Seminera
Jaona 8


Jaona 8

Nentina teo anatrehan’i Kristy ilay vehivavy tratra nijangajanga

Sary
Depiction of Jesus and the woman taken in adultery. They are both kneeling on the ground. For Mormon Channel use.

Raha mbola nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia nisy mpanora-dalàna sy Fariseo vitsivitsy nitondra teo Aminy vehivavy iray nijangajanga. Nanontany Azy izy ireo raha tokony hotoraham-bato araka ny lalàn’i Mosesy izy (jereo ny Levitikosy 20:10). Afaka manome anao hevitra tena tsara momba ny toetrany ny valin-teny nomen’i Jesoa azy ireo sy an’ilay vehivavy ary manampy anao hahatsapa ny herin’ny famindram-pony.

Ireo toetra nananan’i Jesoa Kristy

  • Oviana no nisy olona naneho hatsaram-panahy taminao na dia tsapanao aza fa tsy mendrika izany ianao?

  • Inona no fiantraikan’izany taminao?

Naneho hatsaram-panahy lalina tamin’ilay vehivavy tratra nijangajanga i Jesoa ary nisy fiantraikany lalina taminy izany.Vakio ny Jaona 8:1–5 ary tadiavo ny antony maha-sarotra ny mamaha toe-javatra toy izany.

Rehefa nitondra an-dravehivavy tany amin’i Jesoa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ary nanontany raha tokony hotoraham-bato ho faty izy, dia ninia nametraka Azy tamin’ny toe-java-tsarotra izy ireo (jereo ny Jaona 8:6). Raha nandà ny hitoraham-bato ilay vehivavy i Jesoa, dia mety ho voampanga ho nanao tsinontsinona ny lalàn’i Mosesy Izy (jereo ny Eksodosy 20:14). Raha nanaiky Izy dia ho nanohitra ny fomba fihevitry ny besinimaro sy ny lalàna Romana ihany koa Izy. Ho tsy naneho famindram-po tamin’ilay vehivavy ihany koa Izy, fanehoana famindram-po izay nataon’i Jesoa imbetsaka nandritra ny asa fanompoany (jereo ny Testamenta Vaovao, Boky torolalana ho an’ny mpianatra [2018], ChurchofJesusChrist.org).

Rehefa mandalina ny valin-tenin’ny Mpamonjy momba ity toe-java-tsarotra ity ianao dia afaka mamantatra toetra maromaro izay afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa hoe toy ny ahoana ny Mpamonjy. Ny fitadiavana ireo toetran’ny Mpamonjy dia fahaiza-manao azonao ampiasaina mandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao. Ny fahafantarana ireo toetra ireo dia mety hampitombo ny fanirianao hanakaiky kokoa an’i Kristy.

Vakio ny Jaona 8:6–11 mba hitadiavana ireo toetran’i Jesoa Kristy izay afaka ny ho hitantsika tamin’ny fifandraisany tamin’ireo mpiampanga sy ilay vehivavy.

  • Inona avy ireo toetra nasehon’ny Mpamonjy tamin’ny fifandraisany tamin’ireo lehilahy niampanga an’io vehivavy io?

  • Inona avy ireo toetra nasehon’ny Mpamonjy tamin’ny fomba nitondrany ilay vehivavy?

  • Inona avy ireo andian-teny ao amin’ny soratra masina mampiseho ireo toetra ireo?

Azonao atao ny manisy marika ireo andian-teny ao amin’ny Jaona 8:6–11 izay mampiseho ireo toetran’i Jesoa ireo. Jereo fa tsy namela ny helok’ity vehivavy ity ny Mpamonjy tamin’io fotoana io fa namporisika azy kosa hoe “mandehana ary aza manota intsony” ( Jaona 8:11).

  • Iza amin’ireo toetra ireo no tianao hananana bebe kokoa? Nahoana?

  • Ahoana no ahafahanao mamela ny Mpamonjy manampy anao hanana na hanamafy orina io toetra io eo amin’ny fiainanao?

Manosika antsika hiova ny famindram-pon’ny Mpamonjy

Anisan’ireo toetra masina ananan’i Jesoa Kristy ny famindram-pony. “Ny famindram-po dia ny fanehoana fangorahana olona iray mihoatra izay mendrika azy” (Sujets de l’Evangile, “Miséricorde,” topics.ChurchofJesusChrist.org).

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ireto hevi-baovao manaraka ireto momba ny famindram-po feno fangorahana nasehon’ny Mpamonjy sy ny fiantraikan’izany teo amin’ilay vehivavy:

Sary
Official portrait of Elder Dale G. Renlund of the Quorum of the Twelve Apostles, January 2016.

Azo antoka fa tsy namela ilay fijangajangana ny Mpamonjy. Kanefa tsy nanameloka ilay vehivavy koa Izy. Namporisika azy hanova ny fiainany Izy. Vonona ny hiova izy noho ny fangorahany sy ny famindram-pony.

(Dale G. Renlund, “Ilay Mpiandry Tsarantsika,” Liahona, mey 2017, 30)

  • Inona no fiantraikan’ny famindram-pon’ny Mpamonjy tamin’ilay vehivavy?

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no manana izany karazana fiantraikany izany ny famindram-pony?

