Seminera
Jaona 4, Fizarana 1


Jaona 4, Fizarana 1

Ilay vehivavy teo am-pantsakana

Sary
Jesus sitting at the well with a Samaritan woman. John 4:13-14. A wellspring is a continually flowing well. We can only realize it’s saving benefits if we come and drink deeply of its waters. The living water that Jesus spoke of is available to all if we will but drink

Nony teny andalana hankany Galilia i Jesoa dia nampianatra ilay vehivavy Samaritana teo an-davadrano Izy momba ilay “Rano velona” izay atolony. Fantatr’ilay vehivavy fa i Jesoa no Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahafantatra ny ilànao ny Mpamonjy sy hahatsapanao ny fitiavany anao.

Mianatra momba an’i Jesoa Kristy

Mandritra ny fianaranao ny soratra masina, dia mety fantatrao fa tena matetika ny Mpamonjy no mampianatra fahamarinana ara-panahy amin’ny alalan’ny fampiasana zavatra niainana sy zavatra izay nahazatra ny olona. Jereo ireto sary manaraka ireto, ka diniho ny fahamarinana ara-panahy izay azontsika hianarana mikasika ny Mpamonjy rehefa ampitahaina amin’ny rano Izy.

Sary
Jesus kneels beside Martha who is grieving. Outtakes include Jesus standing with a crowd standing behind him, and just photos of Martha.
Sary
8 of 9 Glass being filled with water
  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao ny rano no misy ifandraisany amin’i Jesoa Kristy sy mampianatra anao momba Azy?

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto mba hieritreretana ny filanao an’i Jesoa Kristy.

  • Mahatsapa ve ianao fa mila an’i Jesoa Kristy tahaka ny fahatsapanao fa mila rano eo amin’ny fiainanao? Nahoana, na nahoana no tsia?

Ato amin’ity lesona ity ianao dia hianatra tantara iray mikasika ny nanampian’ny Mpamonjy vehivavy iray mba hahatakatra fa ny filany ara-panahy ny Mpamonjy dia lehibe kokoa noho ny filan’ny vatana ny rano izay ndeha halainy. Eo am-pandalinanao dia mahaiza mihaino ny bitsiky ny Fanahy izay manampy anao hanaiky ny filanao ny Mpamonjy sy ny faniriany ny handraisanao ireo fitahiana izay Izy irery ihany no afaka manolotra izany.

Ilay vehivavy teo an-davadrano

Raha niala tany Jodia i Jesoa ho any Galilia dia tsy maintsy mamakivaky an’i Samaria (jereo ny Jaona 4:3–4). Mety hanampy ny mamantatra ireo toerana ireo amin’ny fampiasana ny sarintany 1, “ Sarintanin’ny Tany Masina ,” izay hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Nandritra ny fotoan’andron’ny Mpamonjy, ireo Jiosy izay nanao ny dia mampitohy an’i Jodia sy Galilia dia nanalavi-dalana mba tsy handalovana ao Samaria noho ny fifankahalana nisy teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritana. Azo inoana fa reraka sy nangetaheta noho ny dia nataony i Jesoa rehefa nipetraka teo am-pantsakana tamin’ny andro mafana (jereo ny Jaona 4:6). Raha teo Izy, dia nisy vehivavy Samaritana anankiray tonga hantsaka rano.

Halalino ireo fampianarana nomen’i Jesoa an’ilay vehivavy Samaritana ao amin’ny Jaona 4:5–14 , ary tadiavo ny zavatra izay nianaranao mikasika ny Mpamonjy.

Sary
8 of 9 Glass being filled with water
  • Ahoana no hamaritanao ireo fihetsik’ilay vehivavy manoloana ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Nahoana araka ny eritreritrao izy no nanao izany fihetsika izany?

  • Inona araka ny eritreritrao no nampianarin’i Jesoa rehefa nilaza Izy fa afaka manome rano velona an’ilay vehivavy?

Vakio ny Jaona 4:15–26 , ka tadiavo ny fitiavana sy famindrampo izay nasehon’i Jesoa an’ilay vehivavy rehefa nitohy ny resak’izy ireo. Saintsaino ny fampianaran’ny Mpamonjy izay mifandraika aminao.

