Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Matio 11:28–30


Fifehezana fotopampianarana: Matio 11:28–30

“Mankanesa aty Amiko … fa Izaho no hanome anareo fitsaharana”

Sary
Sarina vehivavy iray mitomany

Nampianatra i Jesoa Kristy fa raha manatona Azy isika dia, hanamaivana ny enta-mavesatsika ary hanome antsika fitsaharana Izy. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hanazava ny fahatakaranao an’ity fotopampianarana ity amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny rafi-tantara iray izay mitovitovy amin’ny zavatra izay efa niainanao teo amin’ny fiainanao manokana.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Manaova fanazaran-tena amin’ny fanaovana tsianjery ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja anatin’ny soratra masina ho an’ny Matio 11:28–30 amin’ny alalan’ny fampiasana ny litera voalohany amin’ireo teny tsirairay izay mandrafitra an’ilay andian-teny.

“Matio __:28–__: Mankanesa atỳ a_, ianareo r__ izay m____ fatratra s__ mavesatra e____, fa Izaho no h___ anareo f___.”

Ny application Maîtrise de la doctrine dia afaka manampy anao koa hitadidy ity adian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ity.

Manazava ny fahamarinana

Tadidio ny atao hoe zioga (jereo ity sary manaraka ity). Avereno jerena ny Matio 11:28-30, dia mitadiava fahamarinana izay nampianarin’ny Mpamonjy.

Sary
lehilahy mitondra sarety tarihin’omby

1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:

Raha ny sarin’ilay zioga noresahana dia hazavao ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika amin’ireo enta-mavesatra izay entintsika. Aza hadinoina ny mampiditra ny anjara andraikitsikarehefa miara-miasa amin’i Kristy isika.

Fizàrana mampihatra

Raha ilaina dia, avereno jerena ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny alalan’ny fandalinana ireo andiam-pehezanteny faha 5–12 ao amin’ny “Fahazoana fahalalana ara-panahy” izay hita ao anatin’ny fizarana misy ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny Fifehezana fotopampianarana 2020). Avy eo dia ampifandraiso amin’ireto fehezan-teny manaraka tsirairay ireto ny fitsipika mifanaraka amin’ny mahazo fahalalana ara-panahy.

(Jereo ny Valin’ny andiam-panontaniana manan-danja izay hita any amin’ny farany lesona mba hitadiavana ireo valiny marina.)

  1. Afaka miaro antsika amin’ny fampahalalana diso sy amin’ireo izay mikatsaka ny hamotika ny finoana ny fianarana mamantatra ireo loharano tsy azo antoka sy miala amin’izany.

  2. Rehefa mikatsaka ny hampitombo ny fahatakarantsika isika sy ny hamaha ireo olana, dia zava-dehibe ny hianteherantsika amin’ny fijoroana ho vavolombelona izay efa ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana ny filazantsarany amin’ny laoniny ary ireo fampianaran’ireo mpaminany voatendriny.

  3. Mikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina isika mba hahitana ireo zavatra amin’ny fomba hahitan’ny Tompo azy ireny.

  1. Manao asa amim-pinoana

  2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  3. Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izay nosafidin’ Andriamanitra

Rafi-tantara

2. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

Mamoròna rafi-tantaran’olona noforomporonina mitovitovy taona aminao izay mizioga enta-mavesatra ankehitriny ary ataovy anatina fehezan-teny roa na telo. Asio anarana, sy enta-mavesatra manokana, ary antsipiriany iray na roa momba ny fahatsapan’ilay olona ao anatin’izany.

Mahazo fahalalana ara-panahy

Eritrereto ny fomba ahafahanao mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao.

Manao asa amim-pinoana

  • Inona ny zavatra nataonao ka nahatonga anao hatoky an’ Andriamanitra sy hitodika any Aminy rehefa nisedra olana ianao?

  • Inona avy ireo lesona nianaranao avy tamin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy teo aloha ka afaka manampy amin’ity toe-javatra ity? Amin’ny fomba ahoana?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy izay mahatonga Azy afaka manampy tamin’ny fitondrana ireo enta-mavesatra?

  • Ahoana no mahatonga ny fiatrehana ireo enta-mavesatra sy ireo olana i eo amin’ny fiainantsika ho anisan’ny zava-dehibe ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofinidin’ Andriamanitra

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ny fotopampianarana izay hita ao amin’ny Matio 11:28–30 hanampy amin’ny fiatrehana io olana na enta-mavesatra io?

  • Inona ny andinin-tsoratra masina na fanambarana ara-paminaniana hafa izay mety afaka hanampy? Amin’ny fomba ahoana?

Mitondra ny enta-mavesatra

3. Ataovy ao anaty diary fandalinanao ity sahanasa manaraka ity:

Manorata taratasy ho an’ilay olona amin’ny rafi-tantara amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra izay hitanao. Ampidiro ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny Matio 11:28–30 sy ireo loharanom-pahalalana hafa mba hanomezana fampiononana sy fankaherezana azy.

  • Fitsipika inona ao amin’ny mahazo fahalalana ara-panahy no tsapanao fa nanampy anao indrindra tamin’ny fanomanana ny famaliana io rafi--tantara io? Nahoana?

Valin’ny andiam-panontaniana manan-danja: 1. D; 2. A; 3. B

Hamoaka printy