Seminera
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 3


Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 3

Takaro ary hazavao

Sary
A group of young women are shown looking at a teacher. They discuss and talk together with each other.

Ny fahatakarana ireo andinin-tsoratra masina manokana sy fahaizana manazava ireo fahamarinana izay ampianarin’izy ireny no fototra ahaizana ny fifehezana fotopampianarana. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra tsara kokoa sy hizatra hanazava ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ireto andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana manaraka ireto: Matio 5:14–16; Lioka 2:10–12; Jaona 3:5; Jaona 3:16.

Inona no fomba tsara indrindra ahafahanao mianatra?

Misy maro ny fomba fianarana , ary samy hafa avokoa ny fomba fianarantsika sy ny fomba fahazoantsika fampahalalana.

1. Vakio manontolo ireto fomba fianarana manaraka ireto, ary asio laharana avy amin’ny 1 ka hatramin’ny 4, ka ny 1 dia izay hitanao fa tena tsara indrindra ary ny 4 kosa dia izay hitanao fa tsy mety indrindra aminao. Izy ity dia afaka manampy anao hamaritra hoe inona no sahanasa hataonao any aorina any rehefa mandeha ny lesona.

  • Fakana sary an-tsaina: Mianatra amin’alalan’ny fijerena sy fakana sary an-tsaina aho. Ny fanaovana sary, fandokoana, tabilao, kisarisary, sy haino aman-jery isan-karanany dia manampy ahy hianatra sy hahazo fampahalalana.

  • Mizara amin’ny hafa: Ny fanoratana sy ny firesahana amin’ny hafa dia manampy ahy hiroso sy hianatra bebe kokoa.

  • Mianatra samirery: Aleoko mianatra ho ahy samirery, sady mahatsiaro mahatoky tena kokoa aho mamantatra zavatra amin’ny fomba fiasako samirery.

  • Mianatra amin’ny alalan’ny fanaovan-javatra: Afaka mianatra tsara kokoa aho rehefa mampiasa karazana retsi-pahatsapana, toy ny fitsapana, fanimboloana, , fandrenesana, ary ny fampihetsehana ny vatako.

Saintsaino ny fomba nanomanan’ny Mpamonjy ny fampianarany hifanaraka amin’ireo zavatra ilain’ireo izay nampianariny.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampiasa fomba isan-karazany ny Mpamonjy mba hampianarana ny hafa? Inona ny zavatra ampianarin’izany anao momba Azy?

Mampihatra ny fomba fianaranao amin’ny fifehezana fotopampianarana

Makà fotoana ahafahana mamaky ireto andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao manaraka ireto. Andramo raha afaka mahatadidy ny fehezan-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina ianao.

  • Inona amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto no tsapanao fa takatrao tsara? Inona amin’izy ireo no tianao mba ho azo bebe kokoa?

Vitao ny sahanasa A, B, D na E amin’alalan’ny fampiasana ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana teo aloha (na andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana hafa ao amin’ny Testamenta Vaovao) izay tianao ho azo bebe kokoa. Raha manam-potoana, dia manaova sahanasa maro ahitana andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana samihafa.

A: Maka sary an-tsaina

Manamboara sary, kamban-tsary, soratra mahatsikaiky, haingon-tsoratra na habakaban-teny(nuage de mots), na zavatra hafa fanehoan-javatra hita maso izay maneho ny zavatra ampianarin’ny andinin-tsoratra masina nosafidinao. Tsindrio ireto rohy ireto mba hahafahanao mahita ohatra sasantsasany:

Haingon-tsoratraMemes(soratra mahatsikaiky)

B: Mizara amin’ny hafa

Manaova drafitra entinao mampianatra ny andinin-tsoratra masina nofidinao. Saintsaino ireo fanontaniana mety hapetrakao mba hanampianao ireo izay ampianarinao hahatakatra ilay andinin-tsoratra masina, manaova horonan-tsary manazava ny dikan’ireo teny sy andian-teny manan-danja, na mampiasà mozika mba hampianarana ny hafa.

D: Mandalina samirery

Misafidiana teny manan-danja hohalalinina avy amin’ilay andinin-tsoratra masina. Raketo ireo famaritana, toko sy andininy mifandray amin’izany, na ireo fanambarana avy amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay afaka mandranitra kokoa ny fahatakaranao.

E: Mianatra amin’ny alalan’ny fanaovan-javatra

Mamorona na mitadiava zavatra azo tsapain-tanana na lamina ahafahanao maneho ilay andinin-tsoratra masina na teny na andian-teny miavaka ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. Ohatra, ho an’ny Matio 5:14–16 , azonao atao ny mampiasa loharanom-pahazavana samihafa mba hanehoana ilay fanasan’i Kristy manao hoe: “Aoka hazava […] toy izany ny fahazavanareo.”

2. Fintino ao amin’ny diary fandalinanao ilay sahanasa nosafidinao:

3. Mba hahafahanao manao tombantombana ny traikefanao amin’ny fianarana, dia ampiasao ireto safidy manaraka ireto mba hahafahanao mamaly ireo fanontaniana:

(A) Manaiky (B) Somary manaiky ihany (D) Sady tsy manaiky no tsy mandà (E) Tsy manaiky

  1. Azoko tsara ilay (ireo) andinin-tsoratra masina izay nosafidiko.

  2. Tsapako ho mahatoky tena kokoa aho ankehitriny amin’ny fahaizako manazava amin’ny olon-kafa ilay (ireo) andinin-tsoratra masina nosafidiko, raha ilaina izany.

  3. Mino aho fa ny fampiasana fomba mitovitovy amin’ity amin’ny fianarana sy famerenana andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana hafa dia hanampy ahy tokoa.

Hamoaka printy