Seminera
Jaona 3:1–8


Jaona 3:1–8

“Tsy maintsy hateraka indray hianareo”

Sary
I Jesoa sy i Nikodemosy

Nikodemosy dia Fariseo ary “mpanapaka tamin’ny Jiosy” (Jaona 3:1). Tonga tany amin’ny Mpamonjy izy nony alina mba hametraka fanontaniana lehibe momba ny famonjena. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahaterahana indray amin’ny “rano sy ny Fanahy” (Jaona 3:5) mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Faniriana hiova

Mieritrereta trangan-javatra iray momba ny zatovo iray izay te-hiova, hanakaiky kokoa ny Mpamonjy, ary hiaina fiadanana bebe kokoa kanefa tsy fantany ny fomba hanaovany izany. Mieritrereta zavatra voafaritra manokana mety tian’ity olona ity hovaina sy zava-tsarotra vitsivitsy izay inoana fa mety hatrehiny rehefa miova. Azonareo atao ihany koa ny mieritreritra ny zavatra niainanareo na niainan’ny olon-kafa tamin’ny fiovana tsara ka afaka manome fanantenana an’ity zatovo ity fa afaka miova izy.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no takin’ny Ray any An-danitra ny fiovan’ireo izay maniry hiditra ao amin’ny fanjakany?

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba vitsivitsy izay tsapanao fa asain’ny Fanahy ovainao mba ho tonga bebe kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy. Mandritra ity lesona ity dia asao ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa mianatra ny fomba hikatsahana ny fanampian’ny Mpamonjy ianao mba hanao ireo fanovana izay tadiaviny aminao ianao.

Nampianatra an’i Nikodemosy momba ny fahaterahana indray i Jesoa

Tonga tao amin’i Jesoa nony alina ny lehilahy iray atao hoe Nikodemosy. Fariseo sy mpanapaka tamin’ny Jiosy i Nikodemosy. Niaro an’i Kristy teo anatrehan’ny Fariseo izy taty aoriana (jereo ny Jaona 7:50–53) ary tonga nanatevin-daharana ireo mpino tamin’ny fandevenana an’i Jesoa (jereo ny Jaona 19:39–40). Nankao amin’ny Mpamonjy i Nikodemosy tamin’io alina io ary nanaiky fa i Jesoa dia “mpampianatra avy amin’ Andriamanitra” (Jaona 3:2).

Ny Jaona 17:3 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Hianatra bebe kokoa mikasika ity andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity ianao ao amin’ny lesona izay hatao manaraka.

Vakio ny Jaona 3:1–5, dia tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy an’i Nikodemosy fa tokony hataony mba hidirana amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “ateraka indray”? (Jaona 3:3).

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no ilaina ateraka indray isika mba hahita ny fanjakan’ Andriamanitra?

  • Rehefa tsy nahatakatra ny fomba ahaterahana indray i Nikodemosy, dia inona no nampianarin’ny Mpamonjy (araka ny voasoratra ao amin’ny andininy 5)?

Isan’ireo fitsipika ianarantsika avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy an’i Nikodemosy ny hoe tsy maintsy ateraky ny rano sy ny Fanahy isika mba hahafahana miditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe ateraky ny rano sy ny Fanahy?

  • Afaka manampy antsika hateraka indray sy hiditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao ny fanaovana batisa sy ny fandraisana ho mpikambana?

  • Inona no nampianarin’ny Mpamonjy an’i Nikodemosy ka tianao ho takatr’ilay olona ao amin’ilay tranga noforoninao?

Ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia roa amin’ireo ôrdônansy ilaina ho an’ny famonjena sy ny fisandratana izay tsy maintsy raisin’ny olona tsirairay handovana ny fanjakana selestialy. Ireo ôrdônansy ireo no vavahady hidirantsika hizorana amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny 2 Nefia 31:17–20). Rehefa mandeha amin’io lalana io sy mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia mahatsapa fiovana sy fahaterahana indray ara-panahy. Ny mpaminany Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nanazava ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fanomezana fahafahana antsika ho ateraka indray. Vakio ny Almà 7:14, ka tadiavo ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika mba hateraka indray.

