Fifehezana fotopampianarana: Matio 22:36–39
Ireo didy roa lehibe
Ao amin’ny Matio 22:36–39, dia nampianatra ireo didy roa lehibe ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia hanampy anao hampihatra ny fotopampianarana izay ampianarina ato amin’ity andinin-tsoratra masina ity sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hahatakarana ny fomba hankatoavana ireo didy roa dia ny mitia an’ Andriamanitra sy ny namanao.
Tadidio ary hazavao
Ataovy tsianjery ilay andian-teny fototra hoe “Tiava ny Tompo Andriamanitrao. … Tiava ny namanao” ho an’ny adinin-tsoratra masina Matio 22:36–39 .
Manaova sarina fo ary soraty eo ambanin’izany ny isa 1 sy 2. Eo akaikin’ny isa 1, soraty, “Tiava ny Tompo Andriamanitrao”;Eo akaikin’ny isa 2, soraty,“Tiava ny namanao.” Tondroy eo amin’ny fo, ary lazao ilay andinin-tsoratra masina. Avy eo, dia tondroy ny isa tsirairay. Rehefa manao izany ianao, dia lazao ny ampahany amin’ny andian-teny fototra izay mifandray amin’ilay isa. Avereno imbetsaka izany dingana izany.
Vakio ny Matio 22:36–39 , ary avereno tadidina ny fandalinanao ireo andininy ireo tany aloha.
1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo valin-teninao ho an’ity fanontaniana manaraka ity:
-
Inona avy ireo fomba sasany ahafahantsika mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo? Ahoana ny fomba ahafahantsika mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no nomena araka io filaharany io ireo didy roa ireo?
Fizàrana mampihatra
Raha ilaina dia avereno jerena ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana “Fahazoana fahalalana ara-panahy” fizarana ao amin’ny ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianaran (2022).Amin’ny toe-java-mitranga sasantsasany, dia mety hanana olana amin’ny famantarana ny fomba fanarahana ireo didin’ Andriamanitra sy fanehoana fitiavana ho an’ireo izay tsy mankatò ny didin’ Andriamanitra isika.
Ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fa:
Mampifamadika ny filaharan’ny didy lehibe voalohany sy faharoa (jereo ny Matio 22:37–39) ny fanaovana izay hahafaly ny hafa aloha, vao izay hahafaly an’Andriamanitra. Manadino izay tokony hitodihantsika ny fanaovana izany. Nefa dia samy nanao izany fahadisoana izany avokoa isika noho ny fahatahorana ny olona. …
Avy amin’ny fahatsiarovana ny filaharana marin’ny didy lehibe voalohany sy faharoa no hananana toetra mafy orina tsara. …
Nitodika tany amin’ny Rainy foana ny sain’ny Mpamonjy, ilay Ohatra lehibe ho antsika. Nitia sy nanompo ny mpiara-belona taminy Izy saingy nilaza hoe, “Tsy mandray laza avy amin’olona Aho” ( Jaona 5:41).
(Lynn G. Robbins, “Mitodika mankaiza ianao??,” Liahona, nôv. 2014, 9, 11)
Saintsaino ireto fanontaniana ireto mialohan’ny hanaovanao ity sahanasa manaraka ity.
-
Efa avy natahotra hanitsy am-pitiavana na hanoro hevitra ny namana iray ve ianao satria tsy te hanafintohina azy?
-
Efa nahatsapa ve ianao fa tsy maintsy nisafidy manoloana ny zavatra izay andrasan’ny olona aminao sy ny zavatra izay andrasan’ny Tompo aminao?
2. Ataovy ao amin’ny diary fandalinanao izao manaraka izao:
Manorata tantara ahitana olona misedra fahasarotana amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fanarahana ny didiny ary ny fanehoana fitiavana ny hafa ihany koa. (Fanamarihana: Aza mamorona tantara izay mety ho fantatry ny hafa fa mahakasika olona manokana na mitovy aminy.)
Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
Saintsaino ny olona ao amin’ny tantara izay nosoratanao rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ianao.
-
Fiheverana toy ny ahoana no mety hitarika ny olona iray hisafidy ny hanao izay mahafaly ny hafa fa tsy izay mahafaly an’ Andriamanitra?
-
Ahoana ny fomba ahafahan’ny fahatakarana ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra na ireo fampianarana hafa ao amin’ny Filazantsara hanampy hamaha ireo fiheveran-diso ireo?
-
Inona avy ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy izay mety hanampy ilay olona mba hahita ny hafa avy amin’ny alalan’ny fomba fijerin’Izy ireo?
Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izaynofinidin’ Andriamanitra
-
Ahoana ny fomba ahafahan’ny fahamarinana ao amin’ny Matio 22:36–39 hanampy amin’ny fitarihana io olona io?
Vakio ireto fanambarana manaraka ireto izay avy tamin’ireo mpaminanin’ny andro farany mba hahitana ireo hevi-baovao izay mety hanampy ireo olona ao amin’ny tantara izay nosoratanao.Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe:
Indraindray isika mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia tsikerain’ny olona amin’ny fihazonana mafy ny lalàn’ Andriamanitra, sy amin’ny fiarovana ny fotopampianaran’ny Mpamonjy ary amin’ny fanoherana ireo fanerena ara-piarahamonina amin’izao androntsika izao. …
… Kanefa moa ve tsy vao mainka tsy firaharahana avy amintsika raha toa ka tsy milaza ny marina isika—tsy mampianatra ny zavatra izay nambaran’ Andriamanitra?
(Russell M. Nelson, “The Love and Laws of God [Ny fitiavana sy ny lalàn’ Andriamanitra]” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young , Septambra. 17, 2019], 3, speeches.byu.edu)
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanambara fa:
Tsy maintsy miezaka mitandrina ireo didy roa lehibe isika. Mba hahafahana manao izany dia mitandrina be isika rehefa mampifandanja lalàna sy fitiavana, izany hoe sady mitandrina ireo didy sy mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana no mitia ireo namantsika eo amin’izany lalana izany. Ity dia atao ity dia mitaky antsika hikatsaka fanentanam-panahy avy amin’ Andriamanitra mikasika an’izay tokony hotohanana sy izay tokony holavina ary ny fomba hitiavana sy hihainoana amim-panajana ary hampianarana ao anatin’izany rehetra izany.
(Dallin H. Oaks, “Ireo didyroa lehibe,” Liahona, nôv. 2019, 75)
-
Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’ireo fanambarana ireo manampy ny olona hita ao anatin’io rafi-tantara io?
Manao asa amim-pinoana
-
Inona no azon’ireo olona ao amin’io tantara io atao mba hahazoany ny fanampian’ny Ray any An-danitra hamantarany izay tokony atao?
-
Inona no tokony hataon’izy ireo mba hahafahany mitandrina ireo didy roa lehibe?
3. Ampiasao ilay tantara izay noforoninao, ka soraty ny valiny izay mamaly ny fomba ahafahan’ilay olona maneho fitiavana an’ Andriamanitra sy ny manodidina azy.