Seminera
Marka 2:23–3:6


Marka 2:23–3:6

“Manao soa amin’ny Sabata”

Sary
Filipino women walking on the street while visiting teaching a sister.

Natetika ny Mpamonjy no nahazo kiana avy tamin’ireo Fariseo sy ireo mpitarika Jiosy hafa momba ny fomba izay nitandremany ny andro Sabata. Ny valin-teny izay nomen’i Jesoa ireo mpitondra fivavahana dia hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny tanjon’ny Sabata sy ny fomba tokony hatao mba hahafahana mandray tanteraka ireo fitahiana avy amin’ny Tompo eo amin’ny fiainanao.

Ny tanjon’ny Sabata

Alaivo sary an-tsaina ireto toe-javatra roa manaraka ireto. Amin’ny toe-javatra iray dia nisy olona iray izay nilaza taminao fa amin’ny andro Sabata dia maro ny zavatra azo atao sy tsy azo atao ary raha sanatria ka tsy manaraka izy rehetra ireo ianao, dia mandika ny didin’ Andriamanitra izany ianao. Amin’ny toe-javatra iray hafa indray dia nisy olona iray izay nilaza taminao fa ny andro Alahady dia mitovy amin’ny andro hafa rehetra ihany ary tokony hanao zavatra rehetra izay tianao hatao ianao amin’ny andro Alahady.

  • Manao ahoana ny fahatokin-tenanao rehefa hamaly ireo toe-javatra ireo?

  • Inona avy ireo fanontaniana izay manitikitika anao momba ny andro Sabata?

Rehefa mianatra ny fomba izay nitandreman’ny Mpamonjy ny Sabata ho masina ianao dia tadiavo ny valin’ireo fanontanianao. Mikatsaha fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra hanampy anao.

Ny lalàn’i Mosesy dia nampianatra fa ny vahoakan’i Isiraely dia tsy tokony hiasa mandritra Sabata (jereo ny Eksodosy 31:14–15). Ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo dia nanampy zavatra araka ny fahazahoan’izy ireo ny lalàn’i Mosesy, nanova ny tanjon’izany tany am-boalohany.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, asio marika ireo andian-teny izay mampiseho ny fomba fijerin’i Jesoa ny andro Sabata.

  • Marka 2:23–28 —Nametra-panontaniana ireo Fariseo momba ny maha-mety ny mioty sy mihinana varimbazaha amin’ny andro Sabata.

  • Marka 3:1–6 —Nametra-panontaniana ireo Fariseo momba ny maha-mety ny manasitrana olona amin’ny andro Sabata.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome izao fomba fijery manaraka izao momba ny tanjon’ny andro Sabata:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Inona no tian’ny Mpamonjy nolazaina rehefa niteny Izy hoe “ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona ho an’ny sabata”? [ Marka 2:27 ]. Mino aho fa tiany hahatakatra isika fa ny Sabata dia fanomezany ho antsika, izay mitondra fitsaharana marina [na fanamaivanana] amin’ny fiatrehana ireo zava-tsarotra mitranga amin’ny fiainana andavanandro sy fahafahana iray hanovozana hery vaovao ho an’ny fiainam-panahy sy ny vatana. Nanome izany andro miavaka izany ho antsika Andriamanitra, tsy hialana voly na hanaovana ny asa andavanandro fa hitsaharana amin’ny adidy, arahin’ny fahazoana fahamaivanana ara-batana sy ara-panahy.

(Russell M. Nelson, “Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 129)

1. Eritrereto ireo zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy sy ny Filoha Nelson momba ny Sabata dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona ny zavatra nianaranao momba ny tanjon’ny Tompo ho an’ny andro Sabata?

  • Inona ny zavatra azontsika ianarana momba ny Mpamonjy tamin’ny asa izay nataony sy ny fomba fitondran-tenany tamin’ny andro Sabata?

  • Ahoana araka ny hevitrao no hoe fanehoam-pitiavan’ Andriamanitra antsika ny didiny amin’ny tokony hanamasinana ny andro Sabata?

Ahoana ny fomba hanajanao ny andro Sabata?

Ny fahatakarana ny tanjon’ny andro Sabata sy ireo fitahiana izay omen’ Andriamanitra anao dia afaka ny hanosika anao hitandrina ny Sabata ho masina. Rehefa mianatra ny fomba tsara kokoa hanajana ny andro Sabata ianao dia mianatra manasany fanasitranana sy fanamaivanana avy amin’ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainanao.

Halalino ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto mba hahafantaranao bebe kokoa momba ny Sabata sy ireo fitahiana izay mety ho azontsika avy amin’ny fanajana izany.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra ireto zavatra manaraka ireto momba ny fanehoantsika ny fitiavantsika an’ Andriamanitra amin’ny Sabata:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Nandalina ireo lisitra nataon’olona -hafa ahitana ireo zavatra azo atao na ireo zavatra tsy azo atao amin’ny andro Sabata aho tamin’ny fahatanorako. Taty aoriana anefa aho vao nianatra izany tamin’ny alalan’ny soratra masina fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny Sabata dia nandrafitra ny famantarana teo amiko sy ny Raiko any An-danitra [jereo Eksodosy 31:13 ; Ezekiela 20:12, 20 ]. Tsy nila ireo lisitry ny zavatra atao sy tsy atao intsony aho rehefa nanana izany fahatakarana izany. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: “Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?” Nampazava tsara ny safidiko momba ny andro Sabata izany.

(Russell M. Nelson, “Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 130)

  • Inona avy ireo fomba izay tianao indrindra entina hanatonana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny andro Alahady?

Valio ny fanontaniana a na b ary valio ny fanontaniana d.

a. Ahoana ny fomba nahafahan’ireo zavatra izay nianaranao tamin’ity lesona ity nanampy anao tamin’ny famaliana ireo fanontanianao momba ny andro Sabata?

b. Raha tsy nahita ny valin’ireo fanontanianao ianao dia inona ny zavatra azonao atao hanohizana hikatsahana azy azy ireo?

d. Inona avy ireo fahatsapana azonao momba ireo zavatra izay azonao atao mba hisitrahanaobebe kokoa ireo fitahiana azo avy amin’ny fanajana ny Sabata?

Tsy voatery hatao: Te hianatra bebe kokoa?

Nahoana ireo Fariseo no nitsikera ireo mpianatr’[i Jesoa]y noho izy ireo “nio[ty] salohim-bary” tamin’ny andro Sabata?

Araka ny lalàn’i Mosesy, ny olona iray dia afaka mioty varimbazaha amin’ny tanany raha toa ka tsy manararaotra be loatra io tombontsoa io izy amin’ny fampiasana antsimbary (jereo Deoteronomia 23:25). Na izany aza dia hentitra kokoa noho ny lalàn’i Mosesy ny lalàna am-bava an’ireo Fariseo ary nilaza fa voarara ny mioty varimbazaha rehefa Sabata.

Ahoana ny fomba ahafahan’ny fankasitrahana mitahy anao amin’ireo zavatra izay iainanao amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy ny Sabata?

Inona koa ny zavatra hafa azoko atao mba hanasana ireo fitahiana azo avy amin’ny andro Sabata?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome hevi-baovao maromaro momba ny fomba mahomby hanasana ny fanahin’ny andro Sabata tamin’ilay lahateniny hoe “Fahafinaretana ny Sabata” ( Liahona, mey 2015, 129–132).

Amin’ny fomba hoana no mety hitahian’ny fanajana ny andro Sabata ny fianakaviako?

Hamoaka printy