  • Nahoana no misy fiantraikany amin’ny zavatra tsapanao momba Azy Ireo ny fahalalana fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia tia famindram-po?

Na dia tsy mankasitraka ny fahotana aza ny Mpamonjy dia mamela heloka Izy. Tiany ianao hahatsapa ho marisika ny hibebaka ary hanohy ny ezakao mba ho tsara kokoa.

1. Katsaho ny fitarihan’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ianao. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin-teninao:

  • Inona no zavatra nianaranao mikasika ny Mpamonjy androany ka manosika anao hibebaka sy hiezaka ho tonga tahaka Azy?

  • Inona no tsapanao fa tian’ny Mpamonjy ataonao na ovainao eo amin’ny fiainanao rehefa miezaka ny hitovy bebe kokoa Aminy ianao?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no fomba hitahiana antsika amin’ny alalan’ny famindram-pon’ny Mpamonjy?

Raha niresaka momba ny fanirian’ny Mpamonjy antsika mba hiezaka hatrany rehefa manao hadisoana ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:

Sary
Former Official Portrait of Elder Lynn G. Robbins. Photographed March 2017. Replaced October 2019 (with Telescope ID: 2298123)

Raha toa isika ka feno fankasitrahana noho ny fahafahana manandrana indray omena antsika aorian’ny fahadisoana, na ny tsy fahatakaran’ny saintsika, dia mampitolagaga antsika kosa ny fahasoavan’ny Mpamonjy amin’ny fanomezany antsika fahafahana manandrana indray eo amin’ny fandresena ny fahotana, na ny tsy fahaizantsika misafidy.

Tsy misy na iza na iza maniry kokoa ny fahombiazantsika mihoatra noho ny Mpamonjy. … Ny fahatongavana ho tahaka Azy dia mitaky fahafahana mamerina indray marobe ao anatin’ny ady ataontsika isan’andro amin’ilay maha-olona araka ny nofo antsika, toy ny fifehezana ny filàna, ny fianarana faharetana sy famelana heloka, ny fandresena ny hakamoana, ary ny fisorohana ny fahotana noho ny tsy fanaovana izay zavatra tokony hatao, raha tsy hitanisa afa-tsy vitsivitsy. …

Feno fankasitrahana mandrakizay aho noho ny lemim-panahy, sy ny faharetana, ary ny faharipo feno fitiavana ananan’ireo Ray aman-dReny any An-danitra sy ny Mpamonjy, izay manome antsika fahafahana marobe hamerenana indray eo amin’ny dia ataontsika hiverenana eo anatrehan’ Izy Ireo.

(Lynn G. Robbins, “Hatramin’ny fitopolo im-pito,” Liahona, mey 2018, 22–23)

Ahoana no ahafahako mianatra ny ho mpamindra fo kokoa toa ny Mpamonjy?

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Mora tokoa ny manangom-bato sy mitora-bato eto amin’ ity izao tontolo izao ity izay ahitana fifanendrikendrehana sy hasomparana. Kanefa alohan’ ny hanaovantsika izany dia aoka isika hahatsiaro ireo teny avy amin’ ilay Iray izay Tompontsika sy ohatra arahintsika: “Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany” [Jaona 8:7].

Rahalahy sy rahavavy, andao hiaraka hametraka ny vatofototra ho antsika isika.

Aoka isika ho tsara fanahy.

Aoka isika hamela heloka.

Aoka isika hifampiresaka amim-pitiavana.

Aoka hameno ny fontsika ny fitiavan’ Andriamanitra.

“Aoka isika hanao soa amin’ ny olona rehetra” [Galatiana 6:10].

(Dieter F. Uchtdorf, “Izay miantra no hiantrana,” Liahona, mey 2012, 76)

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Mba ho toa an’i Kristy, ny olona iray dia tia famindrampo. Tsy mitsaratsara ny olona tia famindrampo; maneho indrafo amin’ny hafa izy ireo, indrindra amin’ireo izay niangaran’ny vintana; feno fanajana, tsara fanahy, ary mendri-kaja izy ireo. Ireny olona ireny dia mandray ny rehetra amim-pitiavana sy mahatakatra ny mahazo ny hafa, tsy mijery toe-tena toy ny volon-koditra, ny hoe vavy sa lahy, ny fivavahana, ny fironana mikasika ny filana ara-nofo, ny saranga sy fari-piainana, ny foko, sy vondrona, ary firenena. Izany rehetra izany dia voasolon’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy.

(Dale G. Renlund, “Hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary hanaraka an’ Andriamanitra amin’ny fanetren-tena,” Liahona, nôv. 2020, 111)

Ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy famindram-po nefa tsy nileferany tamin’ny fitondrantena tsy mendrika?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Hita mazava tsara fa tsy nanamarina ny fahotan’ilay vehivavy ny Tompo. Nilaza taminy fotsiny Izy hoe tsy nanameloka azy—izany hoe, tsy hampihatra ny fitsarana farany taminy Izy tamin’io fotoana io. … Ilay vehivavy tratra nijangajanga dia nomena fotoana mba hibebahana, fotoana izay mety ho nolavin’ireo izay naniry ny hitora-bato azy.

(Dallin H. Oaks, “‘Judge Not’ and Judging,” Ensign, Aug. 1999, 8)

Hamoaka printy