Seminera
Jaona 11:1–46, Tapany 2


Jaona 11:1–46, Tapany 2

Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesoa

Sary
Jesus mourning Lazarus.

Tao amin’ny lesona teo aloha, dia namantatra fitsipika avy amin’ilay tantaran’ny Mpamonjy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty ianao. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hampianatra fitsipika iray izay afaka manampy anao sy ny hafa handray ny fanampian’ny Mpamonjy mandritra ireo olana mitranga eo amin’ny fiainana.

Fiantraikan’ny fampianarana

Mieritrereta fotoana iray izay nampianarana anao momba an’i Jesoa Kristy na ny filazantsarany ka nisy fiantraikany lalina teo aminao.

  • Ahoana no fomba nampianarana an’ilay izy anao?

  • Nahoana no nisy fiantraikany lehibe toy izany ilay izy?

I Jesoa Kristy no ilay Mpampianatra Lehibe. Rehefa nampianatra tamin’ny hery sy Fanahy Izy dia nahatsapa lalina ny fiantraikan’ny fampianarany ireo izay nihaino azy tamim-panetren-tena (jereo ny Jaona 3:2 ; Jaona 6:35, 68-69).

  • Manomeza hoe ohatra ana olona izay lehibe tokoa ny fiantraikan’ny fampianaran’ny Mpamonjy teo aminy?

Saintsaino ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy sy ny zavatra niainanao manokana rehefa manomana sy mampianatra lesona fohy ianao miainga avy amin’ny tantaran’ny Mpamonjy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty izay hita ao amin’ny Jaona 11:1–46 . Singa iray nandrafitra ny fampianaran’ny Mpamonjy ny hoe nampianatra fotopampianarana sy fitsipika marina hatrany Izy. Amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy ianao rehefa mampianatra fitsipika marina. Rehefa mampitombo ny fahaizanao mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy ianao, dia afaka ny ho tonga tahaka Azy kokoa.

Lazarosy

Tadidio araka izay azonao atao ilay tantara momba ny nananganan’ny Mpamonjy an’i Lazarosy tamin’ny maty. Raha ilaina, dia vakio ity famintinana manaraka ity.

Nandefa hafatra ho an’i Jesoa i Maria sy i Marta hoe narary i Lazarosy anadahin’izy ireo. Ninian’i Jesoa nahemotra ny diany ka tonga efatra andro taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy Izy. Tamim-pitiavana sy tamim-pangorahana no nananganan’i Jesoa an’i Lazarosy tamin’ny maty. Ity fanehoana tamin’ny fomba mahagaga ny herin’ Andriamanitra ity dia nanantitrantitra fa i Jesoa no ilay Mesia voafidy ary nanana fahefana handresy ny fahafatesana Izy. Rehefa nahare momba io fahagagana io ny mpisoronabe sy ny Fariseo dia niray tetika hamono an’i Jesoa sy i Lazarosy izy ireo.

Ny lesonao

Manomàna lesona iray amin’ny alalan’ny fampiasana fitsipika izay azontsika ianarana avy amin’ny Jaona 11. Misafidiana fitsipika iray izay mahaliana anao indrindra na koa hitanao fa mifanaraka kokoa amin’ireo zatovo avy amin’ireto safidy manaraka ireto.

Lesona Safidy 1: Afaka manao fahagagana eo amin’ny fiainantsika ny Mpamonjy rehefa manao asa amim-pinoana Azy isika mandritra ny fitsapana lalovantsika ( Jaona 11:20–27,38–45).

Lesona Safidy 2: Ny fahagagana ataon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika dia tonga araka ny sitrapony sy ny fotoany ( Jaona 11:1–7,11–17, 39–45).

Lesona Safidy 3: Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanehoana fangorahana ny hafa isika ( Jaona 11:32–36,43–44).

Lesona Safidy 4: Afaka mahita ny fiasan’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny heriny isika rehefa mampatanjaka sy mampionona antsika mandritra ny ady atrehantsika Izy ( Jaona 11:1–7,11–15,38–46).

Lesona Safidy 5: Manana fahefana hamerenana ny aina sy handresena ny fahafatesana i Jesoa Kristy ( Jaona 11:20–27,39–46).

Lesona Safidy 6: Misafidiana fitsipika nalainao manokana avy amin’ity tantara ity ( Jaona 11:1–46).

