Seminera
Marka 5:24–34; Matio 9:20–22


Marka 5:24–34; Matio 9:20–22

Misintona ny herin’i Jesoa Kristy

Sary
A woman lying on the ground as she reaches for the hem of the garment of Jesus Christ.

Nanasitrana vehivavy iray narary nandeha rà i Jesoa raha Izy teny an-dalana handeha hanasitrana ny zanakavavin’i Jairo. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hahatakatra ny fomba hisintonana ny herin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoanao Azy.

Ezaka ara-panahy

Makà minitra iray hijoroana sy hanaovana hetsika faninjirana ny vatana. Rehefa vita izany dia valio ao an-tsainao ireto fanontaniana ireto:

  • Nahatsapa fahasamihafana teo amin’ny vatanao ve ianao?

  • Araka ny hevitrao, amin’ny fomba ahoana no mety hahasoa anao ny manao faninjirana vatana tsy tapaka?

Maro ny tombontsoa avy amin’ny faninjirana ny vatana. Rehefa maninjitra ny vatany ny atleta dia mahavita zavatra tsara kokoa izy ireo ary tsy mora maratra. Toy izany ihany koa, rehefa manitatra ny sain’izy ireo ny mpianatra ary manao mihoatra ny fahazarany mianatra tsy tapaka dia mampitombo ny fianarany izy ireo.

  • Midika inona aminao ny hoe manao hetsika fanitarana ara-panahy?

Mitovy amin’ny tombontsoa azo avy amin’ny faninjirana ny vatana no hitombon’ny fahalalantsika ara-panahy rehefa mampihatra ny finoantsika ny Mpamonjy isika ary misintona ny heriny. Ao amin’ny lesona anio ianao dia hianatra ny momba ny vehivavy iray izay nanana finoana tsy manam-paharoa tamin’i Jesoa Kristy ka naninjitra ny tanany tamin’ny Mpamonjy ary nisintona ny heriny mba hanasitrana azy.Narahin’ny vahoaka marobe i Jesoa Kristy raha teny an-dàlana hanasitrana ny zanakavavin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Jairo (jereo ny Marka 5:22–24). Anisan’ilay vahoaka ny vehivavy iray narary.

Vakio ny Marka 5:25–26 , ka tadiavo ny mikasika ny fahasalaman’ilay vehivavy sy ny zavatra nilainy.

Ny soratra masina dia tsy mamaritra ny mombamomba ny aretina rà nahazo ilay vehivavy ( Marka 5:25). Fantatsika fa nanakorontana ny fiainany tamin’ny fomba maro izany. “Nandany ny fananany rehetra” izy nitady fanasitranana tamin’ny mpitsabo ( Marka 5:26). Tao amin’ny lalàn’i Mosesy, ireo olona izay manana aretin’ny rà dia nosokajiana ho tsy madio (jereo ny Levitikosy 15:19–33). Izany dia midika fa ity vehivavy ity dia mety voailikilika sy natoka-monina nandritra ny 12 taona narariany.

  • Inona no zavatra tsapanao fa ilanao ny fanampian’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao?

Vakio ny Marka 5:27–29 , ka tadiavo ny zavatra nataon’ity vehivavy ity mba hahazoany ny fanampian’ny Mpamonjy (jereo ihany koa ny Matio 9:20–22). Ny fehezan-teny hoe “nankeo ivohony namaky ny vahoaka” dia maneho ny ezaka izay nataony mba hamakivakina ny vahoaka ahafahany mikasika ny lamban’i Jesoa ( Marka 5:27).

  • Inona no manaitra anao amin’ny zavatra nataon’ity vehivavy ity mba hisintomana ny herin’ny Mpamonjy?

  • Ao amin’ity tantara ity dia naninjitra ny tanany ilay vehivavy mba hikasika ny Mpamonjy. Inona avy ireo fomba sasany ahafahanao manao “ezaka” sy manatona ny Mpamonjy?

  • Mino ve ianao fa afaka manasitrana anao ny Mpamonjy, na dia tsy afaka mikasika azy ara-batana aza ianao? Nahoana?

Vakio ny Marka 5:30–34 , ka tadiavo ny valin-tenin’ny Mpamonjy tamin’ny fihetsika maneho finoana nataon’ilay vehivavy. Ny teny hoe hery ao amin’ny andininy 30 dia midika hoe “fahefana” na “tanjaka”( Marka 5:30 , ).

  • Inona no zavatra tsikaritrao momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo?

Na dia teo aza ny nilaivan’i Jairo maika ny hitondrana an’i Jesoa any an-tranony hanasitrana ny zanany vavy, dia nijanona i Jesoa ary nanampy io vehivavy io.

  • Mampianatra anao inona mikasika ny Mpamonjy izany?

  • Amin’ny fomba ahoana no misy fiantraikany amin’ny fanirianao hitodika Aminy hanampy anao amin’ireo zavatra ilainao izany?

Nampiharin’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fiainantsika manokana io tantara io. Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” manomboka amin’ny minitra 11:30 ka hatramin’ny 13:20, na vakio ny soratra eto ambany. Rehefa manao izany ianao dia tadiavo ireo fitsipika nampianarin’ny Filoha Nelson momba ny fisintonana ny herin’ny Mpamonjy.