  • Inona no anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana antsika mba hateraka indray?

Ianarantsika ihany koa ao amin’ny 2 Nefia 31:17 ny anjara asan’ny Fanahy Masina amin’ny fanampiana antsika mba hateraka indray: “Ary avy eo dia tonga ny famelana ny fahotanareo amin’ny alalan’ny afo sy ny Fanahy Masina.”

  • Inona no anjara asan’ny Fanahy Masina amin’ny fanampiana antsika mba hateraka indray?

Jereo ilay horonan-tsary “Tiako ny zatovolahy mpitabataba” (10:48), izay hitantaran’ny Loholona Yoon Hwan Choi tao amin’ny Fitopololahy mikasika ny vondron-tovolahy iray izay niova ny fiainany rehefa niova fo ho an’ny Tompo izy ireo. Jereo manomboka eo amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny minitra faha-4:34 ilay horonan-tsary. (Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.)

  • Inona no nanaitra anao tamin’ny fiovan’ireo tovolahy?

  • Inona avy ireo fiovana nataonao na ny olona fantatrao mba hahatongavana tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa?

  • Inona no anjara asan’ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana amin’ireo fiovana ireo?

Indraindray isika manontany tena hoe manao ahoana isika amin’ny fahaterahantsika indray ara-panahy. Nampianatra ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 3:8 fa afaka mahita ny fiantraikan’ny rivotra isika kanefa tsy fantatsika izay iaviany na izay alehany. Tahaka izany ihany, isika dia tsy afaka mahatakatra foana ny fotoana hanombohan’ny fahaterahana indray, na ny fomba hitrangan’ny fiovana ao anatintsika. Na izany aza dia afaka mahita ny vokatr’izany isika rehefa miova ny faniriantsika sy ny zavatra ataontsika (jereo ny Môzià 5:1–2). Soratra masina ny porofo hitanao fa nanampy anao hiova ny Mpamonjy. Mifantoha tsara amin’ireo bitsika sy eritreritra ary fahatsapana rehetra mety ho voarainao avy amin’ny Fanahy.

Manampy ny hafa

1. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity:

Eritrereto ilay trangan-javatra noforoninao tany amin’ny fiandohan’ny lesona. Saintsaino ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany. Manorata taratasy fohy ho an’ilay zatovo ao amin’ny trangan-javatra noforoninao, izay manazava ny fomba hanampian’ny Mpamonjy azy hiova. Mety hanampy anao amin’ny fanaovanao izany ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny eritreritrao no azon’ity olona ity atao mba hikatsahany ny fanampian’ny Mpamonjy amin’ny fiovany? Nahoana ireo zavatra atao ireo no hanampy, araka ny eritreritrareo?

  • Ahoana no ahafahan’ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ary ny fandraisana ireo famantarana ampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo manampy ity olona ity hiova sy ho ateraka indray?

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy rehefa niainanao ny dingan’ny fahaterahana indray na hitanao nitranga teo amin’ny hafa io dingana io?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no dikan’ny hoe hateraka indray?

Nanazava ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar

Ireo mpanompo nahazo lalana avy amin’ny Tompo dia mampianatra hatrany hatrany fa isan’ireo tanjona lehibe indrindra amin’ny fisiantsika eto an-tany ny fiovana ara-panahy sy ny fiovana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. …

