Seminera
Jaona 9


Jaona 9

Nampahiratra lehilahy jamba iray i Jesoa

Sary
Depiction of Jesus healing a blind man. For Mormon Channel use.

Nampahiratra lehilahy iray teraka jamba i Jesoa. Nanontany an’io lehilahy io ny Fariseo dia nandroaka azy hiala tao amin’ny synagoga satria tsy nanaiky ny hiampanga an’i Jesoa ho mpanota noho ny fanasitranana nataony tamin’ny Sabata izy. Nitady ilay lehilahy ny Mpamonjy, dia nidera an’i Jesoa ho ny Zanak’ Andriamanitra ilay lehilahy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra hoe ahoana no ahafahana mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fijanonana ho mahatoky amin’izay zavatra fantatrao momba Azy, na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza.

Fijanonana ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy

Alaivo sary an-tsaina hoe nomena boaty anankiray misy raozy miloko mavo ao anatiny ianao.

  • Inona no havalinao raha toa ka misy olon-kafa izay tsy nahita akory ilay raozy tao anatin’ilay boaty kanefa milaza aminao fa mavokely ilay izy?

Indraindray dia mety mifanena amin’olona na mifanehitra amina hevitra manohitra ny fahalalantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy isika. Na dia efa ny Fanahy aza no nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy tamintsika, dia mety mbola hiezaka handà izany fahamarinana izany ny hafa.

  • Miatrika fanoherana ve ianao amin’ny ezaka ataonao mba hijanona ho mahatoky amin’ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy?

  • Raha eny, dia inona no fiatraikan’izany eo amin’ny fiainanao?

Hianatra momba ny lehilahy jamba iray izay nositranin’ny Tompo ianao ao amin’ny Jaona 9 . Isan’ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ity lehilahy ity ny hoe rehefa mijanona ho mahatoky amin’ny zavatra fantatsika momba an’i Jesoa Kristy isika na dia eo aza ny fanoherana dia hihamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Mitadiava porofo manamarina ity fitsipika ity rehefa mianatra ilay tantara ao amin’ny Jaona 9 ianao.

Vakio ny Jaona 9:1–12 , dia tadiavo ny zavatra nianaran’ilay lehilahy jamba momba an’i Jesoa.

  • Inona ny zavatra fantatr’ity lehilahy ity momba an’i Jesoa tamin’io fotoana io?

Rehefa nahiratra ilay lehilahy jamba, dia niady hevitra ny vahoaka hoe ity lehilahy ity tokoa ve ilay teraka jamba, ary ny sasany kosa dia nanontany tena ny amin’ny fomba nahasitrana azy. Nentina teo anatrehan’ireo Fariseo izy, izay tsy tezitra satria natao tamin’ny andro Sabata ilay fahagagana. Nanomboka nanadihady ilay lehilahy izy ireo. Nanontany ny ray aman-dreniny ihany koa ireo Fariseo, kanefa dia nandà ny hamaly ireo Fariseo ny ray aman-dreniny noho ny tahotr’izy ireo ho voaroaka hiala ao amin’ny synagoga raha manohana an’i Jesoa izy ireo. Dia mbola nanontany an’ilay lehilahy mikasika ny nahiratan’ny masony indray ireo Fariseo. (Jereo ny Jaona 9:13–34 .)

Vakio ny andininy 11, 17, 25, sy 30–33 , dia raiso an-tsoratra ny zavatra izay nolazain’ilay lehilahy momba an’i Jesoa.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no porofo hitanao ao amin’ny tantaran’ilay lehilahy jamba izay manamarina ilay fitsipika hoe rehefa mijanona ho mahatoky amin’ny zavatra fantatsika momba an’i Jesoa Kristy isika na dia eo aza ny fanoherana dia hihamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika?

  • Tamin’ny fomba ahoana, araka ny eritreritrao, no nahatakaran’ity lehilahy ity bebe kokoa hoe iza i Jesoa?

  • Inona no ampianarin’ny teny nambaran’ity lehilahy ity anao momba an’i Jesoa Kristy?

Koa satria mbola nanohy nilaza ity lehilahy ity fa avy amin’ Andriamanitra i Jesoa, dia noroahin’ireo Fariseo hiala ny synagoga izy (jereo ny Jaona 9:34).

Vakio ny Jaona 9:35–38 , dia tadiavo ny fomba nanompoan’ny Mpamonjy ilay lehilahy.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny telo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no nampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona nananan’ilay lehilahy teraka jamba rehefa nijanona ho mahatoky tamin’ny zavatra fantany momba ny Mpamonjy izy?

  • Afaka ny hatanjaka amin’ny fomba ahoana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy rehefa miatrika fanoherana na fisedrana finoana isika?

  • Inona ny zavatra ianarantsika momba ny toetran’i Jesoa Kristy avy amin’ny fifaneraserany tamin’ilay lehilahy teraka jamba?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampitomboan’ny Mpamonjy ny fijoroana ho vavolombelona nananan’ilay lehilahy jamba? Ahoana no hanampiany antsika hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika?

