Seminera
Matio 11:28–30


Matio 11:28–30

“Izaho no hanome anareo fitsaharana”

Sary
Jesoa mankahery an’i Maria sy i Marta

Nandritra ny asa fanompoany dia nampianatra ny lalàna ambony amin’ny filazantsara ny Mpamonjy ary nanasitrana ny marary. Raha tsy nitsaha-niombo ny fanenjehana nanohitra ny Mpamonjy sy ny fampianarany, Izy kosa diananameloka ny faharatsiana sy nampanantena fitsaharana ho an’izay rehetra manatona Azy. Ity lesona ity dia afaka mampitombo ny fahatokisanao fa hanampy anao amin’ny olana sy ny enta-mavesatrao ny Tompo.

Ny enta-mavesatrao sy ny olana atrehinao

Manaova sarin’olona tsotsotra maneho zatovo iray. Manaova sarina kitapo eo an-damosin’ilay sarin’olona mba hanehoana ny enta-mavesatra sy ny adin-tsaina atrehin’ireo zatovo ankehitriny. Manorata farafahakeliny dimy amin’ireo enta-mavesatra na adin-tsaina, ao anatiny, eo amboniny, na manodidina ilay kitapo.

Sary
kisary vatan-kazo mibaby kitapo
  • Amin’ny ambaratonga iray ka hatramin’ny dimy, ny isa dimy izay sokajiana ho tena tsara ary ny isa iray izay sokajiana ho tsy tsara mihitsy, ahoana no fahatsapanao ny tenanao amin’ny fiatrehana ireo enta-mavesatrao sy ireo trangan-javatra mampiady saina anao?

Raha mbola tsy nanao izany ianao dia hevero ny haka fotoana fohy izao hanasana ny Rainao any An-danitra hanampy anao amin’ny fitadiavana fitsipika izay afaka manampy anao amin’ny enta-mavesatra manokana izay entinao ankehitriny. Vakio ny Matio 11:28–30, ka tadiavo ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy izay mety hanampy olona iray vesaran’ny enta-mavesatra.

Ny Matio 22:36–39 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana.

  • Inona ireo fahamarinana hitanao?

  • Ahoana no mety hanampian’ireo fahamarinana ireo ny olona iray izay mandalo fotoan-tsarotra?

“Ento ny ziogako”

Mety ho sarotra takarina indraindray ny teny na andian-teny ao amin’ny soratra masina. Ny fianarana ny dikan’ny teny sy andian-teny dia afaka manampy antsika hamantatra izay tian’ny Mpamonjy ho fantatsika. Ampiharo izany amin’ny andian-teny hoe “Ento ny ziogako” (Matio 11:29).

Sary
lehilahy mitondra sarety tarihin’omby

Ny zioga dia “fitaovana apetraka amin’ny tendan’ny biby na olona hamehezana azy ireo miaraka” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Zioga,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ny biby eto amin’ity sary ity dia mitondra zioga.

Nitantara izao zavatra niainana manaraka izao ny Loholona Edward Dube ao amin’ny Fitopololahy:

Sary
Loholona Edward Dube

Tamin’ny Desambra 2015 tany Madziva, Zimbabwe, izaho sy Naume [vadiko] dia nahita lehilahy niasa ny sahany niaraka tamin’ny omby roa. Gaga aho nahita fa omby iray lehibe ny biby iray ary omby kely kosa ny iray. Sanganehana aho. Nanontany tena aho hoe: “Fa nahoana ilay tantsaha no miasa tany miaraka amin’ny biby roa tsy mitovy zioga?”

Nanondro ilay zioga ny renin’i Naume, izay nijoro tsy lavitra teo. Nijery akaiky kokoa aho ary nahita soritra [tady na rojo] nampifandray ilay zioga tamin’ny omby. Nisarika ny vesatra rehetra ilay omby lehibe, ary nofolahana nianatra miasa tany ilay omby kely.

(Edward Dube, “Mianara Amiko,” Liahona, Ôkt. 2020, Pejy ho an’ny Vondromparitra Afrika Atsimo, ChurchofJesusChrist.org)

  • Ahoana no mety hitovian’ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy amin’ny an’ilay omby lehibe sy ilay omby kely?

  • Amin’ny fomba ahoana ny fahalalanao ny dikan’ny hoe zioga no mampitombo ny fahatakaranao ny fahatsapan’i Kristy momba anao?

Nilaza toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona David A. Bednar

Ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina dia mampifandray antsika sy mahatonga antsika ho tafaray amin’i Jesoa Kristy Tompo.

(David A. Bednar, “Mitondra mora foana ny enta-mavesany,” Liahona, mey 2014, 88)

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mahatonga ny fanaovana fanekempihavanana sy ny fitandremana izany no mampiray zioga antsika amin’ny Mpamonjy sy mitondra zioga miaraka amin’ny Mpamonjy?

