Seminera
Lioka 9:24–26, 57–62


Lioka 9:24–26, 57–62

Mpianatr’i Jesoa Kristy

Sary
The disciples are gathered around Jesus, they are sitting together on the ground in a dry grassy field. One of the outtakes includes a lake in the background. Still from a Bible video. Jesus teaching a group in a field.

Nampianatra fahamarinana maro mikasika ny fomba ahafahantsika ho lasa mpianany i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra ireo fomba ahatongavana ho tena mpianatr’i Jesoa Kristy.

Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy

  • Efa nilalao kilalao izay mitaky ny tsy maintsy anarahana olona anankiray mitarika ve ianao?

  • Inona no nampamora, na nampahasarotra, na nampahafinaritra amin’io kilalao io?

Nandritra ny asa fanompoany i Jesoa Kristy dia nanasa olona hanaraka Azy sy ho lasa mpianany. Ny hoe mpianatra dia olona iray izay natao batisa sy manaraka an’i Jesoa Kristy ary miezaka ny miaina araka ny fampianarany. Ao amin’ny Lioka 9 , dia mamaky fitsipika isan-karazany isika, izay afaka manampy antsika ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy, raha toa ka manaraka izany isika.

  • Araka ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy, inona ny antony ilana ezaka lehibe mba hahatongavana ho mpianany?

Ireto fizarana telo manaraka ireto dia samy mifantoka amin’ny anankiray amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy avokoa. Afaka manampy anao izy ireo rehefa miezaka ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy ianao. Vakio tsirairay ireo fizarana ireo, ary misafidiana anankiray na maromaro ho atao. Asao ny Fanahy Masina mba hanome fanambarana ho anao manokana momba ireo fomba ahafahanao mampihatra ny zavatra izay ianaranao eo amin’ny fiainanao.

Mitondra ny hazo fijalianao

Vakio ny Lioka 9:23 , ary mitadiava zavatra izay takian’ny Mpamonjy mba hahatongavana ho mpianany.

  • Inona ny zavatra izay ampianarin’io andinin-tsoratra masina io momba ny fomba ahatongavana ho tena mpianatr’i Jesoa Kristy marina?

Io andininy io dia miresaka momba ny hazofijaliana ara-batana izay nentiny sy niaretan’i Jesoa Kristy mba hanatanterahana ny sitrapon’ny Rainy. Na dia tsy asaina mitondra hazofijaliana ara-batana tahaka ny nataon’ny Tompo aza isika, dia angatahana isika mba hanaraka Azy amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra ho antsika na dia sarotra aza izany.

Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 16:26 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ), ary tadiavo ny dikan’ny hoe hitondra ny hazofijaliantsika sy hanaraka an’i Jesoa Kristy .

Nanazava ny dikan’ny hoe mitondra ny hazofijaliantsika ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Azonao jerena ny horonan-tsary “Mitondra ny hazofijaliantsika” manomboka avy amin’ny mari-potoana 3:08 ka hatramin’ny 3:49, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ny lahatsoratra eo ambany.

Tsindrio eto raha hijery ny lahatsoratr’ity horonan-tsary ity.

Sary
Elder Ulisses Soares, Quorum of the Twelve Apostles official portrait.

Ianarantsika amin’ny alalan’ny soratra masina fa ireo izay maniry ny hitondra ny hazo fijalian’izy ireo dia tena tia an’i Jesoa Kristy ka handà ny tenany amin’ireo zavatra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra sy ny fitsiriritana ny zavatr’izao tontolo izao rehetra ary hitandrina ny didiny.

Ny fahavononantsika hanary izay rehetra mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra sy hahafoy izay rehetra angatahina amintsika ary hiezaka hanaraka ireo fampianarany dia hanampy antsika haharitra eo amin’ny lalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, eny na dia eo anatrehan’ny fahoriana, na ny fahalemen’ny fanahintsika, na ny faneren’ny fiarahamonina sy ireo fihevitra araka izao tontolo izao izay manohitra ireo fampianarany aza.

(Ulisses Soares, “Mitondra ny hazo fijaliantsika,” Liahona, Nôv. 2019, 113–14)

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana ianao no mila mandà ny tenanao amin’ireo zavatra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra na ny fitsiriritana ny zavatr’izao tontolo izao eo amin’ny fiainanao?

  • Amin’ny fomba ahoana ny mahatonga ny fandavan-tena amin’ireo zavatra tsy araka an’ Andriamanitra na ny fitsiriritana ny zavatr’izao tontolo izao no ho tahaka ny fitondrana ny hazofijaliana?

  • Ahoana araka ny eritreritrao ny “fitondrana ny hazofijalianao” no afaka manampy anao ho tena lasa mpianatr’i Jesoa Kristy?

Mamery ny ainao mba hamonjena izany

Vakio ny Lioka 9:24–25 , ary tadiavo ny zavatra izay nampianarin’ny Tompo momba ny fahatongavana ho mpianany.

  • Inona ny zavatra izay ampianaran’ireo andininy ireo antsika mba hahatongavana ho tena mpianatr’i Jesoa Kristy?

  • Amin’ny fomba manao ahoana araka ny eritreritrao no mahatonga ny olona iray izay tsy mifantoka afa-tsy ny amin’ny sitrapony sy ny faniriany feno fitiavan-tena “hanary” ny fiainany amin’ny farany?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe hamonjy ny ainao ianao raha manary izany noho ny amin’i Jesoa Kristy?