Sary
8 of 9 Glass being filled with water
  • Tamin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no nanampian’ny Mpamonjy an’ilay vehivavy mba hahatakatra ny filany ilay rano velona izay natolony?

  • Inona ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny fanirian’ny Mpamonjy hanampy ity vehivavy ity na dia eo aza ny tsy fahatomombanana izay nisy teo aminy?

  • Ahoana no fomba hanampian’io tantara io antsika hahatakatra fa ny Mpamonjy dia mahatsapa ny momba antsika tsirairay—hatrami’ireo tsy fahatomombanantsika?

Vakio ny Jaona 4:28–30 , mba hahitanao ny fomba namalian’ilay vehivavy Samaritana taorian’ny nitenenan’i Jesoa azy fa Izy no Mesia.Ampitahao amin’ny fihetsika voalohany nasetrin’ilay vehivavy an’i Jesoa tany am-piandohan’ny resaka nifanaovan’izy ireo ny zavatra izay vao novakianao.

  • Inona tamin’ny fifaneraserany tamin’i Jesoa araka ny eritreritrao no nahatonga azy hiova?

  • Nampiova na nisy fiantraikany tamin’ny fomba fieritreretanao tamin’ny fomba ahoana i Jesoa Kristy?

  • Inona no safidy horaisinao anio mba hanampy anao hanakaiky an’i Jesoa Kristy bebe kokoa?

Ny Loholona Robert C.Gay ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia nizara fahamarinana izay azontsika ianarana mikasika ity tantara ity.

Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa ve ianao?

Jaona 4:4 . Nahoana no manan-danja ny fandalovan’i Jesoa tany Samaria?

Sary
Map 11 - The Holy Land in New Testament Times

Nandeha manodidina an’i Samaria ny Jiosy tamin’ny ankapobeny fa tsy nandalo tao mihitsy noho ny fifankahalana izay nisy teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritana. Nisy fifandrafiana lehibe teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritana “noho ny Samaritana efa niala tamin’ny finoana Isiraelita.” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina “ Samaritana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Na dia teo aza izany, dia nomarihin’i Jaona fa “tsy maintsy mamaky an’ i Samaria” i Jesoa Kristy ( Jaona 4:4), izay manasongadina mazava tsara ny fikasan’ny Mpamonjy hanao ny asa hataony any.

Jaona 4:24 . Fanahy ve Andriamanitra?

Mety tsy hazava amin’ny sasany ny tian’i Jesoa holazaina ao amin’ny Jaona 4:24 ny hoe Andriamanitra dia fanahy. Ny dikantenin’i Joseph Smith ho an’io andinin-tsoratra masina io dia mitondra fanazavana manan-danja: “Fa ho an’ny [tena mpino] no efa nampanantenain’ Andriamanitra ny Fanahiny” (Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 4:26 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ]). Ny fanambarana moderina koa dia mampianatra fa Andriamanitra dia manana vatana nofo sy taolana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22–23 ; jereo ihany koa ny Genesisy 5:1–3 ; Hebreo 1:1–3).

Nahoana no nisy fiantraikany tamin’ilay vehivavy teo am-patsakana ny firesahany tamin’i Jesoa Kristy?

Ny Filoha Bonnie H. Cordon, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany dia nampianatra hoe:

Sary
Former Official Portrait of Sister Bonnie H. Cordon, Photographed October 2016. Replaced October 2018.

Fantatr’i Kristy tamim-pamindram-po [ilay vehivavy teo am-patsakana] sy ny zavatra nilainy. Nihaona tamin’ilay vehivavy teo amin’ny toerana nisy azy Izy ary nanomboka niresaka momba ny zavatra nahazatra sy tsy zoviana taminy. Raha nijanona tamin’izay ny resak’izy ireo dia mety ho fihaonana tsara izany. Saingy tsy ho nitondra tamin’ny fankanesany tany an-tanàna izany mba hanambara hoe: “Handeha hizaha … : Izao angaha no Kristy?” [Jaona 4:29]. Lasa fantany tsikelikely tamin’ilay resadresaka i Jesoa Kristy ary na dia teo aza ny lasany, dia lasa ohatry ny loharanom-pahazavana ho an’ny hafa izy, nanazava ny lalana mba hahazoan’ny hafa mahita.

(Bonnie H. Cordon, “Mba hahazoany mahita,” Liahona, mey 2020, 79)

Hamoaka printy