Matio 21:12–16
Manadio ny tempoly i Jesoa
Raha tonga tao Jerosalema tamin’ny herinandro farany teo amin’ny fiainany i Jesoa dia nanadio ny tempoly fanindroany Izy ary nanasitrana ireo izay nanatona Azy. Ity lesona ity dia hanampy anao hahatsapa faniriana tsy mitsaha-mitombo mba hametraka ny tempoly ho toerana masina izay ahafahanao mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy hampatanjaka ny finoanao Azy.
Manadio ny tempoly i Jesoa
Inona avy ireo fahatsapana anananao rehefa mijery ireto sarin’ireo efitra isan-karazany izay hita ao amin’ny tempoly ireto ianao? Azonao atao ny manoratra ny zavatra tsapanao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.
Nankany Jerosalema i Jesoa mba hankalaza ny fetin’ny Paska ary nitsidika ny tempoly Izy. Ireo mpivavaka izay tonga tao Jerosalema dia nila nanakalo ny volany amin’ny sandam-bola izay azony ampiasaina ao amin’ny tempoly mba hividianana biby hatao sorona izay hataon’ny mpisorona ho azy ireo. Na dia nilaina sy natao ho an’ny tanjona tsara aza izany raharaham-barotra izany dia tsy mendri-kaja ny fanaovana izany tao amin’ny tempoly. Namaly indroa miantaona ny zavatra izay hitany tao amin’ny tempoly i Jesoa: ny voalohany dia tany am-piandohan’ny fotoana nanompoany (jereo ny Jaona 2:13–16) ary ny faharoa dia tamin’ny herinandro farany nahavelona Azy (jereo ny Matio 21:12–13).
Vakio ny iray na izy roa amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto ka tadiavo ny fomba nentin’ny Mpamonjy namaliana ny zavatra izay hitany tao amin’ny Tempoly. Mety maniry ihany koa ianao hijery ny horonan-tsary “Jesus Cleanses the Temple” (1:54), azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Io horonan-tsary io dia mampiseho ny tantara ao amin’ny Jaona 2.
-
Inona ny zavatra izay nianaranao avy tamin’ny famakianao ireo tantara roa ireo mahakasika ny fahatsapan’ny Mpamonjy momba ny Tempoly?
-
Araka ny hevitrao dia nahoana no io fomba io no nosafidian’ny Mpamonjy mba hamaliana ny zavatra izay nitranga tao amin’ny Tempoly?
-
Inona ny fahamarinana izay nianaranao avy tamin’ny teny izay nataon’ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony tao amin’ny Tempoly?
Nampianatra momba ny maha masina ny tranon’ny Tompo ny Filoha Russell M:
Ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Ny fototry ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana rehetra atao any amin’ny temoly—ny ivon’ny drafitry ny famonjena mihitsy—dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny hetika rehetra izay ataontsika, ny lesona, ny zavatra rehetra izay ataontsika ao am-piangonana, dia manondro ny Tompo sy ny tranony masina avokoa. …
… Mitaky ny fiarovana ny Tempoliny amin’ny fanimbazimbana azy ny Mpanavotra antsika. Tsy misy zavatra tsy madio ka afaka miditra ao amin’ny tranony masina. Kanefa izay rehetra tsara fiomanana dia ho raisina an-tanan-droa avokoa.
(Russell M. Nelson, “Personal Preparation for Temple Blessings,” Ensign, May 2001, 32–33)
-
Ahoana ny fomba ahafahan’ny teny izay nataon’ny Filoha Nelson manampy antsika hahatakatra kokoa ny fihetsika izay nasehon’ny Mpamonjy mahakasika ny Tempoly?
-
Nahoana araka ny hevitrao no mitaky ny fahamendrehantsika ny Tompo rehefa hiditra ny Tempoliny isika?
Asehoy ity teny nataon’ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary saintsaino ny zavatra izay tian’ny Tompo hataonao. Azonareo atao ihany koa ny mijery ilay horonan-tsary “Exceeding Great and Precious Promises,” izay azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, avy amin’ny minitra faha 10:08 ka hatramin’ny 11:17, na vakio ity teny notsongaina manaraka ity.
Ny Tempoly no toerana masina indrindra amin’ny toerana fitsaohana rehetra eto an-tany. Ny tempoly dia tranon’ny Tompo ara-bakiteny, toerana masina iray natokana hitsaohana an’ Andriamanitra ary handraisana sy hahatsiarovana ireo fampanantenany sady soa no lehibe.
