Seminera
Matio 4:1–11, Tapany 2


Matio 4:1–11, Tapany 2

Fanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanoherana fakam-panahy

Sary
Jesus is tempted by the devil to change rocks into bread - ch.11-2

Ato amin’ity lesona ity ianao dia afaka manohy mandalina ny fomba nanoheran’ny Mpamonjy ireo fakam-panahy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanaraka ny ohatra nasehony sy hitadidy ireo fahamarinana avy amin’ny soratra masina mba hanampy anao hanohitra fakam-panahy eo amin’ny fiainanao.

Fanoherana ny fakam-panahy

Alaivo sary an-tsaina hoe namboraka taminao i Jacob namanao fa sarotra aminy ny manohitra fakam-panahy. Manazava izy fa tena maniry ny hanohitra izany kanefa sarotra aminy ny mamantatra ny tokony hataony rehefa tonga aminy ny fakam-panahy.

  • Inona no hozarainao aminy ary nahoana?

Ampahatsiahivo ny zavatra niainan’ny Mpamonjy araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 4:1–11 , rehefa niatrika sy nanohitra ny fakam-panahin’i Satana ny Mpamonjy. Isan’ireo fomba nanaovany izany ny nanehoany tamin’ny alalan’ny ohatra ity fitsipika ity: afaka manampy antsika hahazo ny herin’ny Tompo hanoherana ny fakam-panahy ny fitadidiana sy ny fampiharana ireo fahamarinana avy amin’ny soratra masina.Halalino ny Matio 4:1–11 . Mifantoha amin’ny andininy 4, 7, sy 10 , ary tadiavo ny fomba nampiharan’ny Mpamonjy io fitsipika io. Mariho fa rehefa niteny i Jesoa hoe: “voasoratra hoe” dia ireo teny voasoratra ao amin’ny soratra masina no tiany holazaina.

  • Inona no ifandraisan’ireo andalan-tsoratra masina izay notononin’ny Mpamonjy ireo amin’ny fakam-panahy noreseny?

Makà minitra vitsy hanoratana ny eritreritrao momba ny antony ilanao fanampiana hanoherana fakam-panahy. Dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Impiry ianao no mitodika any amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny soratra masina mba hanampy anao hanohitra fakam-panahy? Nahoana?

  • Inona no zavatra niainanao mikasika ny fitodihana any amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny soratra masina mba hanampy anao hanohitra fakam-panahy?

Ataovy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto sahanasa manaraka ireto:

1.

  1. Fantaro ary tanisao ireo fakam-panahy sasantsasany izay atrehan’ny zatovo mitovy taona aminao matetika.

  2. Fantaro ary tanisao ireo andinin-tsoratra masina izay afaka manampy amin’ny fanoherana ny tsirairay avy amin’ireo fakam-panahy, ary ampio fanazavana fohy ny amin’ny fomba mety hanampian’ny tsirairay avy amin’ireo soratra masina ireo.

Ohatra hoe, mety ho hitanao fa afaka manampy anao ilay tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 18:15 mba hahatakatra fa mila mahatsiaro tena mandrakariva sy mivavaka amim-pahazotoana foana ianao rehefa miezaka manohitra fakam-panahy.Raha sarotra aminao ny mahita soratra masina afaka manampy dia afaka mitady ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ianao na mitady toko sy andinin-tsoratra masina ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina eo ambanin’ny hoe “ Fakam-panahy ,” “ Maharitra ,” na lohahevitra hafa mifandray amin’ny fakam-panahy na fakam-panahy iray manokana.

Azonareo atao ny manisy marika miavaka tsara ireo andinin-tsoratra masina ireo ary manao lisitra azy ireo ao amin’ny soratra masinareo na ny diary fandalinanareo soratra masina izay toerana mora ahitanareo izany. Raha mampiasa soratra masina elektrônika ianareo dia manamboara marika ary ampidiro ao amin’izany ireo andalan-tsoratra masina. Raha mila mianatra ny fomba fanaovana izany ianareo dia jereo ny Torolalana ho an’ny mpampiasa Bibliothèque de l’Évangile (Android) na ny Torolalana ho an’ny mpampiasa Bibliothèque de l’Évangile (iOS) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Fidio ny Hanisy marika eo ambanin’ilay lohateny hoe “Hianatra bebe kokoa”.

