Jaona 11:1–46, Tapany 1
Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesoa
Nangataka an’i Jesoa i Maria sy i Marta mba ho tonga hanampy an’i Lazarosy anadahin’izy ireo izay narary. Nahemotr’i Jesoa ny diany ka tonga efatra andro taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy Izy. Naneho ny fangorahany i Jesoa ary nitomany niaraka tamin’ireo mpirahavavy. Avy eo dia nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipika izay afaka mitarika anao hamakivaky ireo olan’ny fiainana.
Mieritrereta olona iray ao amin’ny fianakavianao akaiky. Alaivo sary an-tsaina hoe lasa narary mafy izy ireo ka notandindomin-doza ny ainy.
-
Inona no mety ho zavatra tsapanao?
-
Inona no mety hataonao?
-
Inona avy ireo fanontaniana mety hanananao?
Ao amin’ny Jaona 11 , dia niatrika io toe-javatra io i Maria, sy i Marta ary i Lazarosy. Na dia mifandray amin’ny aretina sy ny fahafatesana aza ny zavatra niainan’izy ireo dia azontsika ampiharina amin’izay mety ho olana hatrehantsika ireo fitsipika izay ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo.
1. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:
Soraty manakaiky ny faratampon’ny taratasinao ny hoe: “Ny zavatra tokony ho fantatrao rehefa miatrika olana.” Mandritra ny lesona dia eritrereto ireo olana izay atrehinao na mety hatrehinao. Katsaho ny hamantatra ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izay tsapanao fa mety hitarika anao sy hanome fanantenana anao mandritra ireo olana ireo. Raketo ao anatin’ny taratasinao ireo eritreritra tonga ao an-tsainao. Eritrereto tsara ny fomba ahafahan’ny fahamarinana tsirairay hitanao manampy anao hahatsapa fitiavana ho an’ny Mpamonjy sy avy amin’ny Mpamonjy.
Mitady fahamarinana
Fahaizana mandalina soratra masina iray mety hanampy amin’ny famantarana ireo fitsipika ny fiatoana kely rehefa mahatsikaritra zavatra manan-danja mba hametrahana fanontaniana tsotra ianao, toy ireto:
-
Inona no mety ho tian’ny Ray any An-danitra ianarako avy amin’ireo andininy ireo?
-
Inona no ampianarin’io tantara io ahy momba an’i Jesoa Kristy?
Vakio ny Jaona 11:1–7 , ary apetraho amin’ny tenanao ireo fanontaniana teo aloha.
Misy fitsipika isan-karazany mety efa hitanao avy amin’ireo andininy ireo. Ireto misy ohatra vitsivitsy. Hevero ny hanisy marika, ao amin’ny ohatra ana fitsipika tsirairay, ireo andian-teny na antsipirian-javatra avy amin’ireo andininy novakinao izay manohana ilay fitsipika.
Na dia tian’i Jesoa Kristy aza isika dia hiaritra fitsapana.
Na dia rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy amim-pahatokiana aza isika dia mbola hiaritra fitsapana ihany.
Rehefa miatrika olana isika dia afaka mikatsaka ny fanampian’ny Tompo, ary hamaly antsika amin’ny fotoany sy ny fombany manokana Izy.
Hevero ny hanoratra ireo fitsipika ireo ao amin’ny taratasinao.
-
Manampy anao amin’ny fomba ahoana ny fahalalana ireo fahamarinana ireo?
Roa andro taorian’ny nandrenesan’ny Mpamonjy momba ny aretin’i Lazarosy dia nandeha nankany an-tranon’i Lazarosy ny Mpamonjy. Rehefa tonga tany Izy, dia efa tao am-pasana efatra andro i Lazarosy (jereo ny Jaona 11:17).
Nanazava ny hevitra fonosin’ny hoe efatra andro ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo.
Efa nanomboka ny fahalovan’ilay razana; efa ela no voamarina tanteraka ny fahafatesana. … Ny teny hoe efatra andro dia nanana dikany manokana ho an’ny Jiosy; zavatra ninoan’ny maro teo anivon’izy ireo ny hoe ny fanahy dia efa niala tanteraka ny vatana rehefa tonga ny andro fahefatra ary tsy azo ovana intsony izany.
(Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky faha3. [1965–73], 1:533)
Tohizo ny fanazaran-tena amin’ny famantarana ireo fitsipika rehefa mamaky ny Jaona 11:18–46 ianao. Miatoa kely indraindray dia ametraho fanontaniana ny tenanao rehefa tojo antsipirian-javatra manan-danja ianao, toy ny zavatra nataon’i Maria sy i Marta mba hanehoana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy na ny fihetsika nasehon’ny Mpamonjy tao anatin’ny toe-javatra tsirairay. Ampidiro ao anatin’ny taratasinao ireo fitsipika izay hitanao, ary hevero ny hanisy marika ireo antsipirian-javatra manan-danja sy ny hanoratra fanamarihana hafa ao amin’ny soratra masinao.
