Seminera
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 7


Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 7

Sary
Open scriptures that have been highlighted, on table with ribbon bookmark and yellow pencil. (horiz)

Isan’ny iray amin’ny tanjonan’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hianatra ny fomba fampiharana ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny soratra masina amin’ireo toe-javatra izay mety hatrehinao na ny manodidina anao. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hizatra hampihatra eo amin’ny fiainana ny fotopampianarana sasany izay nianaranao tamin’ity taona ity.

Manampy ny hafa

Eritrereto hoe manompo fianakaviana iray ao amin’ny paroasinao ianao ka vao haingana no very asa ilay raim-pianakaviana ao amin’izany fianakaviana izany. Kivy tanteraka io raim-pianakaviana io dia nitsahatra nankany am-piangonana, sy nitsahatra nivavaka ary nitsahatra namaky soratra masina. Misy ankizy anankitelo ao amin’io fianakaviana io: zatovovavy 17 taona iray, sy zatovolahy 15 taona iray, ary ankizivavy 10 taona iray. Ilay ankizivavy 10 taona sy ny reniny dia mankany am-piangonana ihany indraindray. Ireo zatovo anankiroa kosa dia mankany am-piangonana matetika, saingy noho ny fitohizan’ny tsy fananan’ny rain’izy ireo asa dia voatery nitsahatra nankany am-piangonana izy ireo.

Eo am-pamerenanao mijery ity lisitra ahitana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ity dia saintsaino ny mety ho fihetseham-po sy olana atrehin’ny olona tsirairay ao amin’io fianakaviana io. Saintsaino hoe inona amin’ireo fahamarinana avy ao amin’ireo soratra masina ireo no mety hanampy bebe kokoa ny olona tsirairay ao amin’io fianakaviana io ary nahoana.

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Matio 11:28–30

“Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

Matio 16:15–19

Hoy Jesoa: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Matio 22:36–39

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Lioka 22:19–20

Nandidy i Jesoa Kristy hoe: mandraisa ny Fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana Ahy.”

Jaona 7:17

“Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo mety ho fihetseham-po na olana iainan’ny tsirairay avy amin’ireo olona ao amin’io fianakaviana io?

  • Nahoana no manampy ny fisaintsainana ireo fihetseham-po sy ireo olana alohan’ny hanapahana hevitra ny amin’izay fahamarinana mety hanampy indindra?

2. Ataovy ity sahanasa manaraka ity ary valio ao anaty diary fandalinanao soratra masina ireo fanontaniana izay miaraka amin’izany:

Misafidiana ankizy iray sy ny iray amin’ireo ray aman-dreny avy amin’ilay fianakaviana ao anatin’io rafi-tantara io. Misafidiana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray sy fahamarinana izay tsapanao fa tena hanampy ny tsirairay avy amin’izy ireo.

  • Iza amin’ireo olona ireo no nosafidinao? Inona ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy fahamarinana hozarainao amin’izy ireo? Nahoana?

Eritrereto ny tsirairay avy amin’ireo olona izay nosafidinao.

  • Raha ianao no anontaniana, dia inona avy ireo asa voafaritra hanasanao azy ireo tsirairay avy mba hataony mba hahafahany miaina ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo?

  • Ahoana no mety ahafahan’ireo asa ireo hanampy azy ireo handray hery sy tanjaka avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Fampiharana fanampiny

3. Ataovy izao manaraka izao:

Misafidiana iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tsy nampiasainao tamin’ny sahanasa teo aloha. Mieritrereta toe-java-misy iray izay mety hahafahan’io andinin-tsoratra masina io hanampy olona iray hahita valiny amin’ny fanontaniana iray na hiatrika olana iray. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao.

Hamoaka printy