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nanazava ny hevitry ny hoe mamoy ny aintsika noho ny amin’i Jesoa Kristy:

Sary
Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Ireo izay miasa ho an’ny tenany irery ihany dia miha-maty tsikelikely ary toy ny hoe mamery ny ainy amin’ny farany, fa ireo izay manokana ny fotoany hanompoana ny hafa kosa dia hitombo sy hiroborobo—ka dia hamonjy ny ainy.

(Thomas S. Monson, “Inona no zavatra mba nataoko ho an’ny hafa androany?Ensign na Liahona, Nôv. 2009, 85)

  • Iza ny olona fantatrao nisafidy ny hamery ny ainy noho ny amin’i Jesoa Kristy? Inona no fiantraikan’izany fanapahan-kevitra izany teo amin’ny fiainanan’io olona io?

  • Tamin’ny fomba manao ahoana no nitahiana anao noho i Jesoa Kristy izay niaina ireo fampianarana hita amin’ireo andininy ireo?

Mandresy ny fanelingelenana sy ny fialan-tsiny

Vakio ny Lioka 9:57–62 , mba hitadiavana ireo zavatra izay tian’ny olona sasany hatao mialoha ny hanarahany ny Mpamonjy.

  • Inona ny zavatra izay ampianaran’ireo andininy ireo antsika mba hahatongavana ho tena mpianatr’i Jesoa Kristy?

Tsy nilaza mihitsy i Jesoa Kristy hoe tsy mety ny malahelo ny fahafatesan’ny havan-tiana na ny manao veloma ny namana sy ny fianakaviana. Kanefa kosa, dia nampianatra azy ireo lesona manan-danja momba ny lanjan’ny maha mpianatra Izy.Ny Filoha Howard W. Hunter (1907–1995) dia nanazava ny fanoharana momba ny fangady tarihina ao amin’ny Lioka 9:62 .

Sary
Howard W. Hunter

Mba ahafahana mangady tatatra anankiray mahitsy [na lavaka], dia mila mibanjina tsara amin’ny toerana anankiray eo alohany ny mpiasa tany. Manampy azy hijanona amin’ny lalana tena izy izany. Raha toa anefa izy ka miherika mijery izay efa vitany, dia mampitombo ny erijika mety hampivily lalana azy izany. Mivilambilana sy tsy mirindra araka ny tokony ho izy ilay tatatra na ilay lavaka avy eo. … Raha hafantoka amin’ny zavatra eo alohantsika—dia ny fiainana mandrakizay sy ny fififaliana noho ny famonjena— ny herintsika fa tsy amin’ny zavatra any aoriantsika dia tena ho azontsika tokoa izany.

(Howard W. Hunter, “Am I a ‘Living’ Member?” Ensign, Mey 1987, 17)

  • Inona avy ireo antony faheno matetika mahatonga ny olona ankehitriny hisafidy ny tsy hanaraka ny Tompo?

  • Ahoana ny fomba ahafahanao mijanona mifantoka amin’ny zavatra nasain’ny Mpamonjy hataonao ankehitriny sy amin’ny ho avy?

Ny dingana ataoko manaraka

Manaova sary tohatra ahitana zana-tohatra telo farafahakeliny. Soraty eo amin’ny zana-tohatra ambony indrindra ny hoe Jesoa Kristy. Manaova kisary maneho ny tenanao eo amin’ny zana-tohatra ambany indrindra.

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny ezaka izay ataonao mba ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy ianao sy ny fomba ahafahanao manaraka Azy kokoa. Tsarovy anefa fa ny Fanahy Masina dia afaka mametraka ny eritreritra ao an-tsainao sy fahatsapana ao am-ponao rehefa misaintsaina ianao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3).

Tanisao ireo dingana izay azonao atao mba hanampiana anao rehefa miezaka ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy ianao. Azonao atao ny misafidy ny zavatra izay tsapanao fa tian’ny Tompo hataonao, na manisy marika ireo dingana araka ny filaharany izay tianao hanandramana azy ireo.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no dingana manaraka azonao raisina eo am-piezahanao ho tonga mpianatra mahatoky kokoa an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho endriky ny fivoaranao rehefa manao io dingana io ianao?

  • Amin’ny fomba manao ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny Mpamonjy manampy anao rehefa manao izany sy ireo dingana manaraka ireo ianao?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Lioka 9:24 . Inona no dikan’ny hoe mamery ny ainao mba hamonjena izany?

Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Arakaraka ny fieritreretako bebe kokoa momba izany, no vao may lasa mahatalanjona kokoa ahy amin’ny fanoloran’i Jesoa tsy tapaka ny ainy ho an’ny Ray, ny fahalavorarian’ny famoizany ny ainy noho ny sitrapon’ny Ray—teo amin’ny fiainana sy fahafatesana. …

Ny didin’i Kristy hanara-dia Azy dia didy anankiray mba … hamoy ny aintsika ho tombontsoan’ny tena fiainana, ny fiainana tena izy, ny fiainana mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izay efa nomanin’ Andriamanitra ho antsika tsirairay avy.

(D. Todd Christofferson, “Finding Your Life,” Liahona, Martsa 2016, 18)

Hamoaka printy