Nanazava ny Loholona Dube hoe:

Sary
Loholona Edward Dube

Rehefa miara-mitondra zioga amin’i Jesoa Kristy isika dia Izy no mitondra ny vesatra, ary mizara amin-kafaliana ny asa isika. Ny fanasan’ny Tompo antsika tsirairay avy hianatra Aminy no loharano tokana azo antoka mitondra fiadanana sy fifaliana ary manome valiny amin’izay manahiran-tsaina antsika.

(Edward Dube, “Mianara Amiko,” Liahona, Ôkt. 2020, Pejy ho an’ny Vondromparitra Afrika Atsimo, ChurchofJesusChrist.org)

  • Ahoana no nanampian’ny fianarana momba an’i Jesoa Kristy anao tamin’ity taona ity hitondra ny entanao sy hitondra ny fiadanana sy fifaliana ho anao?

Manatona an’i Kristy sy mandray ny fitsaharany

1. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sahanasa A na B. Araho ny torolàlana mifandray amin’ilay sahanasa nosafidinao.

Atrikasa A: “Mankanesa aty amiko” (Matio 11:28). Ahoana no fomba hankanesako any amin’i Kristy?

Mba hahazoana ny fanampian’ny Mpamonjy sy ny fitsaharana atolony dia tsy maintsy manatona Azy isika.

  • Raha misy manontany anao ny dikan’ny hoe manatona an’i Kristy dia inona no holazainao?

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namantatra fomba maro hanatonana an’i Kristy.

Sary
Loholona Richard G. Scott

Rehefa mivavaka tsy tapaka maraina sy hariva isika, ka mandalina isan’andro ny soratra masintsika, sy manao takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro, ary mandeha tsy tapaka any amin’ny tempoly dia mamaly amim-pahavitrihana ilay fanasana “hanatona Azy.”

(Richard G. Scott, “Ataovy Voalohany amin’ny Laharampahameharaneo ny Fampiasana Finoana,” Liahona, nôv. 2014, 94)

Hevero ny hijery ny “Venez au Christ: Musique du thème des jeunes 2014” (4:48) mba hijerena ohatra amin’ny fomba ahafahan’ny olona iray manatona an’i Kristy. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo zavatra nataonao mba hanatonana akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy? (Mety ao anatin’izany ireo fanekempihavanana nataonao sy notandremanao.)

  • Inona no zavatra tsapanao fa azonao atao mba hanatonana bebe kokoa an’i Kristy sy hahazoanao ny fanampian’ Andriamanitra?

Atrikasa B: “Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Ahoana no mety hanamaivanan’i Kristy ny enta-mavesatro?

Voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny ohatra iray manan-danja momba ny fanamaivanan’ny Mpamonjy ireo enta-mavesatra. Nentina ho babo i Almà sy ny vahoakany, noterena hiasa ary nenjehina mafy.

Vakio ny Môzià 24:12–16. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

3. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny valin-teninao amin’ireto fanontaniana sy teny mitaona hanoratra manaraka ireto.

  • Inona no nianaranao momba ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy anao mitondra ny enta-mavesatrao?

  • Inona no nataon’ny vahoakan’i Almà mba hahazoana ny fanampian’ny Mpamonjy?

  • Ahoana no mety hanampiana ny olona iray izay miatrika olana amin’ny fahatakarana ny anjara asantsika amin’ny fanatonana ny Mpamonjy?

Saintsaino ny zavatra niainanao manokana na ny zavatra niainan’ny olona fantatrao, ary soraty ny fotoana nanamaivanan’ny Mpamonjy ny enta-mavesatra iray. Aza hadinoina ny mampiditra ny zavatra nataonao na nataon’ny olona fantatrao mba hanatonana ny Mpamonjy sy ny fomba nanampian’[ny Mpamonjy].

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no anampian’i Jesoa Kristy antsika rehefa manatona Azy isika?

Ny Loholona John A. McCune ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava ny sasany amin’ireo fitahiana mety ho tonga rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika.

Sary
John A. McCune

Rehefa manaiky ilay fanasan’[ny Mpamonjy] manao hoe “mankanesa aty amiko” (Matio 11:28) isika dia homeny izay fanampiana, sy fampiononana, ary fiadanana izay ilaina. … Na dia mandritra ireo fitsapana faran’izay mafy aza dia afaka mahatsapa Azy mamihana antsika am-pitiavana isika rehefa mitoky Aminy sy manaiky ny sitrapony.

(John A. McCune, “Manatona an’i Kristy—Miaina ny maha-Olomasin’ny Andro Farany ny tena,” Liahona, mey 2020, 36)

Hamoaka printy