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Tadidinareo ve ilay tantara ao amin’ny baiboly mikasika ilay vehivavy niaritra olana tena nandreraka nandritra ny 12 taona? [jereo ny Lioka 8:43–44 ]. Nampihatra finoana lehibe ny Mpamonjy izy, ary hoy izy: “Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho” [ Marka 5:28 ].

Ity vehivavy mahatoky sy mifantoka ity dia nila nanao ny ezaka faran’izay tratrany mba hahazoany ny herin’ny Mpamonjy. Ny ezaka ara-batana nataony dia taratry ny ezaka ara-panahy nataony. …

Rehefa miandrandra ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainanareo toy ireny olona mitady hilentika mitady vonjy sy mila rivotra ireny ianareo dia hahazo ny hery avy amin’i Jesoa Kristy. Rehefa mahafantatra ny Mpamonjy fa tena miandrandra Azy marina ianareo, rehefa tsapany fa ny fanirianareo lehibe indrindra dia ny hisintona ny heriny ho eo amin’ny fiainanareo, dia hotarihin’ny Fanahy Masina ianareo hahafantatra mazava tsara ny zavatra tokony hataonareo [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63 ].

Rehefa manao ezaka ara-panahy mihoatra noho izay efa vitanareo teo aloha ianareo dia hikoriana ao aminareo ny heriny.

(Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 41–42)

  • Inona avy ireo fitsipika hitanao tamin’ny teny nataon’ny Filoha Nelson?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fitsipika ireo manampy anao hiezaka ara-panahy hisintona ny herin’ny Mpamonjy?

  • Oviana ianao no niaina ny iray amin’ireo fitsipika ireo teo amin’ny fiainanao?

1. Saintsaino ireo zavatra ilainao manokana, ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina farafahakeliny ny telo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no azonao atao mba hanehoana fa ny fahazoana ny fanampian’ny Mpamonjy no fanirianao lehibe indrindra?

  • Hanao ahoana ny fahasamihafan’ny fiainanao raha toa ianao ka misintona ny herin’i Jesoa Kristy matetika kokoa?

  • Inona ireo sakana mety ilainao horesena rehefa manatona ny Mpamonjy amim-pinoana ianao?

  • Inona no azonao atao mba hamantarana ny torolalana avy amin’ny Fanahy Masina hanatonana ny Mpamonjy?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Matio 9:20. Inona no maha-zava-dehibe ny fikasihan’ilay vehivavy ny somotraviavin-damban’ny Mpamonjy?

“Ny somotraviavin-dambany” dia manondro ny “ampahany manan-danja amin’ny akanjon’ny Israelita.” Ny somotraviavy dia “vona isaky ny -elatra- na zorony amin’ny tallith na lamba fitafy ( Matio. 14:36)” (Bible Dictionary, “ Hem of garment ”). Ny somotraviavy dia noravahana kofehy manga, izay maneho ny lanitra (jereo ny Nomery 15:38–40). Ilay somotraviavy nihantona teo an-tsorony avy tao an-damosina no ilay nokasihin-dravehivavy. Ny fihetsika nasehony tamin’ny faninjirana ny tànany hikasika ny somotraviavy dia maneho ny fiezahany hahazo ny hery avy any an-danitra nananan’ny Mpamonjy. Naminany ny mpaminany Malakia fa ny Mpamonjy dia “hiposaka`[…] mitondra fanasitranana eny amin’ny [elany]” ( Malakia 3:20).

Ahoana no fomba handraisako ny fanasitranan’ny Mpamonjy?

Hoy ny Filoha Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:

Sary
Official Portrait of Sister Jean B. Bingham. Photographed in 2017.

Rehefa mandalina ny fiainana sy ny fampianaran’i Kristy amin’ny fomba isan-karazany ianareo dia hitombo ny finoanareo Azy. Hahafantatra ianareo fa tia anareo tsirairay Izy ary azony tsara ny zava-misy iainanareo. …

Na inona na inona zavatra efa nozakaintsika dia Izy no loharanon’ny fanasitranana. Ireo izay niaina izay mety ho karazana fanararaotana, famoizana tena nampalahelo, aretina mitarazoka, na fahoriana tsy nahafahana nandroso, fanendrikendrehana, fanenjehana feno fitaka, na fahavoazana ara-panahy vokatry ny fahotana, na ny tsy fifankahazoan-kevitra dia azo sitranina avokoa amin’ny alalan’ilay Mpanavotra an’izao tontolo izao. Na izany aza dia tsy hiditra Izy raha tsy asaina. Tokony hanatona Azy isika dia hamela Azy hanatanteraka ny fahagagana avy Aminy.

(Jean B. Bingham, “Ka ho tanteraka ny fifalianareo,” Liahona, nôv. 2017, 86)

Nampianatra ny Rahavavy Reyna I. Aburto, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:

Sary
Official Portrait of Sister Reyna Aburto. Photographed in 2017.

Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia nanasitrana ny marary sy ny malahelo i Jesoa Kristy, saingy nila nampihatra finoana Azy ny olona tsirairay ary nandray andraikitra mba hahazoana ny fanasitranany. Nandeha an-tongotra lavitra ny sasany, naninjitra ny tanany ny hafa mba hikasihana ny akanjony ary tsy maintsy nolanjaina nankeo Aminy ny hafa mba hositranina. Raha resaka fanasitranana, moa ve isika rehetra tsy mila mafy Azy daholo?

(Reyna I. Aburto, “Na inona miseho, mitoera eto!,” Liahona, nôv. 2019, 58)

Hamoaka printy