1. Vitao ao anaty diary fandalinanao ity manaraka ity:

Valio ireto fanontaniana mampitsiry hevitra manaraka ireto mba hanampiana anao hamorona rindran-damina ho an’ny lesonao. Hevero ny handany 15 ka hatramin’ny 20 minitra mba hanomanana ny lesonao ary 5 ka hatramin’ny 10 minitra hampianarana izany.

  1. Ahoana no ahafahanao mampiditra ilay fitsipika nosafidinao amin’ny fomba izay hanampy ireo olona ampianarinao hahatakatra ny maha-zava-dehibe izany?

  2. Inona ny andinin-tsoratra masina hovakinao miaraka amin’ireo olona izay ampianarinao mba hanehoanao amin’ny fomba tsara indrindra ity fitsipika ity? (Raha mahafantatra tantara fanampiny ao anaty soratra masina ianao, na andinin-tsoratra masina, na tenina mpitarika ao amin’ny Fiangonana ka afaka manampy ireo olona izay ampianarinao hahatakatra ilay fitsipika, dia hevero ihany koa ny hanoratra izany eto.)

  3. Inona no ampianarin’ity fitsipika ity anao momba ny Mpamonjy? Hevero ny hangataka ireo izay ampianarinao mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ity fitsipika ity.

  4. Inona no azonao zaraina mikasika ny fomba nanampian’ity fitsipika ity anao? Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fiainana izany? Hevero ny hanasa ireo olona ampianarinao mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo ihany koa.

  5. Soraty ny hevitrao momba ilay fitsipika izay ampianarinao sy ny fanazavana fohifohy iray mikasika ny fomba hanatanjahan’izany ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona raha mahatsapa ho taomim-panahy hanao izany ianao.

2. Ampianaro an’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray ny lesonao. Rehefa vitanao izany, dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra nianaranao avy amin’io traikefa io?

  • Afaka manampy anao sy ny hafa hanakaiky sy hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy amin’ny fomba ahoana ny fanomanana lesona sy ny fampianarana ny hafa?

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireto horonan-tsary sy lahateny manaraka ireto dia afaka manampy anao hanomana sy hampianatra ny lesonao. Mety hampiasa ireto loharanom-pitaovana ireto ianao amin’ny iray na ny maromaro amin’ireto fomba manaraka ireto:

  • mba hahatakarana kokoa ny fitsipika izay ampianarinao

  • mba hamantarana ireo fahamarinana, tantara, na hevitra izay azonao zaraina amin’ny alalan’ny teninao manokana rehefa mampianatra ianao

  • mba hahitana ireo teny nambara na horonan-tsary izay azonao aseho ho an’ireo olona izay ampianarinao

Ny horonan-tsary rehetra izay voatanisa anaty lisitra dia azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org avokoa.

Lesona Safidy 1: Afaka manao fahagagana eo amin’ny fiainanatsika ny Mpamonjy rehefa manao asa amim-pinoana Azy isika mandritra ny fitsapana lalovantsika.

Neil L. Andersen, “Ny Finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy_” (fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ôkt. 2015) (jereo manomboka eo amin’ny minitra faha 1:40 ka hatramin’ny minitra faha 4:32).

Lesona Safidy 2: Ny fahagagana ataon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika dia tonga araka ny sitrapony sy ny fotoany

Jeffrey R. Holland, “Miandry ny Tompo,” Liahona, nôv. 2020, 115–17.

Lesona Safidy 3: Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanehoana fangorahana ny hafa isika

Dieter F. Uchtdorf, “Ianareo no tanako,” Liahona, mey 2010, 68–75.

Lesona Safidy 4: Afaka mahita ny fiasan’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny heriny isika

rehefa mampatanjaka sy mampionona antsika mandritra ny ady atrehantsika Izy

John C. Pingree Jr., “Manana asa ho anao Aho” (fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ôktobra. 2017) (jereo manomboka eo amin’ny minitra faha-5:49 ka hatramin’ny minitra faha-6:48).

Lesona Safidy 5: Manana fahefana hamerenana ny aina sy handresena ny fahafatesana i Jesoa Kristy

D. Todd Christofferson, “Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty,” Liahona, mey 2014, 111–14.

Paul V. Johnson, “Ary tsy hisy fahafatesana intsony, Aprily. 2016) (jereo manomboka eo amin’ny minitra faha-0:17 ka hatramin’ny minitra faha-4:56).

Hamoaka printy