  • Ahoana no ahafahan’ny zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy ao amin’io tantara io manampy anao amin’ny fiatrehana ny fanoherana amin’izao fotoana izao na amin’ny ho avy?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Jaona 9:1–3 . Inona ny antony nahatonga ireo mpianatr’i Jesoa nino fa vokatry ny fahotana ny fahajamban’ilay lehilahy?

Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Final official portrait of Elder Boyd K. Packer, President of the Quorum of the Twelve Apostles, 2000. Passed away 3 July 2015.

Efa mandeha ho azy amin’ireo ray aman-dreny manan-janaka [manana fahasembanana] ny manontany tena hoe, “Inona ny ratsy nataonay?” Ny fiheverana fa vokatra mivantana nateraky ny fahotana ny fahoriana rehetra dia efa nampianarina hatramin’ny andro taloha. Fotopampianarana diso izany. Hatramin’ny sasany tamin’ireo mpianatra tany aloha tany aza dia nanaiky izany mandra-panitsian’ny Tompo azy ireo.

“Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.

“Ary ny mpianany nanontany Azy hoe, Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?

“Jesosy namaly hoe, tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy.” ( Jaona 9:1–3 .)

Tsy azo ekena ny fahatsapana ho meloka mifandray amin’ny [fahasembanana]. Ny [fahasembanana] sasany dia mety ho vokatry ny tsy fitandremana na fanararaotana, ary ny sasany dia noho ny fiankinan-dohan’ireo ray aman-dreniny tamin’ny zavatra anankiray. Saingy ny ankamaroan’izy ireny dia tsy avy amin’izany. Mahazo ny olona tsy manan-tsiny ny fahoriana.

(Boyd K. Packer, “The Moving of the Water,” Ensign, May 1991, 7–8)

Inona ny zavatra niainan’ilay lehilahy jamba taorian’ny nampiharany ny finoany ny Mpamonjy?

Ny Filoha Howard W. Hunter (1907–95) dia nampianatra hoe:

Sary
Howard W. Hunter

Nomena indroa ny fahiratana teto—ny iray dia nanasitranana tsy fahatomombanana hatrany am-bohoka ary ny iray dia mba hahitana ny Mpanjakan’ny Mpanjaka mialoha ny hiakarany ho eo amin’ny seza fiandrianany mandrakizay. Nohafainganin’i Jesoa indray miaraka ny fahitana ara-nofo sy ara-panahy. Natolony tao amin’ny toerana maizina ny hazavany, ary ity lehilahy ity, tahaka ireo maro hafa tamin’izany andro izany sy amin’izao androntsika izao koa, dia nanaiky ilay hazavana ka nahita.

(Howard W. Hunter, “The God That Doest Wonders,” Ensign, May 1989, 16–17)

Toy ny ahoana ny fomba isehoan’ny fahazoana fahiratana ara-panahy eo amin’ny fiainantsika?

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Ireo izay efa nahatsapa ny tanan’ny Mpampianatra dia somary tsy afaka manazava ny fiovana izay niseho teo amin’ny fiainan’izy ireo. Misy faniriana hiaina tsaratsara kokoa, hanompo amim-pahatokiana, sy handeha amim-panetren-tena, ary hiaina ho tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa. Rehefa nahazo ilay fahiratana ara-panahy sy nahita sombiny tamin’ireo fampanantenana mandrakizay izy ireo, dia niteny ny zavatra nolazain’ilay lehilahy jamba nampahiratan’i Jesoa hoe: “zavatra iray loha ihany no fantatro; jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao” [ Jaona 9:25 ].

(Thomas S. Monson, “Anxiously Engaged,” Ensign or Liahona, Nov. 2004, 58)

Jaona 9:22, 34–35 . Inona ny hevitry ny hoe voaroaka hiala ny synagoga?

“Ny synagoga dia nampiasaina ho ivontoerana ara-pivavahana sy ara-piarahamonina ho an’ny fiarahamonina Jiosy maro. Ny synagoga dia nanolotra fahafahana hahazoana fampianarana ara-panahy sy hanaovana fiderana, ary nanolotra fahafahana hianatra sy hanaovana serasera ara-piarahamonina koa. Noho ny synagoga nahakasika manontolo ny fiarahamonina Jiosy, izany hoe voaroaka tao amin’ny synagoga izany … dia nihoatra lavitra ny hoe voaroaka sy very zo tsy ho mpikambana ao amin’ny fiarahamonina ara-pivavahana. Izany dia nidika ho fanilihana tsy handray anjara amin’ireo raharaha ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina ihany koa. Hita ho sarotra tokoa izany fampitahorana izany ka nahatonga ny ray aman-drenin’ilay lehilahy teraka jamba tsy hiditra be loatra tao anatin’ny fikarohana ny mikasika ity fahagagana ity” (Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra momba ny Testamenta Vaovao [2014], 230).

Hamoaka printy