… Ny tena ivon’ny fitsaohana ao amin’ny tempoly dia ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy sy ny fianarana mikasika ireo fanekempihavanana, ny fandraisana ary ny fahatsiarovana azy ireny. Ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika ary ny akanjo izay anaovantsika any amin’ny tempoly dia tsy mitovy amin’ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika ary ny akanjo anaovantsika any amin’ireo toerana hafa mety falehantsika.
Ny tanjona voalohan’ny tempoly dia ny hampisondrotra ny fijerintsika miala eo amin’ireo zavatr’izao tontolo izao mankany amin’ireo fitahiana avy amin’ny mandrakizay.
(David A. Bednar, “Fampanantenana lehibe sy sarobidy indrindra,” Ensign na Liahona, nôv. 2017, 92)
-
Inona ny zavatra tsapanao fa tian’ny Tompo ho fantatrao, tsapanao, na hataonao noho ny zavatra izay nianaranao avy tamin’ny lesona momba ny toetra masina izay ananan’ny Tempoly?
Nanasitrana ny jamba sy nandringa i Jesoa
Vakio ny Matio 21:14 , ka tadiavo ny zavatra izay nataon’ny Mpamonjy rehefa avy nanadio fanindroany ny tempoly Izy. Ny teny hoe “mandringa” dia ilazana ireo olona malemy na manana fahasembanana rehefa mamindra.
Mariho ny fomba nentin’ny Mpamonjy nanasitrana ireo mpanara-dia azy teo akaikin’ny Tempoly.
-
Karazam-panasitranana hafa toy ny ahoana no azontsika iainana avy amin’ny fampiharantsika ny finoantsika Azy sy ny fanaovantsika ny asan’ny tempoly?
Nanazava ny fanasitranana izay azontsika raisina noho ny fandraisantsika anjara ao amin’ny tempoly sy ny asan’ny tantaram-pianakaviana ny loholona Dale G. Renlund avy amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Jereo ity horonan-tsary manaraka ity, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny minitra faha 3:49 ka hatramin’ny minitra faha 4:09, na vakio ity teny natao manaraka ity.
Eo am-pandraisantsika anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asan’ny tempoly ankehitriny, dia afaka ny handraykoa ireo fitahiana miendrika “fanasitranana” nampanantenain’ireo mpaminany sy apôstôly isika. Ireo fitahiana ireo dia mahavariana sy mampientanentana koa noho ny vokany sy ny toetoetrany manokana ary ny fiantraikany eto amin’ny fiainana an-tany.
(Dale G. Renlund, “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana,” Liahona, mey 2018, 47)
-
Ahoana araka ny hevitrao no ahafahan’ny fitsaohana any amin’ny tempoly hanampy antsika ho sitrana amin’ny ratra ara-panahy sy ara-pihetseham-po izay mahazo antsika?
1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra izay nianaranao androany. Ampidiro ao anatin’ny valin-teninao ny roa farafahakeliny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Inona avy ireo hevitra sy fahatsapana voarainao taorian’ny fianarana momba ny Mpamonjy sy ny Tempoliny?
-
Ahoana ny fomba ahafahan’ny zavatra izay nianaranao sy ireo zavatra tsapanao androany hisy fiantraikany amin’ny fomba fitsaohanao ny Mpamonjy any amin’ny tempoly?
-
Inona no fanasitranana katsahinao avy amin’ny Tompo rehefa mandray anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asan’ny tempoly ianao?
Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
Matio 21:13. Nahoana i Jesoa no niteny fa nataon’ny vahoaka “zohy fieren’ny jiolahy” ny tempoly?
Ny fomba fiteny hoe “zohy fieren’ny jiolahy” dia manambara fa liana kokoa tamin’ny fahazoana tombom-barotra mihoatra ny fitsaohana an’ Andriamanitra sy fanampiana ny hafa mba hitsaoka Azy ireo mpanakalo vola sy ireo mpivarotra.
Tezitra ve i Jesoa rehefa nanadio ny tempoly?
Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nampianatra momba ny Mpamonjy nanadio ny tempoly. Jereo ity horonan-tsary manaraka ity, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny minitra faha 11:07 ka hatramin’ny minitra faha 11:35, na vakio ity teny notsongaina manaraka ity.
Ny fahatezerana dia mety azo hamarinina amin’ny toe-java-mitranga sasantsasany. Nitantara tamintsika ny Soratra Masina fa noroahin’i Jesoa ireo mpanakalo vola tao amin’ny tempoly, ka nilaza Izy fa “Ny tranoko dia atao ho trano fivavahana; fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy” ( Matio 21:13). Na dia teo aza izany dia natao ho fananarana kokoa io voalazany io fa tsy firehetany tamin’ny fahatezerana tsy voafehy akory.
(Gordon B. Hinckley, “Malain-kotezitra,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 66)