Toroina lalana isika mba “[hanatona] an’i Kristy, ary … hatao tanteraka ao Aminy, ary holavin’ny tena[ntsika] ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra” (Môrônia 10:32), ka ho tonga “olom-baovao ”ao amin’i Kristy (jereo ny 2 Korintiana 5:17), mba hanesorana ny “olona araka ny nofo” (Môzià 3:19), ary hiaina “fiovana mahery vaika tao amin[tsika], na ao am-pon[tsika], ka tsy manana fironana hanao ratsy intsony [isika] fa ny hanao soa lalandava kosa” (Môzià 5:2). Mariho azafady fa ny fiovam-po voalaza ao amin’ireo andininy ireo dia mahery vaika fa tsy bitika: fahaterahana ara-panahy indray ary fiovana manan-danja amin’ny zavatra tsapantsika sy iriantsika, ny zavatra eritreretitsika sy ataontsika ary ny maha-izy antsika. Marina tokoa fa ny toetra marin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia miteraka fiovana manan-danja sy maharitra amin’ny toetrantsika, izay tanteraka amin’ny alalan’ny fianteherantsika amin’ny “fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina” (2 Nefia 2:8). Rehefa misafidy ny hanaraka ny Mpampianatra isika dia misafidy ny hovaina—hateraka indray ara-panahy.

(David A. Bednar, “Ye Must Be Born Again,” Liahona, May 2007, 19–20)

Ahoana no ahafahako ho ateraka indray?

Ny loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao lahateny mitondra ny lohateny hoe “Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo” (Liahona, mey 2016, 59–62) izay mirakitra hevitra momba io fanontaniana io.

Nahoana no mety ho sarotra ny mamantatra raha toa aho ka efa nateraka indray?

Nampianatra toy izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Ny Loholona D. Todd Christofferson

Mety hanontany ianao hoe, nahoana no tsy mitranga haingana kokoa amiko izany fiovana mahery vaika izany? … Ho an’ny ankamaroantsika dia mandeha tsikelikely kokoa sy miandalana ny fiovana. Ny fahaterahana indray … dia dia azo lazaina kokoa ho dingana arahina fa tsy zava-mitranga indray mandeha. Ary ny fidirana ao anatin’izany dingana arahana izany no tanjona lehiben’ny fiainana eto an-tany.

Etsy andanin’izany dia aoka isika tsy hanamarin-tena amin’ny ezaka zara raha ataontsika. Aoka isika tsy hanao izay hitazonana ny faniriana sasany mba hanao ny ratsy. Aoka isika handray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo isaky ny Alahady ary hanohy hanakaiky ny Fanahy Masina mba hamongotra ireo fahalotoana sisa tavela ao anatintsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manohy ao anatin’ilay lalan’ny fahaterahana indray ara-panahy ianao, dia hanala ny fahotanao sy ny pentimpentin’ireo fahotana ao aminao ny fahasoavan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ka tsy afaka ny hisarika intsony ireo fakam-panahy, ary ho tonga masina ianao amin’ny alalan’i Kristy, toy ny maha-masina Azy sy ny Raintsika.

(D. Todd Christofferson, “Born Again,” Liahona, May 2008, 78)

Inona no maha-samy hafa ny “mahita” sy ny “miditra” amin’ny fanjakan’ Andriamanitra?

Ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) dia nampianatra momba ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny [Jaona 3:3, 5] izay miresaka momba ny hoe “mahita” sy “miditra” ny fanjakan’ Andriamanitra: “Zavatra roa tsy mitovy ny mahita ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny miditra ao anatin’izany. Tokony hanana fiovam-po isika mba hahita ny fanjakan’ Andriamanitra, ary hanaiky tanteraka ireo ordônansy sy ireo didy rehetra mba hidirana ao” (ao amin’ny Journal, December 1842–June 1844; Book 3, 15 July 1843–29 February 1844, 130, josephsmithpapers.org]. Rehefa “mahita” ny fanjakan’ Andriamanitra ny olona iray dia ny Fanahy Masina no nahatonga ilay olona hahatsapa “fiovam-po” mahery vaika (jereo ny Almà 5:14). Avy eo dia tsy maintsy mandray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny filazantsara ilay olona mba hahafahany “miditra” ny fanjakan’ Andriamanitra.

(“Jaona 2–4,” in Boky Torolalana ho an’ny mpianatra Testamenta Vaovao [2018], ChurchofJesusChrist.org)

Hamoaka printy