-
Inona no mety ho tian’ny Ray any An-danitra ianaranao avy amin’ity tantara ity?
Inona no ampianarin’io tantara io anao momba an’i Jesoa Kristy?
Apetraho amin’ny tenanao ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra ary jereo raha manampy anao hamantatra fitsipika fanampiny izay azonao ampidirina ao amin’ny taratasinao izy ireo.
-
Inona no nataon’i Maria sy i Marta mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy nandritra ny fitsapana nolalovan’izy ireo?
-
Mampianatra anao inona momba ny Mpamonjy ny valin-teny nomeny azy ireo?
-
Zavatra inona ao amin’io tantara io no mampianatra anao hatoky bebe kokoa ny Mpamonjy?
-
Nanampy anao tamin’ny fandalinanao tamin’ny fomba ahoana ny fiatoana kely rehefa nahita antsipirian-javatra manan-danja sy ny fametrahana fanontaniana?
2. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:
Alaivo sary an-tsaina hoe nanana fahafahana niresahana tamin’ny olona nandalo fitsapana sarotra ianao. Safidio ny iray amin’ireo fitsipika hitanao tao amin’ny Jaona 11:1–46 dia zarao ny fomba ahafahan’io fitsipika io manampy azy ireo. Ampidiro ao ny hevitrao mikasika ny fomba ahafahan’io fitsipika io manampy io olona io hahatakatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fanirian’Izy Ireo ho antsika.
3. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity.
Vakio manontolo ireo fitsipika nosoratanao ao amin’ilay taratasy hoe “Ny zavatra tokony ho fantatrao rehefa miatrika olana”. Soraty eo amin’ny farany ambanin’ilay taratasy ny valin-teninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Inona ny fitsipika ilainao hifantohana indrindra eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao? Nahoana?
-
Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ka manampy anao hahatsapa fitiavana ho Azy Ireo sy avy amin’Izy Ireo?
-
Inona no tsapanao fa nitaoman’ny Fanahy anao mba hataonao avy amin’ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany? Ahoana no hanaovanao izany?
Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
Nahoana aho no mijaly rehefa miezaka ny ho olo-marina?
Ny Loholona Matthew S. Holland ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:
Misy Olona iray izay mahatakatra tanteraka ny zavatra iainanao, izay “mahery kokoa noho ny tany iray manontolo” [1 Nefia 4:1], ary “mahay manao mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahi[nao] na heverinao aza” [Efesiana 3:20]. Hitranga araka ny fombany ireo dingana ireo ary araka ny fandaharam-potoany, saingy eo i Kristy vonona hatrany hanasitrana hatramin’ny bitika indrindra amin’ny fahorianao sy izay endrika rehetra mety hisehoan’izany.
Rehefa mamela Azy hanao izany ianao, dia ho hitanao fa tsy very maina ny fijalianao. … Ny toetran’ Andriamanitra mihitsy sy tanjon’ny fiainantsika ety an-tany dia ny fahasambarana, saingy tsy afaka ho tonga olona tanteraka ao amin’ny fahasambarana araka an’ Andriamanitra isika raha tsy miaina zavatra izay misedra antsika, indraindray hatrany amin’ny faraherintsika mihitsy. Nilaza i Paoly fa ny Mpamonjy mihitsy no natao “tanteraka [na mandrakizay] tamin’ny fahoriana” [Hebreo 2:10]. Noho izany dia tsy maintsy mitandrina ianao amin’ilay bitsika avy amin’i Satana hoe raha olona tsara kokoa ianao dia hanalavitra ny fisedrana toy izany.
Tsy maintsy toherinao ihany koa ilay lainga mifandray amin’izany hoe ny fahorianao dia toa maneho fa tsy isan’ireo nofinidin’ Andriamanitra ianao, izay toa misosa fotsiny mitety ireo fitahiana mifandimby. …
Ry rahalahy sy anabavy isany, ny fitoerana ho marina hatrany na dia eo aza ny fahoriana dia manampy hahatonga anao ho isan’ireo olomboafidin’ Andriamanitra, fa tsy mampiavaka anao amin’izy ireo akory.
(Matthew S. Holland, “Ilay fanomezana tena fatratra an’ilay Zanakalahy,” Liahona, nôv. 2020, 46–47)