Misy fomba maro samihafa ahafahanareo manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy mandray tanjaka avy amin’ny soratra masina.Misafidiana hanao ny sahanasa A na B mba hanampy anareo hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanoherana fakam-panahy. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa manapa-kevitra ianareo ny amin’izay sahanasa hanampy anareo indrindra.

2. Fidio ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto dia ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Sahanasa A: Mianatra tsianjery

Mifidiana toko sy andinin-tsoratra masina avy amin’ireo izay hitanao dia ianaro tsianjery ny andian-teny manan-danja iray avy amin’izany na ilay andinin-tsoratra masina iray manontolo. Ireto misy fomba vitsivitsy mety hanampy anao:

  • Vakio samirery imbetsaka ilay izy, ary ezaho tsy jerena tsikelikely ilay soratra masina.

  • Soraty ilay andinin-tsoratra masina na andian-teny. Fafao na tsipiho ireo teny rehefa tadidinao ary averimbereno izany mandrapahatonga ny teny rehetra ho voafafa na voatsipika ka hainao tsianjery ilay soratra masina manontolo.

Sahanasa B: Saintsaino dia soraty

Saintsaino ny fomba ahafahan’ny fandalinana soratra masina tsy tapaka manampy anao hanohitra fakam-panahy eo amin’ny fiainanao na ny fanovana azonao atao mba hampitombo ny fitahiana azonao raisina amin’ny alalan’ny fanaovana ezaka bebe kokoa mba handalina tsy tapaka ny soratra masina.Manorata lahatsoratra ao amina tambazotra ifaneraserana na bilaogy izay afaka hanampy ny hafa hampitombo ny faniriany handalina soratra masina. Soraty amin’ny fomba izay hanampy azy ireo hikatsaka ny herin’ny Tompo ilay lahatsoratra mba hanampy azy ireo hanohitra fakam-panahy. Ampidiro ao ny toko sy andinin-tsoratra masina iray farafahakeliny tamin’ireo hitanao androany. Afaka mizara ireo zavatra efa niainanao ihany koa ianao izay nampitomboan’ny soratra masina ny fahafahanao manohitra fakam-panahy, fa aza milaza na inona na inona momba ilay fakam-panahy.

Fandinihana ataon’ny tena manokana

Ho famaranana dia diniho ireo zavatra nianaranao androany ary saintsaino izay havalinao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Mety hanampy anao hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fiezahana hanao zavatra avy amin’izay nataonao androany (fandalinana, fanaovana tsianjery ary fitadidiana soratra masina)?

  • Inona no tsapanao fa tokony hatombokao na hatsahatrao na tohizanao?

Tsy voatery atao: Te hianatra kokoa ve ianao?

Ahoana no hanampian’ny fandalinana soratra masina ahy?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava mikasika ny fomba entin’ny fandalinana tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna manome antsika hery hanoherana fakam-panahy:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ry rahalahy sy ranabaviko malala, mampanantena anareo aho fa rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro, ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo—isan’andro. Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo. Mampanantena aho fa rehefa mandalina lalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia ho voaro amin’ireo zavatra ratsy amin’izao vaninandro izao, eny na dia ny aretina mamikitry ny pôrnôgrafia sy ireo fiankinan-doha hafa mahadonto ny saina mihitsy aza.

(Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 62–63)

Afaka manampy ahy amin’ny fomba ahoana ny fanaovana tsianjery ny soratra masina?

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Final official portrait of Elder Richard G. Scott of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Passed away 22 September 2015.

Aoka ianao ho hendry eo amin’ny fampiasanao ny teknôlôjia. Asio marika ireo soratra masina manan-danja ao anatin’ilay fitaovana ampiasainao ary jereo matetika izy ireo. Raha toa ianareo tanora ka mamerina mamaky andinin-tsoratra masina iray matetitetika toy ny handefasan’ny sasany aminareo hafatra an-tsoratra, dia vetivety ianareo dia hahay tsianjery andinin-tsoratra masina an-jatony. Ho tena loharano mahery vaika ahazoana fanentanam-panahy sy fitarihana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ireo andinin-tsoratra masina ireo ao anatin’ny fotoan-tsarotra.

(Richard G. Scott, “Mba Hahazo Fiadanana ao An-tokantrano,” Liahona, mey 2013, 30)

Hamoaka printy