’ny andro farany dia miantso izany iraka nampanaovina Azy izany hoe ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy, izay nahatonga ny fitsanganana amin’ny maty ho tena misy ho an’ny rehetra ary nanome fahafahana an’ireo rehetra izay mibebaka amin’ny fahotany sy mandray ka mitandrina ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana lehibe mba hahazo ny fiainana mandrakizay. …

… Ireo fanekempihavanana ataontsika dia mamatotra antsika Aminy ary manome antsika ny herin’ Andriamanitra. Amin’ny maha-mpianatra mahatoky antsika dia mibebaka sy atao batisa tahaka Azy isika. Manao sy mitandrina karazana fanekempihavanana maro isika mba handrosoana mandritra ny diantsika. …

Ny lehilahy sy ny vehivavy mitandrina ny fanekempihavanana dia mitady fomba hihazonana ny tenan’izy ireo tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao mba tsy hisy na inona na inona hanakana ny fahafahan’izy ireo hahazo ny herin’ny Mpamonjy.

(Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 40, 41)

Ahoana no ahafantarako fa miasa eo amin’ny fiainako i Jesoa Kristy sy ny heriny?

Nampianatra toy izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Ny Filoha Henry B. Eyring

Raha nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao androany dia azonao raisina ho toy ny porofo izany fa miasa eo amin’ny fiainanao ny Sorompanavotan’ [i Jesoa Kristy]. Noho izany antony izany sy ny maro hafa, dia hanao izay mety ianao mba hijanonanao amin’ireo toerana sy hanaovanao ireo asa izay manasa ny bitsiky ny Fanahy Masina.

(Henry B. Eyring, “Gifts of the Spirit for Hard Times,” Ensign, jona 2007, 23)

Aiza no ahafahako mianatra kokoa momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Azonao atao ny mampitombo ny fahatakaranao momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany amin’ny alalan’ny fampiasana ny fanampiana amin’ny fandalinana ny soratra masina toy ny teny iditra hoe “Atonement of Jesus Christ” (ChurchofJesusChrist.org) ao amin’ny Gospel Topics na ny fijerena ny hoe “ Sorompanavotana ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ireo fanampiana amin’ny fandalinana soratra masina ireo dia ahitana hevitra tena manan-danja, soratra masina, lahateny, horonan-tsary ary loharanom-pitaovana hafa izay mampianatra momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Hamoaka printy