Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Jaona 7:17


Fifehezana fotopampianarana: Jaona 7:17

“Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fotopampianarana izy”

Sary
Young adult woman ponders scriptures near lake.

Nandritra ny fandalinanao ny Jaona 7, dia nianatra ianao fa nanasa antsika i Jesoa hanao ny sitrapon’ Andriamanitra mba hahafahantsika mahafantatra fa marina ny fotopampianarany (jereo ny andininy 17). Ity lesona ity dia hanampy anao hitadidy ity andinin-tsoratra masina ffehezina mirakitra fotopampianarana ity sy ny andian-teny manan-danja ao anatin’izany, hanazava ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Tadidio sy hazavao

Ezaho atao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina sy ilay andian-teny manan-danja eo ambany sady takony ihany ny iray amin’ireo fizarana telo ireo. Rehefa hainao tsianjery tsara ny anakiray amin’ireo fizarana telo ireo, dia takòny indray ny fizarana iray hafa ary ianaro tsianjery im-be dia be ilay andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amain’ny soratra masina. Tohizo hatrany ity dingana ity mandra-pahaizanao tsianjery azy rehetra tsy ankijery.

Jaona 7:17

Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony,

Dia hahalala ny amin’ny fotopampianarana izy.

Vakio ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity.

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Tokony hotadidintsika fa ny fazahoana fijoroana ho vavolombelona dia tsy zavatra miserana fotsiny ihany fa dingana iray izay iandrasana antsika hanao zavatra.

(Dallin H. Oaks, “Fijoroana ho vavolombelona,” Liahona, mey 2008, 27)

  • Inona araka ny eritreritrao no ifandraisan’ny teny izay nolazain’i Filoha Oaks amin’ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 7:17 ?

Fizàrana mampihatra

Makà minitra vitsy hamerenana mijery ireo fitsipika ao amin’ireo andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny “Mahazo fahalalana ara-panahy” izay hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Misafidiana iray amin’ireo fitsipika mba hohalalinina misimisy kokoa.

  • Ahoana no hanazavanao fohifohy ilay fitsipika izay nosafidinao amin’ny olona izay mety tsy dia mahafantatra izany loatra?

Rehefa azonao tsara ny hevitra fonosin’ireo fitsipika fahazoana fahalalana ara-panahy dia afaka manampy ny tenanao sy ny hafa ianao hahazo fijoroana ho vavolombelona na hiatrika zavatra iray mampisalasala. Ampiasao ity rafi-tantara manaraka ity mba hanaovana fampiharana ny fomba entina manampy namana.Tamin’ny resaka izay nifanaovanao tamin’i Luis namanao dia nilaza taminao izy fa tsy manana fijoroana ho vavolombelona mboma ny [misafidiana fotopampianarana iray]. Tadidinao ny zavatra izay nianaranao tao amin’ny Jaona 7:17 , ary tamim-pahatokian-tena tanteraka no nanazavanao taminy fa afaka mandray fijoroana ho vavolombelona momba io fotopampianarana io izy amin’ny alalan’ny [hazavao amin’i Luis ny zavatra azony atao mba hahafahany mahazo fijoroana ho vavolombelona momba io fotopampianarana io]. Tsikaritrao hoe kivy i Luis rehefa nilaza taminao hoe, “efa nanao andrana vitsivitsy nanao izany aho, saingy toa tsy mbola nahatsapa mihitsy aho hoe fantatro fa tena marina izany.”

  • Inona avy ireo mety ho antony nahatonga an’i Luis tsy mba nahatsapa mihitsy fa manana fijoroana ho vavolombelona izy?

Ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia manampy an’i Luis hahatakatra ireo sakana izay mety ilainy horesena mba hahazoany fijoroana ho vavolombelona. Azonao atao ny mampiasa ireto fanontaniana manaraka ireto na koa fanontaniana hafa tonga ao an-tsainao mba hanomanana valin-teny hanampiana an’i Luis.

Manao asa amim-pinoana

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny manohy miaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy na dia tsy azo amin’ny fotoana tiantsika hahazoana izany aza ny fijoroana ho vavolombelona iray?

  • Inona ny zavatra efa niainanao azonao zaraina amin’i Luis mikasika ny ezaka ilaina atao mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona araka ny eritreritrao ny zavatra mety ho tian’ny Ray any An-danitra ho fantatry ny olona tahaka an’i Luis momba ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona?

  • Nahoana no mety ho zavatra hanampy an’i Luis ny fahatakarana fa avy amin’ny Ray any An-danitra ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy miankina amin’ny fotoana fotsiny ihany? (jereo ny Matio 16:13–17).

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona avy ireo loharanom-pahalalana sasantsasany nofidin’ Andriamanitra ka mety hanampy an’i Luis hangataka fanampiana amin’ny Tompo mba hahazoany ny fijoroany ho vavolombelona?

Ohatra iray amin’ny fampiasana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra ny fijerena ny lahateny nataon’i Filoha Dallin H. Oaks mitondra ny lohateny hoe “Fijoroana ho vavolombelona,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, sy ny fizarana teny fohy avy amin’izany izay mety hanampy an’i Luis.

1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin-teninao amin’ity fanasana manaraka ity.

Manorata ho an’i Luis amin’ny alalan’ny fampiasana ireo eritreritra tonga tao aminao rehefa nisaintsaina ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ianao. Mety ho tianao ny hampiditra ao anatin’izany ny zavatra niainanao manokana, ny fijoroanao ho vavolombelona, ary ny fanasana an’i Luis hanao asa amim-pinoana.

Hamoaka printy